Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 13


DJS, Matio 13:39–44. Ampitahao amin’ny Matio 13:39–42; jereo koa ny F&F 86:1–7

Mialoha ny fahataperan’izao tontolo izao (ny faharinganan’ny ratsy fanahy), dia hangonin’ireo iraka avy any an-danitra ny olo-marina eo anivon’ny ratsy fanahy.

39 Ny fararano no fahataperan’izao tontolo izao, na ny faharinganan’ny ratsy fanahy.

40 Ny mpijinja dia ireo anjely na ireo iraka avy any an-danitra.

41 Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ny afo, dia toa izany no hatao amin’ny fahataperan’izao tontolo izao, na ny faharinganan’ny ratsy fanahy.

42 Fa amin’izany andro izany, mialoha ny hahatongavan’ny Zanak’olona dia haniraka ny anjeliny sy ny irany avy any an-danitra Izy.

43 Ary ireny dia hanangona ka hamoaka avy ao amin’ny fanjakany ny zavatra manafintohina rehetra mbamin’izay manao heloka, dia hanipy azy ireo ho eo anivon’ny ratsy fanahy; ary any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.

44 Fa hodorana amin’ny afo izao tontolo izao.