2013
Misy Fitaovana Vaovao Iray ao amin’ny Internet izay Manampy amin’ny Fitehirizana sy Fizarana Sarim-pianakaviana sy Fahatsiarovana
Mey 2013


Misy Fitaovana Vaovao Iray ao amin’ny Internet izay Manampy amin’ny Fitehirizana sy Fizarana Sarim-pianakaviana sy Fahatsiarovana

Hahatsikaritra fiovana vitsivitsy manan-danja FamilySearch.org ny mpitsidika amin’ity Aprily 2013 ity. Misy sary vaovao, amin’ny endrika maro loko mazava, ary mahasarika sy tolotra vaovao maro izay manome fahafahana hiaina zavatra isan-karazany mihoatra ny fikarohana. Na dia ho toerana tsara halehan’ireo mpanao tetiarana sy mpanao fikarohana aza ilay tranonkala dia hahasarika andiam-pitsidika maro hafa kokoa.

Ireo tolotra vaovao ireo dia manampy amin’ny fitondrana ny tantaram-pianakaviana hihoatra ny fanaovana fikarohana fotsiny ary miantso ireo mpanao tantaram-pianakaviana vao miana-mandeha maro kokoa na tanora izany na lehibe. Ny mpitsidika amin’izao fotoana izao dia afaka manao ny tetiarany en ligne amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa ary mitahiry sy mizara sarim-pianakaviana sy tantara momba ny fianakaviana—ka tsy andoavam-bola izany rehetra izany.

Mamelona indray ireo razambe ireo sarim-pianakiavana sy ireo tantara momba ny fianakaviana. Ireo olona tena misy ao ambadik’ireo daty ireo dia afaka mampianatra antsika fitsipika toy ny maha zava-dehibe ny asa mafy, ny fomba fiatrehana ireo olan’ny fiainana ary ny fiantraikan’ireo safidy atao eo amin’ny fiainantsika.

Manampy antsika hifandray amin’ny lasantsika ary hanorina lova ho an’ny hoavy ny fanamorana ny firaketana sy ny fitehirizana ireo tantaram-pianakaviana.

Tolotra Vaovao ao amin’ny FamilySearch.org

FamilySearch Family Tree. (Tetiarana ao amin’ny FamilySearch) Vao voalohany izao ao amin’ny FamilySearch.org, no ahafahan’ny olona tsirairay manomboka manao ny tetiarany amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa, izay zaraina en ligne, ka atombony amin’ny fampidirana ny mombamomba azy ireo manokana izany ary avy eo miitatra any amin’ireo taranaka tany aloha.

Ireo tolotra manan-danja ao anatin’ny Family Tree (Tetiarana):

  • Tadiavo ao anatin’ny FamilySearch.org izany eo ambanin’ny faritra misy ny “Family Tree” (Tetiarana).

  • Efa feno anaran’olona manokana miisa 900 tapitrisa mahery ilay tetiarana izay nampidirin’ireo mpitsidika.

  • Tsy andoavam-bola izany.

  • Izany dia manome fahafahana ny olona tsirairay hiara-hiasa mba hanao sy handrindra ary hizara ny tantaram-pianakaviany iray manontolo en ligne.

  • Afaka mahita ny zavatra mety efa hitan’ny hafa mikasika ny tantaram-pianakaviany ireo mpampiasa.

  • Afaka mampiditra sary sy tantara mora fotsiny ny mpampiasa ary mampifandray ireo loharano.

  • Afaka mitahiry amin’ny fotoana maharitra ny tetiarana nozarainy ireo mpampiasa ho an’ny taranaka ho avy.

  • Ilay tolotra hoe “grab and pull” (tazony dia sintony) dia manome fahafahana ireo mpampiasa hampiakatra na hampidina mora kokoa ny tetiarany.

  • Ireo mpampiasa dia afaka ny hahita firaketana mamaim-poana an-tapitrisany maro ao amin’ny FamilySearch.org mba hanampiana amin’ny famenoana ireo rantsana banga ao amin’ny Tetiaran’izy ireo.

Photos. (Sary) Afaka mitahiry ireo sary tena tiany ahitana ireo razambeny ny mpampiasa ary mametaka izany ao anatin’ny toerana ahitana ny famariparitana ny momba azy ireo ao amin’ny FamilySearch Family Tree, ary mizara azy ireo amin’ny alalan’ny fampitam-baovao eo amin’ny fiaraha-monina. Sary eo amin’ny 200.000 mahery eo no efa tafiditra sy voatahiry ary nozaraina.

Stories. (Tantara) Afaka manoratra tantara tiana mikasika ny razambe iray manokana ny mpampiasa ao anatin’ny FamilySearch Family Tree. Io sokajy iray io dia manome fahafahana ny fianakaviana hanangona sy hizara ary hitahiry maharitra ny tantaram-pianakavian’izy ireo.

Interactive Fan Chart. (Tabilao miendrika Fikopahana Ahitana Fifamalianasa) Tamin’ny 2012, ny FamilySearch dia nanandrana tolotra iray izay nanome fahafahana ny olona tsirairay hahita ny tenany sy ny razambeny ao anatin’ny tabilao miendrika fikopahana milokoloko iray. Efa natsaraina io tolotra io ankehitriny ary hita ao amin’ny FamilySearch.org.

Family Tree Wizard. (Zavatra Mahafinaritra ao amin’ny Tetiarana) Ireo izay vaovao eo amin’ny fanaovana ny tetiarany dia hahita fa tena ilaina ity fitaovana ity. Amin’ny alalan’ny endrika fakana am-bavany izay mahasarika no hametrahan’ilay fitaovana fanontaniana mikasika ireo havanao mbola velona sy ireo razambenao, dia mandrafitra ireo fifandraisana ireo ao anatin’ny tetiarana izy mba hahafahanao manomboka.

Live Help. (Fanampiana Mivantana) Mitombo ny fahalianana hanao tantaram-pianakaviana maneran-tany. Nanorina vondrona iray mifandray maneran-tany en ligne ny FamilySearch izay manome zavatra entina hanampiana maimaim-poana sy fanampiana eo amin’ny fanaovana fikarohana manokana amin’ny alalan’ny antso an-tariby sy firesahana amin’ny tranonkala 24 ora ao anatin’ny andro iray—ary misy amin’ny fiteny 10 ankehitriny.

Languages. (Fiteny) Ireo tolotra vaovao sy fanampiana rehetra ireo dia hisy amin’ny fiteny 10. Misy andiana horonan-tsary manome fanampiana sy loharano en ligne hafa ho an’ny tolotra rehetra. Tsindrio fotsiny eo amin’ilay bokotra hoe Help (Fanampiana) mba hahazoana zavatra amin’ny antsipiriany.

© IRI

© IRI