Ny soratra masina
Mosesy 2


Toko 2

(Jona–Ôktôbra 1830)

Nahary ireo lanitra sy ny tany Andriamanitra—Voary ireo endriky ny mananaina rehetra—Nanao ny olona Andriamanitra ary nomeny azy ny fanapahana amin’ny zavatra hafa rehetra.

1 Ary ny zava-nitranga dia niteny tamin’i Mosesy ny Tompo, nanao hoe: Indro, aambarako anao ny momba ity blanitra ity sy ity dtany ity; soraty ny teny izay hoteneniko. Izaho no Fiandohana sy Fiafarana, Andriamanitra eTsitoha; tamin’ny alalan’ny fLahitokako no gnohariako ireo zavatra ireo; eny, tany am-piandohana no nohariako ny lanitra sy ny tany izay ijoroanao eo amboniny.

2 Ary ny atany dia tsy nisy endrika sady foana; ary nahatonga haizina teo ambonin’ny lalina Aho; ary nandeha tambonin’ny rano ny Fanahiko; fa Izaho no Andriamanitra.

3 Ary Izaho Andriamanitra dia niteny hoe: Aoka hisy amazava; dia nisy mazava.

4 Ary Izaho Andriamanitra dia nahita ny mazava; ary atsara ny mazava. Ary izaho Andriamanitra dia nampisaraka ny mazava tamin’ny maizina.

5 Ary Izaho Andriamanitra dia nanao ny mazava hoe Andro; ary ny haizina dia nataoko hoe Alina; ary izany dia nataoko tamin’ny atenin’ny heriko, ary izany dia to araka izay bnoteneniko; ary ny hariva sy ny maraina no dandro voalohany.

6 Ary Izaho Andriamanitra dia niteny indray hoe: Aoka hisy ahabakabaka eo afovoan’ny rano, dia nisy izany, araka izay noteneniko; ary hoy Aho: Aoka izany hampisaraka ny rano amin’ny rano; dia to izany;

7 Ary Izaho Andriamanitra dia nanao ny habakabaka sy nampisaraka ny arano, eny, ny rano lehibe ambanin’ny habakabaka amin’ny rano izay ambonin’ny habakabaka, ary izany dia to araka izay noteneniko.

8 Ary Izaho Andriamanitra dia nanao ny habakabaka hoe aLanitra; ary ny hariva sy ny maraina no andro faharoa.

9 Ary Izaho Andriamanitra dia niteny hoe: Aoka ny rano ambanin’ny lanitra hiara-hangonina amin’ny atoerana iray, dia to izany; ary Izaho Andriamanitra dia niteny hoe: Aoka hisy tany maina; dia nisy izany.

10 Ary Izaho Andriamanitra dia nanao ny tany maina hoe aTany; ary ny fiangonan’ny rano dia nataoko hoe Ranomasina; ary Izaho Andriamanitra dia nahita fa tsara ny zavatra rehetra izay efa nataoko.

11 Ary Izaho Andriamanitra dia niteny hoe: Aoka ny tany haniry aahitra, anana mamoa, hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ary ny hazo izay mamoa, izay manana voa ao aminy, ety ambonin’ny tany, dia to araka izay noteneniko izany.

12 Ary ny tany dia naniry ahitra sy anana mamoa, samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy; ary Izaho Andriamanitra dia nahita fa tsara ny zavatra rehetra izay efa nataoko;

13 Ary ny hariva sy ny maraina no andro fahatelo.

14 Ary Izaho Andriamanitra dia niteny hoe: Aoka hisy fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro amin’ny alina, ary aoka izany ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona;

15 Ary aoka hisy fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hanazava ny eny ambonin’ny tany; dia nisy izany.

16 Ary Izaho Andriamanitra dia nanao fanazavana roa lehibe; ny afanazavana lehibe hanapaka ny andro ary ny fanazavana kely hanapaka ny alina, ary ny fanazavana lehibe dia ny masoandro, ary ny fanazavana kely dia ny volana; ary ny kintana koa dia natao araka ny teniko.

17 Ary Izaho Andriamanitra no nametraka ireny teny amin’ny habakabaky ny lanitra hanazava ny eny ambonin’ny tany,

18 Ary ny masoandro hanapaka amin’ny andro, ary ny volana hanapaka amin’ny alina ka hampisaraka ny hazavana amin’ny haizina; ary Izaho Andriamanitra dia nahita fa tsara ny zavatra rehetra izay efa nataoko;

19 Ary ny hariva sy ny maraina no andro fahefatra.

20 Ary Izaho Andriamanitra dia niteny hoe: Aoka ny rano ho be zava-mihetsika izay manana aina sy vorona izay afaka manidina eny amin’ny halalaky ny habakabaky ny lanitra.

21 Ary Izaho Andriamanitra dia nahary ireo atrozona lehibe sy zava-mananaina rehetra izay mihetsika, izay efa betsaka ao amin’ny rano, samy araka ny karazany avy, ary voromanidina samy araka ny karazany avy; ary Izaho Andriamanitra dia nahita fa tsara ny zavatra rehetra izay efa nohariako.

22 Ary Izaho Andriamanitra dia nitso-drano azy ireo, nanao hoe: Maroa fara sy amihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin’ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin’ny tany;

23 Ary ny hariva sy ny maraina no andro fahadimy.

24 Ary Izaho Andriamanitra dia niteny hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-mananaina, samy araka ny karazany avy, biby fiompy sy mandady ary bibidia eo amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, dia nisy izany;

25 Ary Izaho Andriamanitra dia nanao ireo bibidia eo amin’ny tany, samy araka ny karazany avy sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady amin’ny tany, samy araka ny karazany avy; Ary Izaho Andriamanitra dia nahita fa ireo zavatra rehetra ireo dia tsara.

26 Ary Izaho Andriamanitra dia niteny tamin’ny aLahitokako, izay niaraka Tamiko hatrany am-piandohana, hoe: Andeha isika bhamorona olona araka ny dendritsika, araka ny tarehintsika; dia to izany. Ary Izaho Andriamanitra dia niteny hoe: Aoka izy ehanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy amin’ny voron’ny habakabaka, ary amin’ny biby fiompy sy amin’ny tany manontolo, ary amin’ny biby mandady rehetra izay mandady amin’ny tany.

27 Ary Izaho aAndriamanitra dia nahary ny olona araka ny endriko, araka ny endriky ny Lahitokako no nahariako azy; lahy sy vavy no nahariako azy.

28 Ary Izaho Andriamanitra dia nitso-drano azy ireo sy niteny taminy hoe: Maroa fara sy amihabetsaha, ary mamenoa ny tany ka mampanompoa azy, ary manjakà amin’ny hazandrano amin’ny ranomasina sy amin’ny voron’ny habakabaka ary amin’ny biby rehetra izay mihetsika ambonin’ny tany.

29 Ary Izaho Andriamanitra dia niteny tamin-dralehilahy hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra, izay ambonin’ny tany rehetra, ary ny hazo rehetra izay hisy voa sady hanintsam-boa; ho afihinananareo ireny.

30 Ary ho an’ny bibidia amin’ny tany sy ho an’ny voron’ny habakabaka ary ho an’ny biby rehetra mandady amin’ny tany, izay omeko aina, dia homena ho fihinany ny ahi-maitso sahaza; dia to araka izay noteneniko izany.

31 Ary Izaho Andriamanitra dia nahita ny zavatra rehetra izay efa nataoko, ary indro, ny zavatra rehetra izay efa nataoko dia atsara; ary ny hariva sy ny maraina no bandro fahenina.