2013
Loholona Edward Dube
Mey 2013


Loholona Edward Dube

Ao amin’ ny Fitopololahy

Sary
Loholona Edward Dube

Ny Loholona Edward Dube dia nampahafantarin’ny mpampiasa iray tao amin’ny toerana niasany ny filazantsara tamin’ny 1981. Nomen’ilay lehilahy Bokin’i Môrmôna iray izy. Tsy novakiany izany raha tsy tamin’ny 1983 saingy tena talanjona tamin’ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona mikasika ny fitsidihan’i Môrônia izy ka dia nanaiky ilay fanasana mba hanatrika ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona tao amin’ny trano fivoriana iray tao Kwekwe, Zimbabwe.

Tsy nahazo aina izy tamin’ny voalohany noho ny fieritreretany hoe toy ny mpiasa an-tranon’olona izy ho an’ny ankamaroan’ireo izay niangona tao.

“Saingy rehefa nijoro ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna izy ireo, dia nahatsapa karazana fifandraisana tamin’ireo olona ireo aho,” hoy izy nitantara, “ary afaka nizara ny zavatra tsapako mikasika ny Bokin’i Môrmôna aho.”

Nandray ireo lesona ampianarin’ny misiônera izy taty aoriana dia natao batisa ary nanompo tany amin’ny Misiônan’i Harare Zimbabwe tamin’ny farany.

Nandritra izany fotoana izany dia nampianatra ny fianakavian’i Naume Keresiya Salazani izy, izay 16 taona tamin’izany. Nampivelatra ny fifankahalalany izy ireo taorian’ny asa fitoriany ary nivady tany Kwekwe ny 09 Desambra 1989. Nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Johannesburg Afrika Atsimo izy ireo tamin’ny Mey 1992. Manan-janaka telo vavy sy lahy iray izy ireo.

Naterak’i Clement sy Rosemary Dube tao amin’ny tanànan’i Chirumanzu, Zimbabwe tamin’ny Mey 1962 ny Loholona Dube ary nahazo mari-pahaizana momba ny fampianarana tao amin’ny Zimbabwe D. E. College tamn’ny 1992. Avy eo niasa dia tao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana izy ka nampiorina ny seminera sy institiota fianarana ny filazantsara tao Zimbabwe, Zambie ary Malawi. Nahazo fitahiana hahita ny maro tamin’ireo mpianatra izay notolorany mari-pankasitrahana tamin’ny fahavitan’ny fianarana lasa mpitarika ao amin’ny Fiangonana tao amin’ireo firenena ireo izy rehefa nivoatra ny Fiangonana.

Efa filohan’ny kôlejin’ny loholona izy, filohan’ny sampana, filohan’ny distrika, filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny misiona, ary filohan’ny Misionan’i Harare Zimbabwe nanomboka tamin’ny 2009 ka hatramin’ny 2012. Talohan’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy dia Fitopololahin’ny Vondrom-paritra izy.