2013
Mila ny Fahamatorana sy ny Traikefa Ananan’ireo Mpivady Zokiolona ny Fiangonana
Mey 2013


Mila ny Fahamatorana sy ny Traikefa Ananan’ireo Mpivady Zokiolona ny Fiangonana

Miaraka amin’ny fitomboan’ny isan’ireo misiônera tanora noho ny fampidinana ny taonan’ny misiônera dia tena ilaina koa any amin’ny misiona manerana an’izao tontolo izao ny mpivady zokiolona. Noho ny famoronana vao haingana misiona 58 vaovao dia ilaina ny hananana mpivady zokiolona bebe kokoa mba hitondra traikefa eo amin’ny lafin’ny fitarihana sy fanohanana hafa tena manan-danja hampahomby ny misiona iray.

Niresaka mikasika ny fitomboana haingan’ny isan’ny misiônera ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny fihaonambe volana Aprily 2013 ary naneho ny fitiavany tamin’ireo izay vonona ny hanompo ny Tompo any amin’ny sahan’ny misiona (jereo ny pejy 4, 66). Namporisika manokana ireo mpivady zokiolona ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hanompo. “Ianareo ry mpivady zokiolona, miomàna amin’ny fotoana ahafahanareo mandeha manao asa fitoriana. Ho velom-pankasitrahana indrindra izahay noho ny fanompoanareo,” hoy izy (jereo ny pejy 45).

Hoy ny Filoha Monson nandritra ny fotoam-panokafana ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Ôktôbra 2012 hoe: “Mbola mila mpivady zokiolona fanampiny ihany isika. Raha mamela izany ny toe-javatra iainanareo, raha efa afaka misotro ronono ianareo, ary raha mamela izany ny toe-pahasalamanareo, dia mamporisika anareo aho mba hanolo-tena ho amin’ny asa fanompoana amin’ ny fotoana feno. Samy hahazo fifaliana lehibe kokoa ireo mpivady eo am-piarahan’izy ireo manompo ireo zanaky ny Raintsika.” (“Tongasoa eto amin’ny Fihaonambe,” Ensign na Liahona, Nôv. 2012, 5).

Efa tao anatin’ny taona maro izay no namporisihan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ireo mpivady zokiolona mba hanompo. Hoy ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Mila mpivady zokiolona bebe kokoa ny misiona na aiza na aiza. Ny fahamatorany sy ny traikefany dia mahatonga azy ireo ho anisan’ireo misiônera tena tsara ananantsika. Ny fahaiza-manaony manokana … dia manome fahafahana azy ireo hanofana amim-pahombiazana mpitarika eo an-toerana, hampatanjaka sy hampavitrika mpikambana ary hitondra olona tsy mpikambana eo amin’i Kristy” (“Missionary Couples—Trading Something Good for Something Better,” Ensign, Jona 1988, 9, 11).

Entanina ireo mpivady mendrika izay maniry ny ho misiônera mba hampahafantatra ny evekany na ny filohan’ny sampany ny fanirian’izy ireo hanompo. Mety eo amin’ny 6 ka hatramin’ny 23 volana eo ny faharetan’ny fanompoana.

Ireo izay manana fanontaniana mikasika ny fanaovan’ny olona zokinjokiny asa fitoriana dia afaka miantso ny 1-800-453-3860, ext. 2-6741 (na 1-801-240-6741), na mandefa email SeniorMissionaryServices@ldschurch.org mba hahazoana valiny mikasika ireo fanontaniana manokana.

Ny fahaiza-manao sy traikefa manokana ananan’ireo mpivady zokiolona dia manome fahafahana azy ireo hanofana mpitarika eo an-toerana, hampatanjaka ireo mpikambana ary hitondra olona tsy mpikambana eo amin’i Kristy.

Sary nalain’i Don L. Searle © IRI