2013
Loholona Ulisses Soares
Mey 2013


Loholona Ulisses Soares

Ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy

Sary
Loholona Ulisses Soares

Ny Loholona Ulisses Soares, izay nanomboka nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy tamin’ny Janoary 2013 dia nijoro ho vavolombelona manokana mikasika ny fivoarana haingan’ny Fiangonana any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao.

Teraka tany São Paulo, Brésil ny Loholona Soares tamin’ny Ôktôbra 1958. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny ray aman-dreniny Apparecido sy Mercedes Soares fony izy dimy taona. Nanatrika ireo fivoriana tao amin’ny efitrano iray tao ambonin’ny fivarota-mofo iray izy ireo. Tsaroan’ny Loholona Soares ny fientanentanana tsapany tamin’izy valo taona rehefa naorina tao São Paulo ny tsatòka voalohany tany Amerika Atsimo tamin’ny 1966. Nitombo haingana ho tsatòka 50 ny Fiangonana tany Brésil tamin’ny 1990 ary nihoatra ny tsatòka 200 tamin’ny 2000.

Ny Loholona Soares dia nahazo ny mari-pahaizana licence momba ny haitoebola sy ny toekarena tao amin’ny Pontificia Catholic University ary mari-pahaizana MBA tao amin’ny National Institute of Postgraduate Study. Niasa tao amin’ny orinasa mpanao kodiarana izay iraisan’ny firenena maromaro izy tamin’izay rehefa notolorana asa tato amin’ny Fiangonana. Niasa tao amin’ny Departemanta misahana ny Fandraharaham-bola izy ary fotoana fohy taorian’izay dia lasa Tale misahana ny Raharaha Ara-nofo tao amin’ny biraon’ny vondrom-paritry ny fiangonana tao São Paulo, ka nanome fanohanana ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra nandritra ny 10 taona. Efa filohan’ny tsatòka voalohany tao amin’ny Tsatòkan’i Cotia São Paulo Brésil koa izy.

Filohan’ny Misionan’i Porto Portugal izy nanomboka ny taona 2000 ka hatramin’ny 2003 ary nantsoina ho ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy tamin’ny Aprily 2005. Nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritr’i Brésil sy Afrika Atsimo Atsinanana izy.

“Ireo traikefako ireo dia nahatonga ahy hanana fomba fijery hoe azo aorina any amin’izay toerana ananantsika olona mahatoky ny Fiangonana,” hoy izy, “sy hitady ny zavatra tokony ho fantatro mba hanompoako tsara kokoa.”

Nivady tao amin’ny Tempolin’i São Paulo Brésil ny Loholona Soares sy ny vadiny, Rosana Fernandes Morgado tamin’ny Ôktôbra 1982. Manan-janaka telo izy ireo.

Nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany amin’ny misionan’i Rio de Janeiro Brésil ny Loholona Soares. Izy koa dia efa filohan’ny kôlejin’ny loholona, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, mpanolotsaina avo, mpitantsoratra mpanatanteraky ny tsatòka ary tompon’andraikitra misahana ny fifanampiana teo amin’ny faritra.