2010–2019
Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao

Na aiza na aiza misy anao eto an-tany dia misy fahafahana marobe hizarana ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Nasain’ny Filoha Russell M. Nelson, mpaminany malalantsika izahay Roambinifololahy tamin’ny volana lasa teo mba hiara-dia taminy ho any amin’ny fanokanana ny Tempolin’ny Rome Italie. Lasa tany amin’ny Apôstôly Paoly sy ireo dia nataony ny saiko nandritra ny dia. Tamin’ny fotoan’androny dia mety ho naharitra tokony ho 40 andro teo ny mankany Rome avy eo Jerosalema. Ankehitriny kosa dia latsaky ny adiny telo ny manao izany dia izany amin’ny iray amin’ireo fiaramanidina tiako indrindra.

Mino ireo manam-pahaizana mpandalina manokana ny Baiboly fa tany Rome i Paoly raha nanoratra ny maro tamin’ireo taratasiny izay fototry ny fampatanjahana ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny androny sy amin’izao fotoana izao.

Tsy zoviana tamin’i Paoly sy ireo mpikambana tao amin’ny Fiangonana fahizay, ireo Olomasin’ny Andro Fahiny ny fanolorantena. Maro ireo nenjehina mafy sy namoy ny ainy mihitsy aza.

Nandritra ny 200 taona lasa izao dia niaina fanenjehana tamin’ny endriny maro ihany koa ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, dia ireo Olomasin’ny Andro Farany. Kanefa na dia eo aza izany fanenjehana izany (ary noho izany indraindray), Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nitombo hatrany ary hita maneran-tany ankehitriny.

Be ny hatao

Na izany aza tsaratsara kokoa ho antsika ny mahatakatra ny firoboroboan’ny Fiangonana mialoha ny hanaovantsika fankalazana sy ho hiarahabantsika ny tenantsika noho io fahombiazana lehibe io.

Eo ho eo amin’ny fito lavitrisa mahery no isan’ny olona eto an-tany mitaha amin’ny mpikamban’Ny Fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany miisa eo ho eo amin’ny 16 tapitrisa, izay ondry vitsy tokoa.1

An-kilan’izany anefa dia maro amin’ireo olona mino an’i Kristy any amin’ny faritra sasany eto an-tany no miha-vitsy an’isa.2

Na dia ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny aza, izay tsy mitsaha-mitombo ny mpikambana ao aminy amin’ny ankapobeny, dia maro loatra ireo mpikambana izay tsy mankasitraka ireo fitahiana avy amin’ny fandraisana anjara tsy tapaka ao am-piangonana.

Midika izany fa na aiza na aiza misy anao eto an-tany dia misy fahafahana marobe hizarana ny vaovao mahafalin’ny3 filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny olona mifanena sy miara-mianatra, miara-mipetraka, miara-miasa na mifanerasera aminao.

Nandritra iny taon-dasa iny dia fahafahana nahafinaritra ho ahy ny nandray anjara lehibe tamina hetsika itoriana ny filazantsara maneran-tany karakarain’ny Fiangonana. Matetika aho no nisaintsaina sy nivavaka momba ilay iraka lehibe nampanaovin’ny Mpamonjy an’ireo mpianany, dia isika zanany izany, manao hoe “koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.”4

Nitolona mafy aho ny hahazo valiny tamin’ny fanontaniana hoe “Ahoana no ahafahantsika mpikamban’ny Fiangonana sady mpianatr’i Kristy manatanteraka izany iraka lehibe izany amin’ny fomba tsara indrindra eo amin’ny fiainantsika isan’andro?

Manasa anareo aho anio hisaintsaina io fanontaniana io ao am-ponareo sy ao an-tsainareo.5

Fanomezana ho an’ny asa fitoriana

Am-polo taonany maro izao no nanamafisan’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ilay feon’ny trompetra manambara fa “Ny mpikambana tsirairay dia misiônera!”6

Ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, tahaka ny tamin’ny fotoana taloha sy ny amin’izao androntsika izao, dia nizara ny filazantsara tamin’ireo namana sy olom-pantatra tamim-pientanentanana sy tamim-pifaliana. Miredareda ao am-pon’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, koa te hizara amin-kitsim-po izany fifaliana hitan’izy ireo tao amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy izany amin’ny hafa izy ireo.

Manana talenta manokana ny amin’ny fanaovana izany ny mpikambana sasany. Tian’izy ireo izany hoe mpanohana ny filazantsara izany. Amim-pahatokian-tena sy amim-pifaliana no hanompoan’izy ireo sy hitarihan’izy ireo ny asa amin’ny maha-mpikambana misiônera azy ireo.

Na izany aza dia misy ireo sasany amintsika izay miahotra kokoa. Rehefa resahina mandritra ireo fivoriam-piangonana ny asa fitoriana dia miondrika miafina tsy moramora tsy hita ao am-badik’ireo seza lava ny loha rehetra, ny maso mifantoka amin’ny soratra masina na mikatona toy ireny hoe misaintsaina lalina ireny mba hialana amin’ny fifanojoan’ny maso amin’ny an’ny mpikambana hafa.

Fa nahoana isika no manao toy izany? Angamba isika mahatsapa tena ho meloka ny amin’ny tsy fahampian’ny ezaka ataontsika amin’ny fitoriana ny filazantsara. Mety ho tsy fantatsika tsara hoe ahoana no hanaovana an’izany. Na mety hoe menatra isika ny hanao zavatra izay tsy mety tsy hampahazo aina antsika.

Takatro izany.

Saingy tsarovy fa tsy nitaky olona matihanina, tsisy kiana na oviana na oviana ny Tompo. Fa “mitaky ny fo sy ny saina marisika [kosa] ny Tompo.”7

Raha toa ka efa amim-pifaliana ny anaovanao ny asa fitoriana dia miangavy aho tohizo izany ary aoka ianao ho ohatra ho an’ny hafa. Hitahy anao ny Tompo.

Kanefa raha toaka ka narisarisa ianao hatramin’izay ny amin’ny fizarana ny hafatry ny filazantsara dia afaka mandroso zavatra dimy, izay tsy natao hanameloka, azon’ny rehetra atao mba handraisana anjara amin’ilay toromarika lehibe nomen’ny Mpamonjy mba hanangonana an’i Isiraely ve aho?

Sosokevitra tsotra dimy

Voalohany, manakaikeza an’ Andriamanitra. Ny mitia an’ Andriamanitra no didy voalohany.8 Izany no antony manan-danja ahatongavantsika eto an-tany. Anontanio ny tenanao hoe: “Tena mino ny Ray any An-danitra tokoa ve aho?”

“Tia sy matoky Azy ve aho?”

Arakaraka ny maha-akaiky anao ny Ray any An-danitra no hamirapiratan’ny hazavany sy ny fifaliana avy ao anatinao. Ho hitan’ny hafa fa misy zavatra tsy fahita sy miavaka eny aminao. Ka hanontany anao momba izany izy ireo.

Faharoa, fenoy fitiavana ho an’ny hafa ny fonao. Io no didy lehibe faharoa.9 Ezaho an-kitsim-po ny hahita ny rehetra manodidina anao amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo. Tompoy izy ireo na dia tsy ao amin’ny lisitr’ireo rahalahy na rahavavy tompoina aza ny anaran’izy ireo.

Miaraha mihomehy amin’izy ireo. Miaraha mifaly amin’izy ireo. Miaraha mitomany amin’izy ireo. Hajao izy ireo. Sitrano sy ankaherezo ary ampatanjaho izy ireo.

Ezaho ny maka tahaka ny fitiavan’i Kristy ary manàna fangorahana ho an’ny hafa, eny na dia ireo izay ratsy fanahy aminao, sy manaraby anao ary maniry ny hanao ratsy anao aza. Tiavo izy ireo ary raiso amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra azy ireo tahaka anao ihany.

Fahatelo, miezaha mandeha eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra. Rehefa mitombo ny fitiavanao an’ Andriamanitra sy ireo zanany dia hitombo torak’izany ny fanolorantenao ny hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Mianatra ny amin’ny fombany ianao amin’ny alalan’ny fivokisana amin’ny teniny sy ny fihainoana ary ny fampiharana ireo fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina. Mitombo ny fahatokiantenao sy ny herim-ponao amin’ny fanarahana Azy rehefa mifandray amin’ny Ray any An-danitra amin’ny fo manaiky atoro sy mietry ianao.

Mitaky fampiharana ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra, eny tsikelikely isan’andro, “fahasoavana [m]iampy fahasoavana,”10 “fitsipika anampy fitsipika.”11 Indraindray isika mandroso sy mivoatra kanefa izany dia toa tena sarotra sy mihisatra be.

Ny manan-danja dia ny tsy famoizanao fanantenana; mitozoa amin’ny fiezahana hatrany mba hampety izany. Amin’ny farany dia ho lasa tsaratsara kokoa sy ho falifaly kokoa ary manao ezaka amim-kitsim-po kokoa ianao (amin’ny fandehananao eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra). Ho lasa tsy mampaninona anao sy ho voa-janahary aminao ny miresaka momba ny fivavahanao. Raha ny marina dia ho toa zary zavatra manan-danja sy ampahany sarobidy eo amin’ny fiananao ny filazantsara hany ka ho toy ny hafahafa aminao ny tsy hiresaka momba izany amin’ny hafa. Mety tsy hitranga eo no ho eo izany fa ezaka atao mandritra ny fiainana kosa. Kanefa hitranga izany.

Fahefatra, zarao ny zavatra inoana sy tsapanao. Tsy mangataka anao aho mba hijoro eny amin’ny kihon-dalana miaraka amin’ny mégaphone ka hivazavaza andininy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny angatahiko aminao dia ny mba hitadiavanao mandrakariva fomba hizarana ny amin’ny fivavahanao amin’ny fifaneraserana tsotra sy misosa amin’ny olona na mivantana izany na amin’ny alalan’ny internet. Ny hanasako anao izao dia ny “[hijoroanareo] ho vavolombelona”12 amin’ny fotoana rehetra ny amin’ny herin’ny filazantsara ary raha ilaina dia amin’ny alalan’ny fampiasana teny.13

Satria “ny filazantsaran’i Jesoa Kristy … [no] herin’ Andriamanitra ho famonjena” dia afaka ny mahatoky tena sy manana herim-po ary manetry teny ianao rehefa mizara izany.14 Mety heverina hoe toetra tsy afaka miara-mitoetra ao amin’ny olona iray ny fahatokiantena sy ny herim-po ary ny fanetrentena, kanefa tsy izany no izy. Izy ireny dia maneho ilay fanasan’ny Mpamonjy mba tsy hanafenana ireo soa toavina sy fitsipika ao ambanin’ny fitoeran-jiro fa ny hamelana ny fahazavanao hamiratra kosa mba hanomezam-boninahitra ny Rainao any An-danitra.15

Maro ireo fomba tsotra sy voajanahary hanaovana izany, miainga amin’ny fanehoana hatsaram-panahy isan’andro sy ny fizarana ny zavatra inoanao ao amin’ny You Tube, Facebook, Instagram na Twitter ka hatramin’ny hoe resadresaka tsotra amin’ny olona mifanena aminao. Amin’ity taona ity isika dia mianatra avy ao amin’ny Testamenta Vaovao any an-tokantranontsika sy mandritra ny Sekoly alahady. Moa ve izany tsy fahafahana lehibe mba hanasana ireo namana sy mpiray monina amintsika ho any am-piangonana sy any an-tokantranontsika mba hiara-hianatra aminareo momba ny Mpamonjy? Zarao amin’izy ireo ny application Bibliothèque de l’Evangile izay hahitan’izy ireo ny Avia, hanaraka Ahy. Raha fantatrao fa misy zatovo ao amin’ny fianakavian’izy ireo dia omeo ny kiboky Ry Tanora, Mahereza izy ireo ary asao izy ireo ho avy sy hahita ny fomba fiezahan’ireo zatovontsika mba hiaina araka ireo fitsipika ireo.

Raha misy olona manontany anareo momba ny faran’ny herinandronao dia aza mihambahamba miresska momba ny zavatra niainanao tany am-mpiangonana. Tantarao ny amin’ireo zaza madinika izay mijoro eo anoloan’ny daholobe ka mihira amin’ny fo ny amin’ny fiezahan’izy ireo ho toa an’i Jesoa. Resaho ny amin’ny ireo andian-jatovo izay mandany fotoana manampy ireo be antitra any amin’ny trano fikakarakarana ny be antitra mba hanambatra ny tantaram-pianan’izy ireo. Resaho ny momba ny fiovana vao haingana natao tamin’ny fandaharam-potoantsika mandritra ireo fivoriana alahady sy ny fomba itahian’izany ny fianakavianao. Na hazavao ny antony anantitranterantsika fa ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy ary Olomasin’ ny Andro Farany isika tahaka ny niantsoana ireo mpikambana tao amin’ny Fiangonana fahiny izay nantsoina koa hoe Olomasina.

Na inona na inona fomba tsotra sy voajanahary aminao dia zarao amin’ny hafa ny antony mampanan-danja an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany aminao. Asao izy ireo mba “hanatona ka hizaha.”16 Dia amporisiho izy ireo avy eo mba hanatona ka hanampy. Misy fahafahana maro be ahafahan’ny olona manampy ato am-piangonantsika.

Aza mivavaka fotsiny mba hahitan’ireo misionera ireo voafidy. Mivavaha isan’andro amin’ny fonareo manontolo mba hahitanareo ireo izay hanatona ka hizaha sy hanatona ka hanampy, ary ireo izay ho avy hitoetra ho mazoto. Ampahalalao hatrany ireo misiônera amin’ny fotoana feno. Toy ny anjely vonon-kanampy izy ireny!

Rehefa mizara ny vaovao mahafaly ianao, izay ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia ataovy am-pitiavana sy am-paharetana izany. Raha toa ka hoe ny hany andrasantsika amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa dia ny hitsofohan’izy ireo haingana ao anatin’ny akanjo fotsin’ny batisa sy hanontaniany hoe aiza no dobo fanaovana batisa akaiky indrindra dia diso ny fanaovantsika izany.

Ny olona sasany izay ho avy sy hizaha dia mety tsy hiditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana mihitsy angamba; ny sasany ho avy fa any aoriana any. Safidin’izy ireo izany. Kanefa tsy manova ny fitiavantsika azy ireo izany. Ary tsy manova ireo ezaka ataontsika feno fientanentanana izany mba hanohy hanasa ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba h]andeha ka hizaha, ho avy ka hanampy, ary ho avy ka hitoetra ho mazoto ao amin’ny filazantsara.

Fahadimy, matokia ny Tompo fa hanao fahagagana Izy. Aoka ho takatrao fa tsy asanao ny mampiova fo ny olona. Izany no anjara andraikitry ny Fanahy Masina. Ny anjara andraikitrareo dia ny mizara izay ao am-ponareo sy miaina tsy tapaka araka ireo zavatra inoanareo.

Noho izany dia aza kivy ianareo raha misy olona tsy mandray avy hatrany ny hafatry ny filazantsara. Tsy hoe tsy fahombiazan’ny tena manokana izany.

Raharahan’ilay olona sy Andriamanitra izany.

Ny anao dia ny mitia an’ Andriamanitra sy mitia ireo mpiray monina aminao, eny dia ireo zanany.

Minoa, mitiava, ary manaova asa.

Araho io lalana io dia hanao fahagagana amin’ny alalanao Andriamanitra mba hitahiana ireo zanany sarobidy.

Hanampy anao hanao izay zavatra efa nataon’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy fahizay ireo sosokevitra dimy ireo. Tena ampahany manan-danja amin’ny fiainanao sy ny maha-ianao anao ary ny zavatra ataonao ny filazantsarany sy ny Fiangonany. Koa asao ny hafa andeha ka hizaha sy ho avy ka hanampy, ary Andriamanitra hanao ny asa fanavotany, koa ho avy sy hitoetra mazoto ao amin’ny filazantsara izy ireo.

Kanefa ahoana raha toa ka sarotra ny mizara ny filazantsara?

“Kanefa” hoy ianao mety hanontany: “ahoana raha manao ireo rehetra ireo aho nefa ny olona tsy taitra firy akory? Ahoana raha mihevi-diso momba ny Fiangonana izy ireo? Ahoana raha tsy tian’izy ireo ho namany intsony aho?

Eny, mety hitranga izany. Efa hatrizay ireo mpianatr’i Jesoa Kristy no voahenjika matetika.17 Hoy ny Apôstôly Petera hoe: “Fa araka ny iombonan[areo] fijaliana amin’i Kristy dia mifalia.”18 Nifaly ireo Olomasina fahiny “satria natao miendrika hitondra fahafam-baraka ho voninahi[try ny anarany].”19

Tsarovy fa ny Tompo dia miasa amin’ny fomba tsy takatry ny saina. Mety ho ny toetra tahaka ny an’i Kristy anananao manoloana ny fandavana ihany no hampalefahana ny fo mafy iray.

Amin’ny maha-apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy dia mitsodrano anareo aho hanana fahatokiantena mba ho ohatra velona amin’ny fiainana ireo soatoavin’ny filazantsara sy hanana herim-po hijoro amin’ny fahafantarana anareo mandrakariva ho mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, hanana fanetrentena hanampy amin’ny asany ho fanehoana ny fitiavanareo ny Ray any An-danitra sy ireo zanany.

Ry namana lalaiko, ho faly ianareo amin’ny fahafantarana fa ianareo dia ampahany manan-danja amin’ny fanangonana an’i Isiraely efa nambara mialoha, manomana ho amin’ny fiavian’i Kristy amin’ny “hery sy voninahitra lehibe, miaraka amin’ny anjely masina rehetra.”20

Mahafantatra anareo ny Ray any An-danitra. Tia anareo ny Tompo. Hitahy anareo Andriamanitra. Tinendriny ity asa ity. Afaka manao izany ianao. Vitantsika ny manao izany rehetra izany miaraka.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Fanamarihana

  1. Nahita tao anaty fahitana ny mpaminany lehibe Nefia fa na dia hiely patrana “[ambonin’ny] tany rehetra” aza ny Fiangonan’ny Zanakondrin’ Andriamanitra, “ny mpikambana [ao] dia vitsy” amin’ny ankapobeny noho ny faharatsiana eo amin’izao tontolo izao (1 Nefia 14:12; jereo koa ny Lioka 12:32.

  2. Ohatra, ny fanadihadiana vao haingana nataon’ny Pew Research Center dia nahitana fa eto Etazonia “tao anatin’ny fito taona ny sahalan’isan’ireo olon-dehibe (18 taona no mihoatra) izay miantso ny tenany hoe Kristianina dia nidina saika hatramin’ny valo isan-jato raha 78.4% izany tamin’ny … 2007 ka lasa 70.6% tamin’ny 2014. Nandritra io vanim-potoana io ihany dia niakatra avy amin’ny 16.1% ka hatramin’ny 22.8% ny sahalan’isan’ny Amerikana izay tsy manana fironana ara-pivavahana ka miantso ny tenan’izy ireo ho tsy mino an’ Andriamanitra, tsy mino ny fisian’ Andriamanitra na -tsy misy zavatra inoana voafaritra-” (“America’s Changing Religious Landscape,” Pew Research Center, May 12, 2015, pewforum.org).

  3. Ny teny hoe filazantsara dia midika hoe “vaovao mahafaly.” Ny vaovao mahafaly dia i Jesoa Kristy nanao Sorompanavotana tonga lafatra izay hanavotra ny olombelona rehetra amin’ny fahafatesana ary hanome valisoa ny tsirairay arakaraka ny asany. Nanomboka hatrany amin’ny fanendrena Azy tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana izany Sorompanavotana izany ary nitohy nandritra ny fiainany tety an-tany, ary nifarana tamin’ny Fitsanganany tamim-boninahitra tamin’ny maty. Ireo firaketana ao amin’ny Baiboly momba ny fiainany teto an-tany, ny fanompoany, ary ny fanolorantenany dia antsoina hoe ireo Filazantsara: Matio, Marka, Lioka, ary Jaona.

  4. Matio 28:19.

  5. “Lazaiko aminareo marina tokoa ry sakaizako, avelako aminareo ireny teny ireny mba hosaintsaininareo ao am-ponareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62).

    “Nefa indro, lazaiko anao, fa tokony handinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia tokony hanontany Ahy ianao raha marina izany, ary raha marina izany, dia hahamay ny ao anatin’ny tratranao Aho; koa ho tsapanao fa marina izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8).

  6. Fony izy niahy ny Misiona tany Eoropa tamin’ny 1922–24, ny Filoha David O. McKay dia namporisika hoe “ny mpikambana tsirairay dia [tokony ho] misiônera”, ary nozarainy tamin’ny Fiangonana io hafatra io nandritra ny fihaonambe maneran-tany tamin’ny voalohandohan’ny taona 1952 (jereo ny “Every Member a Missionary’ Motto Stands Firm Today,” Church News, Feb. 20, 2015, news.ChurchofJesusChrist.org).

  7. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34.

  8. Jereo ny Matio 22:37–38.

  9. Jereo ny Matio 22: 39.

  10. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12.

  11. Isaia 28:10.

  12. Môzià 18:9.

  13. Matetika io fiheverana io no ampifandraisana amin’i Saint François d’Assise; jereo koa ny Jaona 10:36–38.

  14. Romana 1:16.

  15. Jereo ny Matio 5:15–16.

  16. Jaona 1:46; nampiana fanamafisana.

  17. Jereo ny Jaona 15:18.

  18. 1 Petera 4:13, Dikanteny iombonana Anglisy; jereo koa ny andininy 1–19 mba hahafantarana bebe kokoa ny amin’ny fomba tokony hahitan’ireo mpianatr’i Kristy izany atao hoe miaritra fahoriana noho ny amin’ny filazantsara izany.

  19. Asan’ny Apostoly 5:41.

  20. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:44.