Fanampiana amin’ny fandalinana
Sorona


Sorona

Tamin’ny andro fahiny, ny sorona dia midika ho fanamasinana ny zavatra iray na ny olona iray. Ankehitriny kosa izany dia lasa midika ho famoizana na fiaretana ny fahaverezan’ny zavatr’izao tontolo izao noho ny amin’ny Tompo sy ny fanjakany. Tokony ho vonona ny hanao sorona ny zava-drehetra ho an’ny Tompo ny mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo. Nampianarin’i Joseph Smith fa “ny fivavahana izay tsy mitaky sorona amin’ny zava-drehetra dia tsy manana na oviana na oviana hery ampy hamokatra ny finoana ilaina ho amin’ny fiainana sy ny famonjena.” Raha ny mandrakizay no jerena, ny fitahiana azo avy amin’ny sorona dia lehibe noho izay zavatra nafoy.

Nomen’ny Tompo ny lalàn’ny sorona i Adama sy i Eva taorian’ny nandroahana azy hiala ny Sahan’i Edena. Isan’io lalàna io ny fanaterana ny voalohan-teraky ny biby fiompiny. Izany sorona izany dia tandindon’ny sorona izay hataon’ny Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra (Mos. 5:4–8). Izany fanao izany dia nitohy hatramin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy izay namarana ny fanaovan-tsorona ny biby ho isan’ny ôrdônansin’ny filazantsara (Almà 34:13–14). Ao amin’ny Fiangonana ankehitriny, mandray amin’ny mofo sy ny rano ny mpikambana ho fahatsiarovana ny sorona nataon’i Jesoa Kristy. Ny mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy ankehitriny dia angatahina koa hanatitra ny fo torotoro sy ny fanahy manenina ho sorona (3 Ne. 9:19–22). Midika izany fa izy ireo dia manetry tena, mibebaka, ary vonona hankatò ny didin’ Andriamanitra.