Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27


Fizarana 27

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany tao Harmony, Pennsylvania, ny volana aogositra 1830. Ho fanomanana ny fanompoam-pivavahana izay handrosoana ny mofo sy ny divay dia nandeha nivoaka i Joseph haka divay. Notsenain’ny iraka iray avy any an-danitra izy ary nandray ity fanambarana ity izay ny ampahany no voasoratra tamin’io fotoana io ary ny ambiny tamin’ny volana septambra nanaraka. Rano ankehitriny no ampiasaina amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny Fiangonana ho solon’ny divay.

1–4, Hazavaina ireo marika ampiasaina amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo; 5–14, Handray ny fanasan’ny Tompo i Kristy sy ireo mpanompony avy amin’ny fotoampitantanana rehetra; 15–18, Itafio avokoa ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra.

1 Henoy ny tenin’i Jesoa Kristy Tomponao, Andriamanitrao ary Mpanavotra anao, izay mailaka sy mahery ny teniny.

2 Fa indro, lazaiko aminao, tsy mampaninona izay hohaninareo na izay hosotroinareo rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianareo, raha toa ka ataonareo amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro izany—sady mahatsiaro eo anoloan’ny Ray ny vatako izay efa napetraka ho anareo sy ny rako izay efa nalatsaka ho famelana ny fahotanareo.

3 Koa didy no omeko anareo mba tsy hividiananareo divay na zava-pisotro mahery amin’ny fahavalonareo;

4 Koa tsy hisotro amin’izany ianareo raha tsy hoe divay vaovao izay natao teo anivonareo izany; eny, eo amin’ity fanjakan’ny Raiko ity, izay haorina eto an-tany.

5 Indro, izany dia fahendrena ato amiko; koa aza gaga fa avy ny ora izay hisotroako ny vokatry ny voaloboka miaraka aminao sy miaraka amin’i Môrônia izay efa nalefako ho any aminao mba hanambara ny Bokin’i Môrmôna, izay mirakitra ny fahafenoan’ny filazantsarako maharitra mandrakizay, izay izy no efa notolorako ny fanalahidin’ny rakitsoratry ny tapakazon’i Efraima;

6 Ary koa miaraka amin’i Elià izay efa notolorako ny fanalahidin’ny fanatontosana ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra nolazain’ny vavan’ny mpaminany masina rehetra, hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao, momba ny andro farany;

7 Ary koa i Jaona, zanakalahin’i Zakaria, dia i Zakaria izay izy (i Elià) no namangy sy nanome fampanantenana azy, fa ho tera-dahy izy ary ny anarany dia hatao hoe Jaona, ary ho feno ny fanahin’i Elià izy;

8 Dia i Jaona izay efa nirahiko tany aminareo ry mpanompoko isany, Joseph Smith zanany sy Oliver Cowdery mba hanokana ho anareo amin’ny fisoronana voalohany izay noraisinareo, mba ho azo antsoina sy atokana toa an’i Aharôna ianareo;

9 Ary koa i Elia izay efa notolorako ny fanalahidin’ny hery hampitodika ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny fon’ny ray, mba tsy hahazoana mamely ny tany amin’ny ozona;

10 Ary koa i Josefa sy i Jakoba, ary i Isaka sy i Abrahama razanareo, izay amin’ny alalany no aharetan’ny fampanantenana;

11 Ary koa miaraka amin’i Mikaela na i Adama, ilay rain’ny rehetra, ilay printsin’ny rehetra, ilay fahagolan’ny andro;

12 Ary koa miaraka amin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, izay efa nirahiko tany aminareo, tamin’ny alalany no efa nanokanako anareo sy nandraisako anareo ho apôstôly ary ho vavolombelona manokana amin’ny anarako sy hitondra ny fanalahidin’ny asa fanompoanareo ary ny an’ireo zavatra izay mitovy ihany amin’izay nambarako azy ireo;

13 Izay notolorako ny fanalahidin’ny fanjakako sy ny fotoampitantanan’ny filazantsara ho an’ny andro farany; ary ho an’ny fotoam-pahafenoana, izay mandritra izany no hanangonako miaraka ny zavatra rehetra ho tokana, na izay any an-danitra na izay ety an-tany;

14 Ary koa miaraka amin’ireo rehetra izay efa nomen’ny Ray Ahy avy tamin’izao tontolo izao.

15 Koa asandrato ny fonareo ka mifalia, ary sikino ny valahanareo ary itafio avokoa ny fiarovan-tena avy Amiko, mba hahatantesanareo ny andro mahory, mba hahatohitra ianareo rehefa avy nanao ny zava-drehetra.

16 Koa mifahara, sikino fahamarinana ny valahanareo miaraka amin’ny rariny ho saron-tratra, ary akiraroy ny tongotrareo ny fanomanana ny filazantsaran’ny fiadanana, izay efa nanirahako ny anjeliko mba hatolotra anareo;

17 Raiso ny ampingan’ny finoana, izay hahazoanareo mamono ny zana-tsipika mirehitra alefan’ilay ratsy;

18 Ary raiso ny satro-bin’ny famonjena sy ny sabatry ny Fanahiko, izay halatsako aminareo, ary ny teniko izay ambarako aminareo, ary mifanarahà amin’ny zavatra rehetra angatahinareo Amiko, ka aoka ho mahatoky ianareo mandra-piaviko dia hakarina ianareo ka any amin’izay misy Ahy no hisy anareo koa. Amena.