2013
Manova Fo ny Tantaram-pianakaviana
Mey 2013


Manova Fo ny Tantaram-pianakaviana

Ny ankamaroan’ny foiben’ny tantaram-pianakaviana amin’ny hoavy dia ho any an-tokantrano araka ny faminanian’ny Loholona Bradley D. Foster ao amin’ny Fitopololahy tao anatin’ny lahateny nataony tamin’ny 23 Martsa natao nandritra ny Fivoriana nantsoina hoe RootsTech 2013 Family History and Technology Conference tao Salt Lake City, Utah, États-Unis.

Nilaza ny Loholona Foster, izay Tale Mpanatanteraka Mpanampy ao amin’ny Departemantan’ny Tantaram-pianakaviana hoe, hisy olona sivy arivo tapitrisa atsy ho atsy eto an-tany ary nanomana teknôlôjia ny Tompo mba hanatanterahana ny “famehezana sy ny fampifandraisana ireo fianakaviana rehetra ireo miaraka.”

Nanamafy ny lanjan’ny fanaovana tantaram-pianakaviana izy sy ny famantarana ireo tantaran’ny razambentsika—fa tsy manao tetiarana sy mitady anarany sy daty fotsiny. Ahitana anarana iray, daty nahaterahana, dia tsipika kely ary daty nahafatesana ireo vatom-pasana rehetran’izay mety ho fasana eto amin’izao tontolo izao, hoy izy. “Toa tena kely sy tsy manan-danja ilay tsipika kely eo anelanelan’ilay daty nahaterahana sy nahafatesana nefa mitoetra ao anatin’izay ny tantarantsika rehetra,” hoy ny fanamarihany. “Noho izany raha mifantoka amin’ny fitadiavana ireo daty ireo foana isika matetika, dia hipoitra avy amin’ny famantarana ilay tsipika kely kosa ny fitiavantsika ireo razambentsika—ilay fitodihan’ny fontsika any amin’ireo raintsika.”

Mampiray antsika ny tantaram-pianakaviana rehefa mizara tantara sy miara-miasa isika, hoy ny fanazavana. “Noho izany dia manova ny tabilaontsika ny tetiarana ary manova ny fontsika ny tantaram-pianakaviana.”