Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Genesisy 15


DJS, Genesisy 15:9–12. Ampitahao amin’ny Genesisy 15:1–6

Nahafantatra ny amin’ny Fitsanganana amin’ny maty i Abrahama ary nahita fahitana mikasika ny asa fanompoana nataon’i Jesoa fony Izy niaina teto an-tany.

9 Ary hoy i Abrama: Tompo Andriamanitra ô, ahoana no hanomezanao ahy ity tany ity ho lova maharitra mandrakizay?

10 Ary hoy ny Tompo: Na dia efa maty aza ianao, moa tsy mbola ho haiko va ny hanome izany anao?

11 Ary raha maty aza ianao dia mbola hizaka izany ihany, fa avy ny andro izay hahaveloman’ny Zanak’Olona; nefa ahoana no hahavelona Azy raha tsy maty Izy? Tsy maintsy velomina Izy aloha.

12 Ary ny zava-nitranga dia nijery i Abrama, ary nahita ny andron’ny Zanak’Olona izy ka faly, dia nahita fitsaharana ny fanahiny ary nino ny Tompo izy; ary nisain’ny Tompo ho fahamarinana ho azy izany.