Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Genesisy 48


DJS, Genesisy 48:5–11. Ampitahao amin’ny Genesisy 48:5–6

Lasa fokon’i Isiraely i Efraima sy i Manase. Toy ny namonjen’i Josefa fahiny ny fianakaviany teo amin’ny ara-nofo no hamonjen’ny taranany an’i Isiraely eo amin’ny ara-panahy amin’ny andro farany.

5 Ary ankehitriny, ny amin’ny zanakao mirahalahy, i Efraima sy i Manase izay efa naterakao taty amin’ny tany Egypta, talohan’ny nankanesako teo aminao teto Egypta; indro, ahy ireo ary ny Andriamanitr’ireo raiko dia hitahy azy ireo; toa an-dRobena sy Simeona dia hotahina izy ireo, fa ahy ireo; koa ny anarany dia hatao araka ny anarako. (Koa natao hoe i Isiraely izy ireo).

6 Fa ny zanakao izay haterakao aorian’izy ireo kosa dia ho anao, ary ny anarany hatao araka ny anaran’ny rahalahiny, eo amin’ny lovany, ao amin’ny fokony; koa natao hoe ny fokon’i Manase sy ny an’i Efraima izy ireo.

7 Ary hoy i Jakoba tamin’i Josefa: Fony ny Andriamanitr’ireo raiko niseho tamiko tao Lozy, tao amin’ny tany Kanana, dia nianiana tamiko Izy fa hanome ahy sy ny taranako ny tany ho fananana maharitra mandrakizay.

8 Noho izany ry zanako ô, dia efa nitahy ahy Izy tamin’ny fananganana anao ho mpanompo ho ahy, tamin’ny famonjena ny tranoko tamin’ny fahafatesana;

9 Tamin’ny fanafahana ny vahoakako rahalahinao tamin’ny mosary izay nahatsiravina teo amin’ny tany; koa ny Andriamanitr’ireo rainao dia hitahy anao sy ny nateraky ny kibonao, ka hotahina mihoatra noho ny rahalahinao sy mihoatra noho ny ankohonan-drainao izy ireo;

10 Fa efa naharesy ianao ka ny ankohonan-drainao dia niankohoka eo anoloanao, dia toy izay efa nanehoana izany taminao talohan’ny nivarotan’ny tanan’ny rahalahinao anao tany Egypta; koa ny rahalahinao dia hiankohoka eo anoloanao hatramin’ny taranaka fara mandimby, amin’ny nateraky ny kibonao mandrakizay;

11 Fa ianao dia ho fahazavana ho an’ny vahoakako, ka hanafaka azy amin’ny andron’ny fahababoany, amin’ny famatorana; ary hitondra famonjena ho azy rehefa itambesaran’ny fahotana tanteraka izy.