Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Genesisy 19


DJS, Genesisy 19:9–15. Ampitahao amin’ny Genesisy 19: 8–10

Notoherin’i Lota ny faharatsian’i Sodoma ary narovan’ny anjely izy.

9 Ary hoy izy ireo taminy: Mialà eto ianao. Ary tezitra taminy izy ireo.

10 Ary nifampiresaka izy ireo hoe: Tonga hivahiny eto amintsika ity lehilahy ity ary te hanao ny tenany ho mpitsara izy ankehitriny; Ary ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminy noho ny amin’izy ireo isika.

11 Koa hoy izy ireo tamin-dralehilahy: Ho azonay ireo lehilahy ary ny zanakavavinao koa; ary hataonay amin’izy ireo izay heverinay ho tsara.

12 Ankehitriny izany, dia araka ny faharatsian’i Sodoma.

13 Ary hoy i Lota: Indro, ankehitriny dia manana zanakavavy roa aho, izay tsy mbola nahalala lahy; miangavy anareo aho, avelao aho hitalaho aminareo rahalahiko mba tsy hitondrako azy ireo hivoaka ho eo aminareo; ary tsy hanao amin’izy ireo araka izay heverinareo ho tsara eo imasonareo ianareo.

14 Fa tsy hanamarina ny mpanompony amin’izany zavatra izany Andriamanitra; koa avelao aho hitalaho aminareo rahalahiko izao indray mandeha izao ihany, mba tsy hanaovanareo na inona na inona amin’ireo lehilahy ireo, mba hananany fiadanana ao an-tranoko; fa noho izany antony izany no nahatongavany hialoka eto ambanin’ny tafon-tranoko.

15 Ary tezitra tamin’i Lota izy ireo ary nanatona mba hamaky ny varavarana, fa ireo anjelin’ Andriamanitra, izay lehilahy masina, dia naninjitra ny tanany ka nisintona an’i Lota hankao an-trano ho ao amin’izy ireo ary nandrindrina ny varavarana.