Fanampiana amin’ny fandalinana
Efraima


Efraima

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny zanakalahy faharoan’i Josefa sy i Asenata (Gen. 41:50–52; 46:20). Mifanohitra amin’ny fanao mahazatra no nitranga fa i Efraima no nandray ny fizokiana teo amin’ny toeran’i Manase izay zokiny (Gen. 48:17–20). Tonga rain’ny fokom-pirenen’i Efraima i Efraima.

Ny fokom-pirenen’i Efraima

Nomena an’i Efraima ny fizokiana tao amin’i Isiraely (1 Tan. 5:1–2; Jer. 31:9). Ny zony sy ny andraikiny amin’ny andro farany dia ny mitondra ny fisoronana, ny mitondra ny hafatry ny filazantsara naverina ho amin’ny laoniny ho eo amin’izao tontolo izao, ary ny manangana faneva ka manangona ny Isiraely niely patrana (Isa. 11:12–13; 2 Ne. 21:12–13). Hampisatroka voninahitra an’ireo izay avy amin’ireo tany avaratra ka miverina amin’ny andro farany ny zanak’i Efraima (F&F 133:26–34).

Ny tapa-kazon’i Efraima na i Josefa

Rakitsoratry ny andian’olona iray avy amin’ny fokom-pirenen’i Efraima, izay notarihina hiala an’i Jerosalema hankany Amerika sahabo ho 600 taona talohan’i Kristy. Ny Rakitsoratr’ity andian’olona ity no atao hoe tapa-kazon’i Efraima na Josefa na ny Bokin’i Môrmôna. Izany sy ny tapa-kazon’i Joda (Baiboly) no mirafitra ho tenivavolombelona mitambatra momba an’i Jesoa Kristy Tompo, ny Fitsanganany tamin’ny maty ary ny asa avy amin’ Andriamanitra nataony teo anivon’ireo ampahany roa amin’ny mpianakavin’i Isiraely ireo.