Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Salamo 24


DJS, Salamo 24:7–10. Ampitahao amin’ny Salamo 24:7–10

Hanavotra ny olony ny Mpanjakan’ny Voninahitra amin’ny fiaviany.

7 Asandrato ny lohanareo, ô ianareo ry taranak’i Jakoba; dia miandrandrà ianareo; ary ny Tompo matanjaka sy mahery; ny Tompo mahery amin’ny ady, izay mpanjakan’ny voninahitra, dia hanorina anareo mandrakizay.

8 Ary hangorona ny lanitra Izy; dia hidina hanavotra ny olony; hanao anareo ho anarana maharitra mandrakizay; hanorina anareo eo amin’ny vatolampiny maharitra mandrakizay.

9 Asandrato ny lohanareo, ô ianareo ry taranak’i Jakoba; asandrato ny lohanareo, ianareo taranaka maharitra mandrakizay, ary ny Tompon’maro, ny mpanjakan’ny mpanjaka,

10 Ny mpanjakan’ny voninahitra mihitsy no ho avy eo aminareo; ka hanavotra ny olony ary hanorina azy amin’ny fahamarinana. Sela.