Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Genesisy 21


DJS, Genesisy 21:31–32. Ampitahao amin’ny Genesisy 21:32–34

Nitsaoka an’ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay i Abrahama.

31 Dia niainga i Abimeleka sy i Fikola, komandin’ny miaramilany, ary namboly ala kely tany Beri-seba, ary tao no niantsoany ny anaran’ny Tompo; ary niverina tany amin’ny tanin’ny Filistina izy ireo.

32 Dia nitsaoka an’ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay i Abrahama, ary nivahiny tany amin’ny tanin’ny Filistina nandritra ny andro maro.