Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 16


DJS, Matio 16:25–29. Ampitahao amin’ny Matio 16:24–26

Nohazavain’i Jesoa ny hevitry ny hoe “mitondra ny hazofijaliany”: mandà ny toetra rehetra tsy araka an’ Andriamanitra sy ny filandratsin’izao tontolo izao ary mitandrina ny didiny.

25 Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: Raha misy olona ta hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.

26 Ary ankehitriny ho an’ny olona, ny mitondra ny hazofijaliany dia ny mandà amin’ny tenany ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra mbamin’ny filandratsin’izao tontolo izao rehetra ary ny mitandrina ny didiko.

27 Aza dikaina ny didiko mba hamonjena ny ainareo; fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy eto amin’ity izao tontolo izao ity dia hahavery izany any amin’ny tontolo ho avy.

28 Ary na iza na iza no hamoy ny ainy eto amin’ity izao tontolo izao ity noho ny amiko, dia hahita izany any amin’ny tontolo ho avy.

29 Noho izany afoizo izao tontolo izao, ary vonjeo ny fanahinareo; fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny fanahiny? Na inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?