Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97


Fizarana 97

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 2 aogositra 1833. Miompana manokana amin’ny toe-draharahan’ny olomasina tao Ziona, Fivondronan’i Jackson, Missouri, ity fanambarana ity, ho valin’ny fanontanian’ny Mpaminany ny Tompo. Nianjadian’ny fanenjehana mavaivay ny mpikamban’ny Fiangonana tao Missouri tamin’izay fotoana izay ary noterena hanao sonia ny fanekena handao ny Fivondronan’i Jackson ny 23 jolay 1833.

1–2, Fitahiana ny ankamaroan’ny Olomasin’i Ziona (Fivondronan’i Jackson, Missouri) noho ny fahatokiany; 3–5, Fankasitrahana an’i Parley P. Pratt noho ny asany tao amin’ny sekolin’i Ziona; 6–9, Ireo izay mitandrina ny fanekempihavanany no eken’ny Tompo; 10–17, Haorina ao i Ziona ny trano izay hahitan’ny madio am-po an’ Andriamanitra; 18–21, Ireo izay madio am-po no Ziona; 22–28, Ho afa-mandositra ny famaizan’ny Tompo i Ziona raha mahatoky.

1 Lazaiko aminareo marina tokoa ry sakaizako, Izaho dia miteny aminareo amin’ny feoko, dia ny feon’ny Fanahiko, mba hahazoako maneho aminareo ny sitrapoko momba ireo rahalahinareo ao an-tanin’i Ziona, izay manetry tena marina tokoa ny ankamaroany ary mikatsaka fatratra tokoa ny hianatra fahendrena sy ny hahita ny fahamarinana.

2 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, sambatra ny toy ireo, fa ireo no hahazo; fa Izaho Tompo dia maneho famindram-po amin’ny malemy fanahy rehetra sy amin’ireo rehetra izay sitrako, mba ho azo hamarinina Aho rehefa hitondra azy ireo ho amin’ny fitsarana.

3 Indro, lazaiko aminareo, momba ny sekoly ao Ziona, Izaho Tompo dia mankasitraka ny hisian’ny sekoly ao Ziona sy ao amin’i Parley P. Pratt mpanompoko, satria mitoetra ao Amiko izy.

4 Ary raha manohy ny fitoerana ato Amiko izy, dia hanohy ny fiadidiana ny sekoly ao an-tanin’i Ziona izy ambara-panomezako azy didy hafa.

5 Ary Izaho hitahy azy amin’ny hamaroan’ny fitahiana, amin’ny famelabelarana ny soratra masina sy ireo mistery rehetra mba ho fampandrosoana ny sekoly sy ny fiangonana ao Ziona.

6 Ary Izaho Tompo dia vonona ny haneho famindram-po amin’ny ambiny amin’ny sekoly; kanefa dia misy ireo izay tsy maintsy ilaina faizina ary hampahafantarina ny asany.

7 Efa mipetraka eo am-pototry ny hazo ny famaky; ary ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Izaho Tompo no efa niteny izany.

8 Lazaiko aminareo marina tokoa, ireo eo anivon’izy ireo izay mahafantatra fa mahitsy ny fony sady torotoro, ary manenina ny fanahiny ary vonona ny hitandrina ny fanekempihavanany amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena—eny, ny fahafoizan-tena rehetra izay handidiako Izaho Tompo—ireo no ekeko.

9 Fa Izaho Tompo dia hampamoa azy ireo toy ny hazo tena mahavanom-boa izay ambolena eo amin’ny tany tsara akaikin’ny riana madio, ka mamokatra voa sarobidy betsaka.

10 Lazaiko aminareo marina tokoa fa sitrako ny hanorenana trano ho Ahy ao an-tanin’i Ziona, araka ny toromarika izay efa nomeko anareo.

11 Eny, aoka izany haorina faingana tokoa amin’ny alalan’ny fahafolonkaren’ny oloko.

12 Indro, izany no fahafolonkarena sy fahafoizan-tena izay takiako Izaho Tompo eo an-tanany, mba hisian’ny trano aorina ho Ahy, ho famonjena an’i Ziona—

13 Ho toeran’ny fanati-pisaorana ho an’ny olomasina rehetra, ary ho toeran’ny fianarana ho an’ireo rehetra izay nantsoina ho amin’ny asa fanompoana amin’ireo antso sy anjara fanompoana maro ananany;

14 Mba hahazoana manao azy ireo ho tanteraka amin’ny fahatakarana ny asa fanompoany, amin’ny foto-pisainana, amin’ny fitsipika ary amin’ny fotopampianarana, amin’ny zavatra rehetra mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany, dia fanjakana izay efa natolotra anareo ny fanalahidiny.

15 Ary raha toa ka manorina trano ho Ahy amin’ny anaran’ny Tompo ny oloko ary tsy mamela zavatra tsy madio hiditra izany mba tsy haloto izany, dia hitoetra amin’izany ny voninahitro;

16 Eny, hanatrika ao Aho satria hiditra ao Aho, ary ny madio am-po rehetra izay hiditra ao dia hahita an’ Andriamanitra.

17 Fa raha maloto izany, dia tsy hiditra ao Aho ary tsy ho ao ny voninahitro; fa tsy hiditra ao amin’ny tempoly tsy madio Aho.

18 Ary ankehitriny indro, raha manao ireo zavatra ireo i Ziona dia hiroborobo ka hanitatra ny tenany ary ho tonga tena be voninahitra, tena lehibe ary tena mahatahotra.

19 Ary ireo firenen’ny tany dia hankalaza azy ary hiteny hoe: Marina tokoa fa i Ziona no tananan’ Andriamanitsika, ary marina tokoa fa tsy afaka mirodana i Ziona sady tsy esorina hiala amin’ny toerany fa ao Andriamanitra ary ao ny tanan’ny Tompo;

20 Ary Izy dia efa nianiana tamin’ny herin’ny tanjany fa ho mpamonjy azy sy ho tilikambo avony.

21 Koa toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo, aoka hiravoravo i Ziona, fa i Ziona dia izao—ny madio am-po; koa aoka hiravoravo i Ziona raha mbola halahelo kosa ny olon-dratsy rehetra.

22 Fa indro, ka jereo, fa avy faingana tokoa toy ny tadio amin’ireo izay tsy an’ Andriamanitra ny famaliana, ka iza no ho afa-miala izany?

23 Ny antambon’ny Tompo dia hianjady na alina na andro, ary ny tatitra momba izany dia hampahory ny olon-drehetra; eny, ary tsy hatsahatra izany ambara-piavin’ny Tompo;

24 Fa mirehitra amin’ny fahavetavetany sy ny asa ratsiny rehetra ny fahaviniran’ny Tompo.

25 Kanefa dia ho afa-miala i Ziona raha mitandrina mba hanao ny zava-drehetra izay efa nandidiako azy.

26 Fa raha tsy mitandrina mba hanao ny zava-drehetra izay efa nandidiako azy izy, dia hamangy azy araka ny asany rehetra Aho, amin’ny fahoriana mangidy, amin’ny areti-mandripaka sy mandringana, amin’ny sabatra, amin’ny famaliana, amin’ny afo mandevona.

27 Kanefa dia aoka hovakiana indray mandeha eo an-tsofiny izao, fa Izaho Tompo dia efa nanaiky ny fanatiny; ary raha tsy manota intsony izy, dia tsy hisy amin’ireo zavatra ireo ho tonga aminy;

28 Ary Izaho hitahy azy amin’ireo fitahiana ary hampitombo ny hamaroan’ireo fitahiana aminy sy amin’ny taranany mandrakizay mandrakizay, hoy ny Tompo Andriamanitrareo. Amena.