Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 26


DJS, Matio 26:22, 24–25. Ampitahao amin’ny Matio 26: 26–28; DJS, Marka 14:20–25

Namaky ny mofon’ny fanasan’ny Tompo aloha i Jesoa ary avy eo nanamasina izany. Ny fanasan’ny Tompo dia natao ho fahatsiarovana ny vatan’i Jesoa sy ny rany.

22 Ary raha mbola nihinana izy ireo, dia nandray mofo i Jesoa ary namaky izany sy nitsodrano izany ary nanolotra ny mpianany sady nanao hoe: Raiso, hano; izao dia ho fahatsiarovana ny vatako izay omeko ho onitra ho anareo.

24 Fa izao dia ho fahatsiarovana ny rako, dia ny amin’ny fanekempihavanana vaovao, izay alatsaka ho an’izay rehetra hino ny anarako, ho famelana ny fahotany.

25 Ary omeko anareo ny didy mba hoezahanareo ny hanao ny zavatra izay efa hitanareo fa ataoko sy ny ho vavolombelona hanambara Ahy hatramin’ny farany.