Ny soratra masina
Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina


“Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina,” Hevitra handalinana ny soratra masina (2021)

“Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina,” Hevitra handalinana ny soratra masina

Sary
fianakaviana mandalina ny soratra masina

Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina

Ny fandalinan’ny mpianakavy tsy tapaka ny soratra masina dia fomba iray mahery vaika hanampiana ny fianakavianao hianatra ny filazantsara. Ny habetsaky ny zavatra vakinareo sy ny faharetan’ny fandalinana ataonareo mianakavy dia tsy dia manan-danja noho ny ezaka tsy tapaka ataonareo amin’izany. Rehefa ataonao ho zavatra manan-danja eo amin’ny fiainam-pianakavianao ny fandalinana soratra masina dia hanampy ny olona ao amin’ny fianakavianao ianao hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy sy hanorina ny fijoroana ho vavolombelona ananany eo ambonin’ny fototry ny fampianarany sy ny fotopampianarany.

Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba ahafahanao mamporisika ireo olona ao amin’ny fianakavianao handalina samirery ny soratra masina?

  • Inona no azonao atao mba hamporisihana ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara ny zavatra izay ianarany?

  • Ahoana no ahafahanao mampisongadina ireo fitsipika ianaranao ao amin’ny soratra masina mandritra ireo fotoana hampianaranao andavan’andro?

Tadidio fa ny tokantrano no toerana tsara indrindra hianarana sy ampianarana ny filazantsara. Afaka mianatra sy mampianatra ny filazantsara amin’ny fomba izay tsy ho azo tanterahina any amin’ny kilasy any am-piangonana ianao ao an-tokantrano. Mahaiza mamorona rehefa mieritreritra fomba hanampiana ny fianakavianao hianatra avy amin’ny soratra masina. Hevero ny hampiasana ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto hanatsarana ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina:

Mampiasa hira

Mihirà hira izay manamafy ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny soratra masina.

Sary
lehilahy sy ankizy vavy iray mandalina soratra masina

Mizara soratra masina manan-danja

Omeo fotoana hizarana andinin-tsoratra masina izay hitany fa manan-danja nandritra ny fandalinany manokana ireo olona ao amin’ny fianakaviana.

Mampiasa ny teninao manokana

Asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hamintina amin’ny tenin’izy ireo manokana ny zavatra ianarany avy amin’ny soratra masina izay halalininareo.

Mampihatra ny soratra masina amin’ny fiainanareo

Rehefa avy mamaky andinin-tsoratra masina dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hizara ireo fomba iharan’ilay andinin-tsoratra masina amin’ny fiainany.

Mametraka fanontaniana

Asao ny fianakavianao hametraka fanontaniana momba ny filazantsara ary avy eo hanokana fotoana hitadiavana ireo andininy izay afaka manampy amin’ny famaliana ilay fanontaniana.

Maneho soratra masina

Misafidiana andininy iray izay hitanao fa manan-danja ary arantio amin’ny toerana ahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana mahita azy matetika izany. Asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana hifandimby hisafidy soratra masina iray haranty.

Manao lisitry ny soratra masina

Miaraha ianareo mianakavy misafidy andinin-tsoratra masina maromaro izay tianareo horesahina mandritra ny herinandro ho avy.

Manao tsianjery soratra masina

Misafidiana soratra masina iray izay manan-danja amin’ny fianakavianao, dia asao ny olona ao amin’ny fianakavianao hanao tsianjery izany amin’ny alalan’ny famerenana izany isan’andro na ny fanaovana kilalao fitadidiana.

Mizara lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana

Mitadiava zavatra izay mifandray amin’ireo toko sy andininy izay iarahanareo mianakavy mamaky. Asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hiresaka momba ny fomba ifandraisan’ny zavatra tsirairay amin’ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina.

Sary
vehivavy mampianatra ankizy

Misafidy lohahevitra

Avelao ny olona ao amin’ny fianakavianao hifandimby hisafidy lohahevitra izay hiarahan’ny fianakaviana mandalina. Ampiasao ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) hitadiavana andinin-tsoratra masina momba ilay lohahevitra.

Manao sary

Mamakia andinin-tsoratra masina vitsivitsy miaraka amin’ny fianakaviana ary avy eo dia omeo fotoana ny olona ao amin’ny fianakaviana hanao sarin-javatra izay mifandray amin’ny zavatra izay novakinareo. Manokàna fotoana hiresahana ny sary nataon’ny tsirairay.

Milalao an-tsehatra tantara iray

Rehefa avy mamaky tantara iray dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hilalao izany an-tsehatra. Aorian’izany dia mifanakaloza hevitra momba ny fomba ifandraisan’ilay tantara amin’ireo zavatra iainan’ny tsirairay sy izay iainan’ny fianakaviana.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny vavaky ny mpianakavy tsirairay, ny fotoam-pandalinana ny soratra masina tsirairay ataon’ny fianakaviana ary ny takarivan’ny mpianakavy tsirairay dia diam-borosy indray mandehan’ilay sary hosodokon’ny fanahintsika. Tsy misy na dia zava-mitranga iray aza mety ho tena hanaitra na tsy hay hadinoina. Saingy rehefa mifameno ireo diam-borosy indray mandehan’ilay borosindoko miloko mavo sy volom-bolamena ary volontany ireo dia mamokatra asa tanana mahatalanjona, ary toy izany koa ny vokatry ny fanaovantsika tsy tapaka ireo zavatra izay toa kely nefa mitondra vokatra manan-danja ara-panahy” (“Hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano,” Liahona, nôv. 2009, 19–20).