Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Salamo 14


DJS, Salamo 14:1–7. Ampitahao amin’ny Salamo 14:1–7

Nahita ny fahaverezan’ny fahamarinana amin’ny andro farany ny Mpanao Salamo ary niandrandra ny fiorenan’i Ziona.

1 Ny adala efa niteny anakampo hoe: Tsy nisy olona nahita an’ Andriamanitra. Noho Izy tsy maneho ny tenany amintsika, dia tsy misy Andriamanitra. Indro, efa lo izy ireo; efa nanao asa vetaveta izy, ary tsy misy aminy izay mba manao ny tsara.

2 Fa avy eny an-danitra ny Tompo no niondrika hijery ny zanak’olombelona ary tamin’ny feony no nitenenany tamin’ny mpanompony hoe: Mitadiava ianareo eny anivon’ny zanak’olombelona mba hahita raha misy olona mahazo an’ Andriamanitra. Dia niloa-bava tamin’ny Tompo izy ary nanao hoe: Jereo, ireto rehetra izay milaza tena fa Anao.

3 Namaly ny Tompo ary nanao hoe: Efa naniasia avokoa izy, efa tonga vetaveta izy rehetra, tsy mety hahita anankiray aminy izay manao ny tsara ianao, tsia, na dia iray aza.

4 Izay rehetra ananany ho mpampianatra azy dia mpanao heloka, ary tsy misy fahalalana ao aminy. Izy ireo no ireo izay mitsentsitra ny vahoakako. Mihinana mofo izy ireo ary tsy miantso ny Tompo.

5 Ao amin’ny tahotra lehibe izy ireo satria Andriamanitra dia mitoetra eo amin’ny taranaky ny marina. Mpanoro hevitra ny mahantra Izy, satria menatra ireo olon-dratsy ireny ka mandositra any amin’ny Tompo ho fialofany.

6 Menatra ny torohevitry ny mahantra izy ireo satria ny Tompo no fialofany.

7 Ô inay i Ziona naorina avy any an-danitra, ny famonjena an’i Isiraely. Tompo ô, rahoviana no haorinao i Ziona? Rehefa mampody ny olony avy amin’ny fahababoana ny Tompo dia hiravoravo i Jakoba ary ho faly i Isiraely.