Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 3


DJS, Matio 3:4–6. Ampitahao amin’ny Matio 2:4–6

Nambaran’ireo mpaminany mialoha fa i Betlehema no ho toerana hahaterahan’ny Mesia.

4 Ary rehefa namory ny lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna rehetra tamin’ny vahoaka izy, dia nanontany azy ireo hoe: Aiza ny toerana nosoratan’ireo mpaminany fa hahaterahan’i Kristy? Fa natahotra mafy izy nefa tsy nino an’ireo mpaminany.

5 Ary hoy izy ireo taminy: Voasoratry ny mpaminany fa ho teraka ao Betleheman’i Jodia izy, ka toy izao no nolazain’izy ireo:

6 Tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe: Ary ianao ry Betlehema izay ao anatin’ny tanin’i Joda, ao aminao no hahaterahan’ny printsy iray, izay tsy ny kely indrindra amin’ireo printsin’i Joda tsy akory fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mesia izay hamonjy ny Isiraely oloko.

DJS, Matio 3:24–26. Ampitahao amin’ny Matio 2:23

Nihanitombo i Jesoa ary niandry ny Tompo talohan’ny nanombohany ny asa fanompoany.

24 Ary ny zava-nitranga dia niara-nitombo tamin’ireo rahalahiny i Jesoa ka nihanatanjaka ary niandry tamin’ny Tompo ny amin’ny fotoana hiavian’ny asa fanompoany.

25 Dia nanompo teo ambany fahefan’ny Rainy Izy ka tsy mba niteny toy ireo olona hafa sady tsy hay nampianarina; fa tsy nila olona nampianatra Azy Izy.

26 Ary rehefa afaka taona maro dia nanakaiky ny oran’ny asa fanompoany.

DJS, Matio 3:34–36. Ampitahao amin’ny Matio 3:8–9

Ireo izay nandà ny hafatr’i Jaona Mpanao Batisa dia nandà an’i Kristy. Azon’ Andriamanitra atao ho olon’ny fanekempihavanana ny ao amin’ireo olona izay tsy taranak’i Isiraely.

34 Nahoana no tsy raisinareo ny teny torin’ilay nirahin’ Andriamanitra? Raha tsy mandray izany ao am-ponareo ianareo dia tsy mandray ahy; ary raha tsy mandray ahy ianareo dia tsy mandray an’Ilay izay ny hijoro ho vavolombelona ny Aminy no nanirahana ahy; ary raha ny amin’ny fahotanareo dia tsy manana hanaronana izany ianareo.

35 Mibebaha noho izany, ary mamoaza voa miendrika ny fibebahana;

36 Ary aza manao anakampo hoe: Zanak’i Abrahama izahay ary izahay ihany no manana hery hitondrana taranaka ao amin’i Abrahama rainay; fa lazaiko aminareo fa hain’ Andriamanitra avy amin’ireto vato ireto ny manangana zanaka ho an’i Abrahama.

DJS, Matio 3:38–40. Ampitahao amin’ny Matio 3:11–12

Nijoro ho vavolombelona i Jaona Mpanao Batisa fa manana ny hery hanaovana batisa amin’ny Fanahy Masina sy ny afo i Jesoa.

38 Manao batisa anareo amin’ny rano tokoa aho, noho ny fibebahanareo; ary rehefa tonga ilay ijoroako ho vavolombelona izay mahery kokoa noho izaho, ary tsy mendrika ny hitondra ny kapany aho, (na tsy afaka ny haka ny toerany,) araka ny nolazaiko, manao batisa anareo tokoa aho mialoha ny hahatongavany, ka rehefa tonga izy dia afaka manao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo.

39 Ary izy ilay hijoroako ho vavolombelona, ka ho eny an-tanany ny fikopakopahany, ary hanadio tsara ny eo am-pamoloany izy ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; saingy ao amin’ny fahafenoan’ny fotoany dia hodorana amin’ny afo tsy mety maty ny akofa.

40 Dia tonga nitory sy nanao batisa teo amin’ny renirano Jordana i Jaona ka nijoro ho vavolombelona fa ilay ho avy ao aoriany dia manana ny fahefana hanaovana batisa amin’ny Fanahy Masina sy ny afo.

DJS, Matio 3:43–46. Ampitahao amin’ny Matio 3:15–17

Nataon’i Jaona batisa tamin’ny alalan’ny batisa asitrika i Jesoa. Nahita ny Fanahy Masina nidina tahaka ny voromahailala izy ary naheno ny feon’ny Ray.

43 Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: Aoka Aho hataonao batisa, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Dia navelany Izy.

44 Dia nandeha nidina teo amin’ny rano i Jaona ary nanao batisa Azy.

45 Ary i Jesoa nony efa vita batisa, dia niakatra avy hatrany avy teo amin’ny rano; dia nahita i Jaona ary indro, nisokatra taminy ny lanitra ka hitany ny Fanahin’ Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala ary nipetraka teo amin’i Jesoa.

46 Ary indro, reny ny feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako izay ao Aminy no tena sitrako. Henoinareo Izy.