Fanampiana amin’ny fandalinana
Fiantsoana sy Fifidianana


Fiantsoana sy Fifidianana

Ireo mpianatra marin’i Kristy dia afaka ho isan’ny olom-boafidy izay mampitoetra ny fisandratany. Izany fiantsoana sy fifidianana izany dia manomboka amin’ny fibebahana sy ny batisa. Tonga feno izany rehefa “mibosesika handroso izy ireo ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany” (2 Ne. 31:19–20). Lazain’ny soratra masina fa mampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana antsika izany lalana izany (2 Pet. 1:4–11; F&F 131:5–6).