2013
Loholona S. Gifford Nielsen
Mey 2013


Loholona S. Gifford Nielsen

Ao amin’ ny Fitopololahy

Sary
Loholona S. Gifford Nielsen

Ny Loholona Stanley Gifford Nielsen dia mino fa ny filazantsara no fototra iorenan’ny fifaliana amin’izao fotoana izao sy any amin’ny mandrakizay.

Naterak’i Harry sy Lois Nielsen tamin’ny Ôktôbra 1954 izy ary nipetraka tao Provo, Utah, États-Unis mandra-pahazony ny mari-pahazainy tany amin’ny oniversite. Nampianatra azy rafitra irain’ny soatoavina mifototra amin’ny filazantsara ny ray aman-dreniny izay nitarika ny fiainany.

Rehefa avy nianjadian’ny ratra mafy izay nampitsahatra ny fanaovany football amerikana tany amin’ny oniversite ny Loholona Nielsen dia nilaza fa izy dia nianatra hoe ny zavatra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana dia tsy ho voaendaky ny ratra iray izany mihitsy.

Taorian’ny fahasitranany soa aman-tsara dia nilalao teo amin’ny toeran’ny quart-arrière izy tao amin’ny Ligy Nasiônalin’ny Football Amerikana, saingy tapitra izany filalaovany baolina izany telo taona taty aoriana. Nakoraina imasom-bahoaka izy. Fotoana tsy maintsy nandinihan-tena sy nitadiavana izay tena ninoany marina izany. “Nahafantatra aho fa tsy manary anao velively ny Mpamonjy na inona na inona mitranga,” hoy ny Loholona Nielsen izay mipetraka any Sugar Land, Texas ankehitriny.

Raha misy ny soratra masina iray izay nentiny nandaminany ny fiainany dia ny Matio 5:14–16 izany manao hoe: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. … Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.”

 “Manokatra ny sandriny aminao ny Tompo,” hoy ny Loholona Nielsen. “Tiavinao amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara Izy.”

Tamin’izy nianatra tany amin’ny oniversite no nihaonany tamin’i Wendy Olson. Nivady tany amin’ny Tempolin’i Provo Utah izy ireo tamin’ny 23 Aprily 1975. Nahazo mari-pahaizana momba ny fifandraisana avy tao amin’ny Brigham Young University izy. Efa quart-arrière tao amin’ny Houston Oilers izy ary talen’ny fanatanjahantena tao amin’ny KHOU television talohan’ny nandraisany ilay antso hanompo amin’ny fotoana feno ao amin’ny Fiangonana.

Manan-janaka enina izy. Ny Loholona Nielsen dia efa mpampianatra seminera, filohan’ny Zatovolahy, filohan’ny kôlejin’ny loholona, eveka ary filohan’ny tsatòka. Fitopololahin’ny Vondrom-paritra izy tamin’ny fotoana niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy.