Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Salamo 11


DJS, Salamo 11:1–5. Ampitahao amin’ny Salamo 11:1–5

Amin’ny andro farany dia handositra any an-tendrombohitry ny Tompo ny olo-marina. Rehefa tonga ny Tompo dia handringana ny ratsy fanahy izy ary hanavotra ny olo-marina.

1 Amin’izany andro izany dia ho tonga Hianao Tompo ô, ary hametraka ny fitokiako eo Aminao aho. Hiteny amin’ny olonao Hianao hoe: Fa efa henoko ny feonareo. Hiteny amin’ny olona tsirairay Hianao hoe: Mandosira any an-tendrombohitro; dia handositra ny olo-marina, tahaka ny vorona izay afaka tamin’ny fandriky ny mpihaza.

2 Fa ny ratsy fanahy manenjana ny tsipikany. Indro, efa manamboatra ny zana-tsipikany eo amin’ny kofehy izy ireo mba hahafahany mitifitra mangina ny mahitsy fo handravana ny fototra iorenany.

3 Saingy horavana ny fototra iorenan’ny olon-dratsy, ka inona no azon’izy ireo atao eo?

4 Fa rehefa ho tonga ao amin’ny tempoliny masina ka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra any an-danitra ny Tompo, dia hanatrobaka ny olon-dratsy ny masony.

5 Indro ny hodi-masony dia hizaha toetra ny zanak’olombelona, dia hanavotra ny olo-marina Izy ary hozahana toetra izy ireo. Tia ny olo-marina ny Tompo, fa ny ratsy fanahy sy ny tia herisetra dia halan’ny fanahiny.