Ny soratra masina
Hevitra amin’ny fampiasana ny application Bibliothèque de l’Évangile


“Hevitra amin’ny fampiasana ny application Bibliothèque de l’Évangile,” Hevitra handalinana soratra masina (2021)

“Hevitra amin’ny fampiasana ny application Bibliothèque de l’Évangile,” Hevitra handalinana soratra masina

Sary
vehivavy sy zaza mijery tablette

Hevitra amin’ny fampiasana ny application Bibliothèque de l’Évangile

Mihaino

Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra handalinana ny soratra masina dia ny fihainoana ireo raki-peo. Azonao atao ao an-tokantranonareo izany, na koa eny rehetra eny. Azonao atao koa ny mihaino izany amin’ny hafainganam-pandeha samihafa sy amin’ny fiteny isan-karazany.

Mandalina araka ny lohahevitra

Afaka mahita soratra masina momba ny lohahevitra iray voafaritra ianao amin’ny alalan’ny fampiasana ilay fanaovana fikarohana ary koa amin’ny fandinihina ireo voka-pikarohana mifandray amin’izany. Azonao atao koa ny mampiasa lahatsoratra Sujets de l’évangile izay manome soratra masina fototra ho an’ny lohahevitra iray voafaritra.

Mandrindra araka ny lohahevitra

Azonao atao ny mandrindra ireo votoatiny araka ny lohahevitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny “Vignettes” sy ny “Carnet de notes.” Ireo lohahevitra ireo dia tena ilaina rehefa manomana lahateny na lesona ianao.

Mandoko

Azonao atao ny mandoko na manisy marika ny soratra masinao, amin’ny fisafidianana andian-teny iray ary avy eo misafidy ny endrika tianao omena izany. Ny endrik’izany dia azo atao sady amin’ny loko samihafa no azo atao hoe tsipihana na lokoina.

Mamorona rohy

Afaka mamorona rohy ianao mampifandray ireo soratra masina sy ireo hafatra avy amin’ny fihaonambe maneran-tany, sy votoatin-javatra hafa. Izany dia afaka manampy anao hitadidy sy hiverina haingana amin’ireo fifandraisana izay noforoninao.

Mijery ny dikan’ny teny iray

Azonao atao mora foana ny mitady ny dikan’ny teny iray ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny fisafidianana ilay teny sy ny fanindriana ilay bokotra hoe “Définir”.

Mampiasa signets (fanamariham-pejy) sy écrans (efijery)

Azonao atao ny miverina haingana amin’ny votoatin-javatra nosafidiana amin’ny alalan’ny fampiasana fanamariham-pejy (signets) mba hanarahana ireo zavatra novakinao sy ireo efijery sasantsasany. Ny fampiasana ireo fanamariham-pejy dia afaka mamela anao hihazona toko sy votoatin-javatra hafa hiara-hisokatra.

Mametraka fandaharam-potoana

Afaka mamorona drafitra hanaovana fandalinana ianao izay hanampy anao hanaraka ny fivoaranao amin’ny fandalinana ny soratra masina. Azonao atao ihany koa ny mametraka fampahatsiahivana hanampiana anao amin’ny fahatratrarana ireo tanjonao amin’ny fandalinana. Ny fandaharam-potoana dia afaka manampy anao hanaraka ny fandaharam-potoan’ny Avia, hanaraka Ahy na hamaky manokana ny Bokin’i Môrmôna.