2013
Loholona Arnulfo Valenzuela
Mey 2013


Loholona Arnulfo Valenzuela

Ao amin’ ny Fitopololahy

Sary
Loholona Arnulfo Valenzuela

Lehibe tao amin’ny vondrom-piaraha-monina Môrmôna tany Chihuahua, Mexique ny Loholona Arnulfo Valenzuela ary nahazo mari-pahaizana tao amin’ny Sekoly Juárez izay an’ny Fiangonana.

Hanampy aza tsara eo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny amin’ny maha mpikambana iray ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy azy ireo lesona nianarany tany amin’izany toerana malaza any Amerika Latina izany.

“Mahatsapa ho tena voatahy aho amin’izao antso hanompo ny Tompo amin’ny fotoana feno izao,” hoy izy.

Naterak’i Gilberto sy Rosa Valenzuela tamin’ny Mey 1959 izy ary mbola tanora dia efa nanompo tao amin’ny Fiangonana. Nanaiky ny antso hanompo tany amin’ny Misionan’i Veracruz Mexique izy tamin’ny faha 19 taonany. Tsapany tany amin’izany toerana mahafinaritra izany ilay fahafaham-po avy amin’ny fanaovana ny asa fitoriana ny filazantsara isan’andro sy ny fifaliana avy amin’ny fanasana ny hafa hanatona an’i Kristy.

Fotoana fohy taorian’ny asa fitoriany dia namangy fianakaviana iray nataony batisa izy izay nifindra tany Mexico City taorian’izany. Ny mpifanolobodirindrina tamin’ilay fianakaviana dia i Pilar Porras izay mpikambana mahatoky iray tao amin’ny Fiangonana. Lasa mpinamana i Arnulfo sy Pilar ary nanomboka niaraka fotoana fohy taorian’izay. Nivady tany amin’ny Tempolin’i Mesa Arizona izy ireo tamin’ny 6 Aprily 1982, tamin’ny fotoana mbola tsy nisian’ny tempoly tany an-tanindrazany.

Nahalehibe zanaka telo izy ireo ary nanohy nanompo tao amin’ny Fiangonana teo am-pijerena an’i Mexique lasa firenena feno tempoly maro. “Tsy noeritreretin’ny sainay mihitsy ny hanana tempoly 12 ao Mexique miampy iray izay eo andalam-pitsanganana,” hoy izy.

Tao anatin’ny fotoana naha eveka azy, sy naha mpanolotsaina azy sady tao amin’ny tsatòka no tao amin’ny fiadidian’ny misiona ary tamin’ny naha Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy dia vavolombelon’ny fanoloran-tena miavaka nasehon’ireo mpikambana tsy tambo isaina avy ao Mexique ny Loholona Valenzuela izay vonona ny hanolotra izay ananany rehetra ho an’ny asan’ny Tompo.

Ny Loholona Valenzuela izay nahazo mari-pahaizana avy ao amin’ny University of Accounting and Administration Studies ao Mexico City dia nihazona toerana isan-karazany amin’ny maha mpitantana tany amin’ny orinasa iraisam-pirenena maro.