2013
Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe
Mey 2013


Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia azo ampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Loholona Neil L. Andersen

(77) Manaraka ny Mpamonjy fa tsy ny fomban-drazany ireo mpivady ao Mozambika..

Loholona M. Russell Ballard

(18) Mamelon’aina indray ny voatabia nalazo ny zafikelivavy fito taona iray.

David L. Beck

(55) Naka ho namana ny zatovovavy iray niatrika fampijaliana ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna.

Nanampy tamin’ny famerenana ireo zatovolahy malaina rehetra ho ao amin’ny Fiangonana ny diakona iray tao Bangalore any Inde.

Loholona Tad R. Callister

(52) Nianatra mikasika ny herin’ny fisoronana i George F. Richards, izay fito ambin’ny folo taona, tamin’ny alalan’ny fitsofany rano ny reniny.

Loholona D. Todd Christofferson

(109) Nanampy zatovovavy iray nila fanampiana hahatratra izay hery anaty hanaovan-javatra tokony hananany ny renin’i D. Todd Christofferson.

Mary N. Cook

(118) Niatrika ny fahafatesan’ny rainy sy ny fiadian’ny reniny tamin’ny homamiadana tamin’ny fanehoana finoana ny zatovovavy iray.

Loholona Quentin L. Cook

(32) Nahatsapa fiadanana ny vehivavy Indoa iray nandritra ny varavarana misokatra tao amin’ny Tempolin’i Suva Fiji.

Eveka Dean M. Davies

(9) Nanamafy tao an-tsaina sy tao am-pon’i Dean M. Davies ny maha zava-dehibe ny fanorenana ny fiainantsika eo amin’ny fototra mafy orina ilay horohoron-tany tamin’ny taona 1989 tao Loma Prieta, Californie, ao Etazonia.

Ann M. Dibb

(115) Nahatsapa ny Fanahy ny zatovovavy malaina iray nandritra ny lasin’ny Zatovovavy.

Filoha Henry B. Eyring

(62) Lasa mpikambana voalohany tao amin’ny Fiangonana tao amin’ny tanàna iray nisy mponina 130.000 ny zazalahy kamboty iray.

Nahita ny tanan’Andriamanitra tamin’ny fananganany ny fanjakany i Henry B. Eyring rehefa nanompo tao Nouveau Mexique ao Etazonia sy tao Nouvelle-Angleterre.

Loholona Enrique R. Falabella

(102) Nanome vola an’i Enrique R. Falabella sy ny vadiny ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Arizona, ao Etazonia mba hahafahan’izy ireo miverina any Guatemala taorian’ny fanambadian’izy ireo tao amin’ny tempoly.

Loholona Jeffrey R. Holland

(93) Nilaza tamin’ny zazalahy iray 14 taona i Jeffrey R. Holland hoe tsy mila miala tsiny velively izy noho izy “mino fotsiny ihany.”

Filoha Thomas S. Monson

(66) Lasa naman’ny Fiangonana ary avy eo dia lasa mpikamban’ny Fiangonana ny lehilahy iray tao Kanada taorian’ny nijoroan’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno ho vavolombelona tamin’ny fomba mahery vaika ny amin’ny Mpaminany Joseph Smith.

Nahatonga ny rainy ho lasa mpikamban’ny Fiangonana ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno iray tamin’ny alalan’ny fanehoany fitiavana tao anatin’ireo taratasy fandefany isan-kerinandro.

(89) Nianatra ny fankatoavana i Thomas S. Monson fony izy valo taona, taorian’ny nandoroany saha iray.

Nitahiry ny fahafolonkareny nandritra ny taona maro ny mpikambana mahatoky iray tao Hongria mandra-pahafahany nanome izany tamin’ireo mpampianatra azy isan-tokantrano.

Loholona Richard G. Scott

(29) Tian’ilay misiônera amin’ny fotoana feno iray ho tahaka ny fianakavian’ny filohan’ny misionany ny fianakaviany amin’ny hoavy.

Filoha Dieter F. Uchtdorf

(70) Nanomboka nanao hira tao amin’ny fihirana ireo Olomasina tao Afrika Andrefana taorian’ny fahatapahan’ny herinaratra tao amin’ny trano fivavahan’izy ireo.

Nanampy zatovovavy iray handresy ny haizina avy amin’ny fitaizana feno herisetra ny filazantsara.

(125) Nitsoaka avy any Alemana Atsinanana i Dieter F. Uchtdorf sy ireo olona ao amin’ny fianakaviany.