Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75


Fizarana 75

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Amherst, Ohio, ny 25 janoary 1832. Ity fizarana ity dia ahitana fanambarana roa miavaka tsara (ny voalohany ao amin’ny andininy 1 ka hatramin’ny 22 ary ny faharoa ao amin’ny andininy 23 ka hatramin’ny 36) izay nomena tao anatin’ny andro iray ihany. Fotoan’ny fihaonambe tamin’izay izay nanohanana sy nanosorana an’i Joseph Smith ho Filohan’ny Fisoronana Avo. Nisy loholona vitsivitsy izay naniry ny hianatra ny andraikiny mivantana amin’ny antsipiriany kokoa. Nanaraka izao fanambarana izao.

1–5, Hahazo ny fiainana mandrakizay ireo loholona mahatoky izay mitory ny filazantsara; 6–12, Mivavaha mba handray ny Mpampionona izay mampianatra ny zava-drehetra; 13–22, Ireo loholona dia hipetraka hitsara ireo izay mandà ny hafany; 23–36, Tokony hahazo fanampiana amin’ny Fiangonana ny fianakavian’ireo misiônera.

1 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, dia Izaho izay miteny amin’ny feon’ny Fanahiko, Alfa sy Omega, ny Tomponareo sy Andriamanitrareo—

2 Mihainoa, ô ianareo izay efa nanome ny anaranareo mba handeha hitory ny filazantsarako sy handratsana ny tanimboaloboko.

3 Indro, lazaiko aminareo fa izao no sitrapoko dia ny handehananareo ka tsy hitaredretra na hidonana-poana fa hiasa amin’ny herinareo—

4 Hanandratra ny feonareo toy ny amin’ny fanenon’ny trompetra, hanambara ny marina araka ny fanambarana sy ny didy izay efa nomeko anareo.

5 Ary dia toy izany, raha mahatoky ianareo dia hovesarana amboara maro, ary hampisatrohana anareo ny satroboninahitry ny laza sy ny voninahitra, ary ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.

6 Koa lazaiko amin’i William E. McLellin mpanompoko marina tokoa, fa foanako ny fanendrena izay nomeko azy handeha ho any amin’ny tany atsinanana;

7 Ary omeko azy ny fanendrena vaovao sy ny didy vaovao izay amaizako Izaho Tompo azy, noho ny fimonomononan’ny fony;

8 Ary nanota izy; kanefa Izaho dia mamela azy ary miteny aminy indray hoe: Mandehana ianao mankamin’ny tany atsimo.

9 Ary aoka i Luke Johnson mpanompoko handeha hiaraka aminy ary hanambara ny zavatra izay efa nandidiako azy ireo—

10 Hiantso ny anaran’ny Tompo, mba hahazo ny Mpampionona izay hampianatra azy ireo ny zavatra rehetra izay ilaina ho azy ireo—

11 Hivavaka mandrakariva ka tsy ho kivy; ary raha toa ka ataony izany, dia homba azy ireo hatramin’ny farany Aho.

12 Indro, izany no sitrapon’ny Tompo Andriamanitrareo momba anareo. Izany tokoa. Amena.

13 Ary ankoatra izany, dia toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo: aoka i Orson Hyde mpanompoko sy i Samuel H. Smith mpanompoko handeha hankamin’ny tany atsinanana ary hanambara ny zavatra izay efa nandidiako azy ireo; ary raha toa ka mahatoky izy ireo dia indro, homba azy ireo hatramin’ny farany Aho.

14 Ary ankoatra izany dia lazaiko marina tokoa amin’i Lyman Johnson mpanompoko, sy amin’i Orson Pratt mpanompoko fa tokony handeha koa hankamin’ny tany atsinanana izy ireo; dia indro ka jereo fa Izaho homba azy ireo koa hatramin’ny farany.

15 Ary ankoatra izany, dia lazaiko amin’ny Asa Dodds mpanompoko, sy amin’i Calves Wilson mpanompoko fa tokony handeha koa hankamin’ny tany andrefana izy ireo ary hanambara ny filazantsarako, araka izay efa nandidiako azy ireo.

16 Ary izay mahatoky dia handresy ny zava-drehetra ary hasandratra amin’ny andro farany.

17 Ary ankoatra izany, dia lazaiko amin’i Major N. Ashley mpanompoko sy i Burr Riggs mpanompoko, aoka izy ireo handeha koa hankamin’ny tany atsimo.

18 Eny, aoka ireo rehetra ireo handeha araka izay efa nandidiako azy avy, handeha isan-trano sy isam-bohitra ary isan-tanàna.

19 Ary ao amin’izay trano rehetra idiranareo ka mandray anareo, dia tonòny amin’izany trano izany ny tsodranonareo.

20 Ary ao amin’izay trano rehetra idiranareo ka tsy mandray anareo, dia mialà faingana ianareo amin’izany trano izany ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho vavolombelona hiampanga azy ireo.

21 Ary hofenoina fifaliana sy haravoana ianareo; ary izao no fantaro fa amin’ny andro fitsarana, dia ho mpitsara izany trano izany ianareo ary hanameloka azy;

22 Ary holeferina kokoa ny amin’ny mpanompo sampy noho ny amin’izany trano izany amin’ny andro fitsarana; koa sikino ny valahanareo, ary aoka ho mahatoky dia handresy ny zava-drehetra ianareo ary hasandratra amin’ny andro farany. Izany tokoa. Amena.

23 Ary ankoatra izany, dia izao no lazain’ny Tompo aminareo, ô ianareo ry loholon’ny fiangonako, izay efa nanome ny anaranareo mba hahafantaranareo ny sitrapony momba anareo—

24 Indro, lazaiko aminareo fa adidin’ny fiangonana ny manampy amin’ny fiahiana, ary koa ny manohana ny fianakavian’ireo izay voantso ary tokony hirahina any amin’izao tontolo izao hanambara amin’izao tontolo izao ny filazantsara.

25 Koa, Izaho Tompo dia manome anareo ity didy ity mba hahazoanareo toerana ho an’ny fianakavianareo, raha toa ka vonona hanokatra ny fony ny rahalahinareo.

26 Ary aoka izay rehetra mety hahazo toerana ho an’ny fianakaviany sy fanampiana avy amin’ny fiangonana ho azy tsy hisoroka ny fandehanana any amin’izao tontolo izao, na ho any atsinanana, na ho any andrefana, na ho any avaratra na ho any atsimo.

27 Aoka izy ireo hangataka dia hahazo, handondona dia hovohana, ary hampahafantarina avy any ambony amin’ny alalan’ny Mpampionona izay halehan’izy ireo.

28 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny olona tsirairay izay voatery hamelona ny ankohonany dia aoka hamelona azy, dia tsy hamery ny satroboninahiny izy; ary aoka izy hifofotra ao amin’ny fiangonana.

29 Aoka ny olona tsirairay hazoto amin’ny zava-drehetra. Ary ny midonana-poana dia tsy hanana toerana ao amin’ny fiangonana, raha tsy mibebaka izy ary manova ny lalany.

30 Koa aoka i Simeon Carter mpanompoko sy i Emer Harris mpanompoko hitambatra amin’ny asa fanompoana;

31 Ary koa i Ezra Thayre mpanompoko sy i Thomas B. Marsh mpanompoko;

32 Ary koa i Hyrum Smith mpanompoko sy i Reynolds Cahoon mpanompoko;

33 Ary koa i Daniel Stanton mpanompoko sy i Seymour Brunson mpanompoko;

34 Ary koa i Sylvester Smith mpanompoko sy i Gideon Carter mpanompoko;

35 Ary koa i Ruggles Eames mpanompoko sy i Stephen Burnett mpanompoko;

36 Ary koa i Micah B. Welton mpanompoko sy i Eden Smith mpanompoko. Izany tokoa. Amena.