Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Genesisy 50


DJS, Genesisy 50:24–38. Ampitahao amin’ny Genesisy 50:24–26; 2 Nefia 3:4–22

I Josefa tany Egypta dia naminany mikasika ny fanafahan’i Mosesy an’i Isiraely amin’ny fambaboan’ny Egyptiana; ny mikasika ny sampana iray amin’ny taranak’i Josefa notarihina hankany amin’ny tany lavitra iray izay hahatsiarovana azy ireo ao amin’ny fanekempihavanan’ny Tompo; ary mikasika ny fiantsoan’ Andriamanitra mpaminanin’ny andro farany iray antsoina hoe Joseph mba hampifandray ny rakitsoratr’i Joda sy ny an’i Josefa ary mikasika an’i Aharôna izay ho mpitondratenin’i Mosesy.

24 Ary hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: Ho faty aho ary handeha ho any amin’ireo raiko; ary hidina any am-pasako am-pifaliana aho. Ny Andriamanitr’i Jakoba raiko anie ho aminareo ka hanafaka anareo amin’ny fahoriana amin’ny andron’ny fanandevozana anareo; fa efa namangy ahy ny Tompo ary efa azoko ny fampanantenan’ny Tompo, fa avy amin’ny nateraky ny kiboko no hananganan’ny Tompo Andriamanitra sampana marina iray avy amin’ny kiboko; ary mpaminany iray kosa ho anareo izay efa nantsoin’i Jakoba raiko hoe Isiraely; (tsy ny Mesia izay atao hoe Silo); ary izany mpaminany izany no hanafaka ny vahoakako avy any Egypta amin’ny andron’ny famatorana anareo.

25 Ary ny zavatra hitranga dia haely indray izy ireo; ary ny sampana iray dia hotapahina hiala ka hoentina any an-tany lavitra; kanefa dia hotsarovana ao amin’ireo fanekempihavanan’ny Tompo izy ireo, rehefa avy ny Mesia; fa izy dia haseho azy ireo amin’ny andro farany ao amin’ny Fanahin’ny faherezana; ary hitondra azy ireo hiala ny haizina ho amin’ny hazavana; hiala ny haizina mikitroka ary hiala ny fahababoana ho amin’ny fahafahana.

26 Mpahita iray no hatsangan’ny Tompo Andriamanitro, izay ho mpahita nofinidy ho an’ny nateraky ny kiboko.

27 Toy izao no nolazain’ny Tompo Andriamanitr’ireo raiko tamiko: Mpahita nofinidy iray no hatsangako avy amin’ny naloaky ny kibonao, ary hohajaina fatratra tokoa izy eo anivon’ireo nateraky ny kibonao; ary izy no homeko didy hanaovany asa iray ho an’ny nateraky ny kibonao, izay rahalahiny.

28 Ary hitondra azy ireo ho amin’ny fahalalana ny fanekempihavanana izay efa nataoko tamin’ireo rainao izy; ary hanao izay asa rehetra handidiako azy izy.

29 Ary Izaho hahatonga azy ho lehibe eo imasoko, satria hanao ny asako izy; ary izy ho lehibe tahaka ilay efa nolazaiko fa hatsangako ho anareo, mba hanafaka ny vahoakako hiala ny tany Egypta, Ry mpianakavin’i Isiraely ô; fa mpahita iray no hatsangako mba hanafaka ny vahoakako hiala ny tany Egypta; ary hatao hoe Mosesy izy. Ary amin’izany anarana izany no hahafantarany fa anisan’ny ankohonanao izy; fa hotaizain’ny zanakavavin’ny mpanjaka izy ary hatao hoe zanakalahiny.

30 Ary ankoatra izany dia mpahita iray no hatsangako avy amin’ny nateraky ny kibonao, ary izy no homeko fahefana hitondra ny teniko ho an’ny taranaky ny kibonao; ary tsy hitondra ny teniko fotsiny, hoy ny Tompo, fa ny handresy lahatra azy ireo ny amin’ny teniko izay efa handeha sahady eo anivony amin’ny andro farany;

31 Koa hanoratra ny nateraky ny kibonao ary hanoratra ny nateraky ny kibon’i Joda; ary izay hosoratan’ny nateraky ny kibonao, ary koa izay hosoratan’ny naloaky ny kibon’i Joda, dia hitambatra hanaporofoana ny maha-diso ny fotopampianarana sandoka sy hampitsaharana ny fifandirana, ary hampiorenana fandriampahalemana eo anivon’ny naloaky ny kibonao ka hitondrana azy ireo ho amin’ny fahalalana ireo rainy amin’ny andro farany; ary koa ho amin’ny fahalalana ireo fanekempihavanako, hoy ny Tompo.

32 Ary ao amin’ny fahalemeny no hanatanjahana azy amin’ny andro izay hivoahan’ny asako eo anivon’ny oloko rehetra, izay hampody azy ireo indray, izy ireo izay avy amin’ny tranon’i Isiraely, amin’ny andro farany.

33 Ary izany mpahita izany dia hotahiako, ary ireo izay mikatsaka ny handringana azy dia hampangaihaizina; fa izao fampanantenana izao no omeko anareo; fa Izaho hahatsiaro anareo hatrany amin’ireo fara mandimby; ary ny anarany dia hatao hoe Joseph, ary izany dia ho araka ny anaran-drainy; ary hanahaka anao izy; satria ny zavatra izay havoakan’ny Tompo amin’ny tanany dia hitondra ny oloko ho amin’ny famonjena.

34 Ary ny Tompo nianiana tamin’i Josefa fa hitsimbina mandrakizay ny taranany, nanao hoe: Izaho dia hanangana an’i Mosesy, ary tehina no ho eo an-tanany, ary hanangona ny vahoakako izy ary hitarika azy toy ny andian’ondry sy hikapoka ny ranon’ny Ranomasina Mena amin’ny tehiny.

35 Ary hahay mandanjalanja izy ka hanoratra ny tenin’ny Tompo. Ary tsy hiteny teny maro izy fa Izaho no hanoratra ho azy ny lalàko amin’ny alalan’ny rantsantanako. Ary hanao mpitondrateny ho azy Aho, ary ny anarany dia hatao hoe Aharôna.

36 Ary izany dia hotanterahina aminareo amin’ny andro farany koa, toy izay efa nianianako. Koa hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny: Hamangy anareo marina tokoa Andriamanitra ka hitondra anareo hivoaka ity tany ity, hankamin’ny tany izay nianianany tamin’i Abrahama sy tamin’i Isaka ary tamin’i Jakoba.

37 Ary nohamafisin’i Josefa tamin’ireo rahalahiny ny zavatra hafa maro, ary nampianianiny ny zanak’i Isiraely, ka nilaza taminy izy hoe: hamangy anareo marina tokoa Andriamanitra ary hoentinareo hiala eto ny taolako.

38 Dia maty i Josefa rehefa folo amby zato taona; ary nohosorany zavamanitra izy ka napetrany tao anaty vata tany Egypta; ary tsy nalevin’ny zanak’i Isiraely izy mba hahazoana mitondra azy miaraka amin-drainy ary mametraka azy anaty fasana. Dia toy izany no nitadidiany ny fianianana izay nataony taminy.