Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6


Fizarana 6

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Oliver Cowdery tao Harmony, Pennsylvania ny volana aprily 1829. Natombok’i Oliver Cowdery ny asan’ny mpitantsoratra tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna ny 7 aprily 1829. Efa avy nandray ny fanehoana avy amin’ Andriamanitra ny amin’ny fahamarinan’ny tenivavolombelon’ny Mpaminany momba ireo takelaka izay nisokirana ny rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna izy. Nanontany ny Tompo tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima ny Mpaminany ary nandray izao valinteny izao.

1–6, Mahazo ny famonjena ireo mpiasa ao amin’ny sahan’ny Tompo; 7–13, Tsy misy fanomezam-pahasoavana lehibe kokoa noho ny fanomezana ny famonjena; 14–27, Tonga amin’ny alalan’ny herin’ny fanahy ny vavolombelon’ny fahamarinana; 28–37, Banjino i Kristy ary manaova soa lalandava.

1 Asa lehibe sy mahatalanjona no efa akaiky hitranga ho an’ny zanak’olombelona.

2 Indro, Izaho no Andriamanitra; mampandria sofina amin’ny teniko izay mailaka sy mahery, maranitra kokoa noho ny sabatra roa lela ka manasaraka ny famavany sy ny tsoka; koa mampandria sofina amin’ny teniko.

3 Indro, efa masaka sahady ny eny an-tsaha mba hojinjaina; koa na zovy na zovy no maniry hijinja, dia aoka izy handroso ny antsimbilony amin’ny heriny ary hijinja raha mbola maharitra ny andro, mba hahazoany mirakitra famonjena maharitra mandrakizay ho an’ny fanahiny ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

4 Eny, na zovy na zovy no handroso ny antsimbilony sy hijinja, dia izy no antsoin’ Andriamanitra.

5 Koa raha mangataka Amiko ianareo dia hahazo; raha mandondona ianareo dia hovohana.

6 Ankehitriny, satria efa nangataka ianareo, dia indro, lazaiko aminareo, tandremo ny didiko ary katsaho ny hampijoro sy hampiorina ny foto-kevitr’i Ziona;

7 Aza mikatsaka harena fa fahendrena kosa, dia indro, hovelarina aminareo ny misterin’ Andriamanitra ary amin’izany dia hatao manan-karena ianareo. Indro, izay manana ny fiainana mandrakizay no manan-karena.

8 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, hatao aminareo araka izay irinareo Amiko; ary raha irinareo, dia ianareo no ho fitaovana amin’ny fanaovan-tsoa be amin’ity taranaka ity.

9 Aza milaza na inona na inona afa-tsy fibebahana amin’ity taranaka ity; tandremo ny didiko, ary ampio mba hiroborobo ny asako, araka ny didiko, dia hotahiana ianareo.

10 Indro manana fanomezam-pahasoavana ianao, ary tahiana ianao noho ny fanomezam-pahasoavana anananao. Tsarovy fa masina sy avy any ambony izany—

11 Ary raha manontany ianao, dia ho fantatrao ireo mistery izay lehibe sy mahatalanjona; koa hampiasa ny fanomezam-pahasoavana izay anananao ianao, mba hahazoanao mahita ireo mistery ka hahazoanao mitondra ny maro ho amin’ny fahalalana ny marina, eny, mandresy lahatra azy ireo ny amin’ny hadisoan’ny lalany.

12 Aza ampahafantarina na iza na iza ny fanomezam-pahasoavana anananao afa-tsy ireo izay iray finoana aminao. Aza hamaivanina ireo zava-masina.

13 Raha manao ny tsara ianao, eny, ary mijanona ho mahatoky hatramin’ny farany dia hovonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, izay lehibe indrindra amin’ny fanomezana rehetra avy amin’ Andriamanitra; fa tsy misy fanomezana lehibe kokoa noho ny fanomezana ny famonjena.

14 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, sambatra ianao noho izay efa nataonao; fa efa nanontany Ahy ianao, ary indro, isaky ny avy nanontany ianao dia efa nandray toromarika avy amin’ny Fanahiko. Raha tsy izany dia tsy ho tonga teo amin’ny toerana izay misy anao amin’izao fotoana izao ianao.

15 Indro, fantatrao fa efa nanontany Ahy ianao ary nanazava ny sainao Aho; Ary ankehitriny lazaiko aminao ireto zavatra ireto mba hahafantaranao fa efa nohazavain’ny Fanahin’ny fahamarinana ianao;

16 Eny, lazaiko aminao mba hahafantaranao fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra ihany no mahalala ny eritreritrao sy ny fisaintsainan’ny fonao.

17 Lazaiko aminao ireto zavatra ireto ho vavolombelona aminao—fa ny teny na ny asa izay efa nosoratanao dia marina.

18 Koa mazotoa, tohano amim-pahatokiana tokoa i Joseph mpanompoko, na toa inona na toa inona toe-javatra sarotra mety hisy azy noho ny teny.

19 Anaro izy noho ny hadisoany, ary raiso koa ny fananarana avy aminy. Mahareta; manàna fahamaotinana; mahonona tena; manàna faharetana, finoana, fanantenana ary fiantrana.

20 Indro, ianao no Oliver, ary efa niteny taminao Aho noho ny fanirianao; koa raketo ao am-ponao ireto teny ireto. Aoka ho mahatoky sy ho mazoto amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra ianao dia hisakambina anao amin’ny sandrim-pitiavako Aho.

21 Indro, Izaho no Jesoa Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra. Izaho Ilay tonga tany amin’ny Ahy, ary ny Ahy tsy nandray Ahy. Izaho no fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina, ary ny haizina tsy mahazo izany.

22 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha maniry vavolombelona fanampiny ianao, dia avereno ao an-tsainao ilay alina izay nitalahoanao Tamiko tao am-ponao, mba hahafantaranao ny momba ny fahamarinan’ireto zavatra ireto.

23 Tsy nilaza fiadanana tamin’ny sainao va Aho momba izany? Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’ Andriamanitra?

24 Ary ankehitriny indro, efa nahazo vavolombelona ianao; fa raha efa nolazaiko anao ireo zavatra izay tsy misy olona mahafantatra, tsy efa nahazo vavolombelona va ianao?

25 Ary indro, toviko aminao ny fanomezam-pahasoavana handikana teny, toa an’i Joseph mpanompoko, raha irinao Amiko izany.

26 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, fa misy ireo rakitsoratra izay mirakitra ny ankabeazan’ny filazantsarako izay efa nafenina noho ny faharatsian’ny olona;

27 Ary ankehitriny mandidy anao Aho, fa raha manana faniriana tsara ianao—faniriana hihary rakitsoa ho an’ny tenanao any an-danitra—dia hanampy amin’ny fitondrana ho amin’ny mazava ireo ampahany amin’ny soratro masina izay nafenina noho ny faharatsiana ianao, amin’ny fanomezam-pahasoavana anananao.

28 Ary ankehitriny, indro omeko anao, ary koa an’i Joseph mpanompoko, ny fanalahidin’io fanomezam-pahasoavana io izay hitondra ity asa fanompoana ity ho amin’ny hazavana; ary amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana ny teny rehetra.

29 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, raha laviny ny teniko sy ity ampahany amin’ny filazantsarako ary ny asa fonompoako ity, dia sambatra ianareo, satria tsy afaka manao misimisy kokoa aminareo mihoatra noho ny Amiko izy.

30 Ary raha ataony aminareo aza ny toy izay efa nataony Tamiko, dia sambatra ianareo fa hiara-mitoetra Amiko ao amin’ny voninahitra.

31 Fa raha tsy laviny kosa ny teniko izay haorin’ny tenivavolombelona izay homena, dia sambatra izy, ary amin’izany ianareo dia hanam-pifaliana amin’ny vokatry ny asanareo.

32 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, toy izay nolazaiko tamin’ny mpianatro, fa na aiza na aiza no iarahan’ny roa na telo miangona amin’ny anarako, ary na inona na inona antony, dia indro, ho eo afovoany Aho—tahaka izany koa dia eo afovoanareo Aho.

33 Aza matahotra ny hanao soa, anaka, fa izay afafinareo no hojinjainareo; koa noho izany, raha mamafy soa ianareo dia hijinja ihany koa ny soa ho valiny.

34 Koa aza matahotra ry ondry vitsy; manaova soa; avelao hitambatra ny tany sy ny helo hanohitra anareo, fa raha miorina amin’ny vatolampiko ianareo, dia tsy afaka mandresy izy ireo.

35 Indro, tsy manameloka anareo Aho; mandehana ary aza manota intsony; tontosao amin’ny fahamaotinana ny asa izay efa nandidiako anareo.

36 Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.

37 Indro ny fery izay nandoaka ny lanivoako, ary koa ny dian’ny fantsika amin’ny tanako sy ny tongotro; aoka ho mahatoky, tandremo ny didiko, dia handova ny fanjakan’ny lanitra ianareo. Amena.