Ny soratra masina
Nahoana no tokony handalina ny soratra masina?


“Nahoana no tokony handalina ny soratra masina?” Hevitra handalinana soratra masina (2021)

“Nahoana no tokony handalina ny soratra masina?” Hevitra handalinana soratra masina

Sary
Nampianatra momba ny fanasan’ny Tompo teo anivon’ireo Nefita i Kristy, nataon’i Andrew Bosley

Nahoana no tokony handalina ny soratra masina?

Rehefa mandalina amim-pahazotoana ny soratra masina isika dia manatona kokoa an’i Jesoa Kristy ary lasa mahatakatra tsara kokoa ny filazantsarany sy ny Sorompanavotany. Nampahery antsika tamin’izao fomba izao ny mpaminany Nefia:

“Noho izany dia tsy maintsy mibosesika amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo, amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo” (2 Nefia 31:20).

Sary
fianakaviana mamaky soratra masina

Ny fampianarana avy amin’ireo soratra masina dia hanampy antsika hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra. Ireo mpaminanintsika amin’ny andro farany dia nangataka antsika handalina azy ireny tsy tapaka samirery, ary raha azo atao dia miaraka amin’ny finakaviana. Nanasa antsika izy ireo hianatra avy amin’ireo zavatra niainan’ireo olona ao amin’ny soratra masina ary hampihatra ny tantara sy fampianarana ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika ankehitriny araka ny torohevitra omen’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 19:23. Ireo mpaminany fahiny sy maoderina dia samy nanasa antsika handalina ny soratra masina sy “hivoky amin’ny tenin’i Kristy” (2 Nefia 32:3).

Sary
lehilahy mamaky soratra masina

Ny Filoha Russell M. Nelson ihany koa dia nampianatra ity fahamarinana manan-danja ity mikasika ny hoe “mivoky” amin’ny soratra masina:

“Mihoatra ny hoe manandrana ny mivoky. Ny atao hoe mivoky dia mankafy. Mankafy ny soratra masina isika amin’ny alalan’ny fandalinana azy ao anatin’ny toe-tsaina mikaroka amim-pifaliana sy mankato amim-pahatokiana. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isika dia tafalentika ao anatin’ny -vato fisaka nofo, dia ny fo- izany [2 Korintiana 3:3]. Lasa tafiditra tanteraka ao anatin’ny toetrantsika izany” (“Living by Scriptural Guidance,” Ensign, nôv. 2000, 17).

Rehefa mandray anjara tsy tapaka isika amin’ny fandalinana ny soratra masina manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana dia afaka mahazo fitarihana sy fiarovana ary fampatanjahana isika sy ny fianakaviantsika entina miatrika ireo olana maro amin’izao androntsika izao.