Institiota
2 Henoy Izy


“Henoy Izy,” fizarana 2 ao amin’ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, Boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018)

Fizarana 2: Henoy Izy

Fizarana 2

Henoy Izy

Sary
Ilay Alakely masina

Nifoha aloha i Joseph, indray marainan-dohataona ny taona 1820, dia nandeha tany amin’ny alakely akaikin’ny tranony. Nihiratra sy tsara ny andro tamin’izay ary tanteraka avy teo amin’ireo rantsan-kazo teo ambony ny tara-masoandro. Naniry ny ho irery izy rehefa hivavaka, ary nahafantatra toerana mangina iray tao anatin’ilay ala, izay vao avy nanapahany hazo. Namela ny famakiny tany izy, izay nitsatoka tamin’ny vodihazo iray.1

Rehefa nahita ilay toerana i Joseph dia nijery ny manodidina azy mba haka antoka fa izy irery no teo. Nitebiteby izy ny hivavaka amin’ny feo mafy ary tsy te ho voaelingelina.

Rehefa azon’i Joseph antoka fa irery izy dia nandohalika teo amin’ilay tany mangatsiaka izy ary nanomboka nizara tamin’ Andriamanitra ny fanirian’ny fony. Nangataka famindram-po sy famelan-keloka izy ary fahendrena mba hahita ireo valin’ny fanontaniany. “Tompo ô,” hoy izy nivavaka, “fiangonana iza no tokony hidirako ho mpikambana?”2

Rehefa nivavaka izy dia toa nivonto izany ny lelany ka tsy afaka niteny intsony. Nahare feon-tongotra mamindra tao aoriany izy kanefa tsy nahita na iza na iza rehefa nijery ny manodidina azy. Nanandrana nivavaka indray izy, saingy nihamafy hatrany ny feon’ireo tongotra mamindra, toy ireny hoe nisy olona nanatona azy ireny. Nitsambikina nitsangana izy dia nihodinkodina, saingy tsy mbola nahita na iza na iza ihany.3

Tampoka teo dia nisy hery tsy hita maso nangeja azy. Niezaka niteny indray izy, saingy mbola niraikitra foana ny lelany. Nisy haizin-kitroka nandrakotra azy manodidina mandra-pahatonga azy tsy afaka nahita ny tara-masoandro intsony. Fisalasalana sy sary mahatsiravina no nifanesy tao an-tsainy, izay nampisafotofoto sy nandrebireby azy. Tsapany toy ny hoe misy olona farany izay ratsy, tena misy sy mahery vaika izaitsizy, izay naniry ny hamongotra azy.4

Nampiasa ny heriny rehetra i Joseph niantso an’ Andriamanitra indray mandeha indray. Nivaha ny lelany, ary dia nitalaho izy ny mba hohafahana. Saingy nahatsapa tena ho rendrika tao anatin’ny famoizam-po izy, resin’ilay haizina tsy hay nozakaina, ary vonona ny hilavo lefona ho amin’ny famongorana.5

Tamin’io fotoana io indrindra no nisy andrin-kazavana nipoitra teo ambonin’ny lohany. Nidina tsimoramora izany ary toy ny hoe nampirehitra ireo hazo. Rehefa nijanona teo ambonin’i Joseph ilay hazavana dia nahatsapa izy fa namotsotra azy ilay hery tsy hita maso. Ny Fanahin’ny Tompo no naka ny toeran’izany, ka nanenika azy tamin’ny fiadanana sy fifaliana tsy hay lazaina.

Rehefa nandinika tao anatin’ilay hazavana i Joseph dia nahita an’ Andriamanitra Ray nijoro nitsingevaheva teo amboniny. Namiratra kokoa sy be voninahitra kokoa mihoatra noho izay zavatra hafa rehetra efa hitan’i Joseph hatrizay ny tarehiny. Niantso azy tamin’ny anarany Andriamanitra dia nanondro olona iray hafa izay nipoitra teo anilany. “Ity no Zanako Malalako,” hoy Izy. “Henoy Izy!”6

Nandinika ny tarehin’i Jesoa Kristy i Joseph. Namirapiratra sy be voninahitra tahaka ny an’ny Ray izany.

“Joseph,” hoy ny Mpamonjy, “voavela ny fahotanao.”7

Rehefa niala ny enta-mavesatr’i Joseph dia naveriny indray ilay fanontaniany hoe: “fiangonana iza no tokony hidirako ho mpikambana?”8

“Aza milatsaka ho mpikambana aminiza na iza amin’izy ireo,” hoy ny Mpamonjy taminy. “Mampianatra ny didin’olombelona ho fotopampianarana izy ireo sady manana ny fomban’ny toetra araka an’ Andriamanitra nefa mandà ny heriny.”

Nilaza tamin’i Joseph ny Tompo fa tafalatsaka tao anatin’ny fahotana izao tontolo izao. “Tsy misy manao ny tsara,” hoy Izy nanazava. “Niala tamin’ny filazantsara izy ireo ary tsy nitandrina ny didiko.” Very na novaina ireo fahamarinana masina, saingy nampanantena Izy ny hanambara ny fahafenoan’ny filazantsarany amin’i Joseph amin’ny hoavy.9

Rehefa niteny ny Mpamonjy dia nahita anjely maro be i Joseph, ary namiratra kokoa noho ny masoandro amin’ny mitatao vovonana ny hazavana nanodidina azy ireo. “Indro ka jereo, avy faingana tokoa Aho,” hoy ny Tompo, “mitafy ny voninahitry ny Raiko.”10

Nanahy i Joseph fa ho levonin’ilay hazavana ireo hazo, saingy nirehitra tahaka ilay roimemin’i Mosesy ireo hazo kanefa tsy levona.11


Rehefa lefy ilay hazavana dia nahita ny tenany nitsirara nitsilàny i Josefa, nibanjina ny lanitra. Lasa ilay andrin-kazavana ary nanjavona ihany koa ny fahatsapany ho meloka sy ny fisavorovoroan-tsaina nananany. Fahatsapana ny fitiavan’ Andriamanitra no nanenika ny fony.12 Niresaka taminy Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy, ary nianatra manokana ny fomba hahitana fahamarinana sy famelan-keloka izy.

Osa loatra noho ilay fahitana i Joseph ka tsy afa-nihetsika hany ka nitsirara tamin’ny tany tao an’ala nandra-piverin’ny heriny. Niezaka mafy izy avy teo nandeha nody ary niankina teo anjorom-patana mba tsy hianjera. Nahita azy ny reniny ka nanontany izay nanjo azy.

“Tsy misy na inona na inona ka!” hoy izy nanome toky azy. “Salama tsara aho.”13

Andro vitsivitsy taty aoriana, raha niresaka tamin’ny mpitory teny iray i Joseph, dia nitantara taminy ny zavatra hitany tao anatin’ilay alakely. Navitrika tokoa tamin’ny fifohazana ara-pivavahana nitranga vao haingana io mpitory teny io, ka nanantena i Joseph fa handray tsara ilay fahitana notantarainy izy io.

Tamin’ny voalohany dia nohamaivanin’ilay mpitory teny ny teniny. Ombieny ombieny dia efa nisy olona nilaza ho nahita fahitana avy any an-danitra.14 Saingy lasa tezitra sy mora tohina izy avy teo, ka nilaza tamin’i Joseph fa avy amin’ny devoly ny tantarany. Efa tapitra hatrin’ny ela hoy izy ny andron’ny fahitana sy ny fanambrana, ary tsy hiverina intsony izany.15

Gaga i Joseph, ary vetivety teo dia hitany fa tsy hisy hino ny fahitany.16 Nahoana moa izy ireo no hino azy? Efatra ambin’ny folo taona monja izy ary azo lazaina fa tsy nahita fianarana mihitsy. Avy amina fianakaviana mahantra izy ary neritreretina fa handany ny androm-piainany sisa amin’ny fiasana tany sy fanaovana asa an-tselika mba hahazoana vola kely hivelomana.

Kanefa dia nahatezitra mafy ny olona sasany ny fijoroana ho vavolombelony ka nahatonga azy ireo hanebaka azy. Hafahafa mihitsy, hoy izy nieritreritra, fa zazalahy tsotra iray izay tsy hitondra zavatra firy eo amin’izao tontolo izao dia mahatonga fankahalana sy fanarabiana betsaka tahaka izao. Te hanontany izy hoe: “Nahoana aho no enjehina noho ny filazana ny marina?” “Nahoana izao tontolo izao no mihevitra ny hampandà ahy izay zavatra efa hitako marina tokoa?”

Nanontany tena momba ireo fanontaniana ireo foana i Joseph nandritra ny andro sisa niainany. “Nahita hazavana marina tokoa aho, ary teo afovoan’ izany hazavana izany, dia nahita Olona roa aho ary niteny tamiko marina tokoa Izy ireo,” hoy izy taty aoriana, “ary na dia nankahalaina sy nenjehina aza aho noho ny filazana fa nahita fahitana dia izany anefa no marina.”

“Nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra,” hoy izy nijoro ho vavolombelona, “ary tsy afaka mandà izany aho.”17


Rehefa nahatsikaritra i Joseph fa ny fizarana ny fahitany amin’ny hafa dia tsy hahatonga afa-tsy ny fahatezeran’ny mpiray monina taminy ihany dia notazominy ho azy izany tamin’ny ankapobeny, ka nionona tamin’ny fahalalana nomen’ Andriamanitra azy izy.18 Taty aoriana, taorian’ny nifindrany niala an’i New York, dia niezaka izy nirakitra an-tsoratra ny zavatra masina niainany tao amin’ilay alakely. Nofariparitany ny fikatsahany famelan-keloka sy ny fampitandremana nomen’ny Mpamonjy ho an’ny tontolo iray izay mila fibebahana. Nanoratra izany samirery izy, tamin’ny teny tsy dia lafatra loatra, sady niezaka mafy ny hamariparitra ny halehiben’ilay zava-nitranga.

Nandritra ireo taona tao aorian’izany dia nitantara ilay fahitana tamina sehatra nivelatra kokoa izy, ary nampiasa mpitan-tsoratra izay afaka nanampy azy hilaza ny zavatra izay nihoatra ny famaritana rehetra. Notantarainy ny faniriany hitady ny fiangonana marina ary notantarainy fa ny Ray any An-danitra no niseho voalohany hampahafantatra ny Zanany. Kelikely ihany ny zavatra nosoratany momba ny fikatsahany famelan-keloka ho an’ny tenany ary bebe kokoa no nosoratany momba ny hafatry ny Mpamonjy ho an’ny rehetra momba ny fahamarinana sy ny filàna famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny.19

Tao amin’ireo ezaka rehetra nataony handraiketana an-tsoratra ny zavatra niainany, dia nijoro ho vavolombelona i Joseph fa nahare sy namaly ny vavaka nataony ny Tompo. Fony izy zatovolahy dia nianatra fa tsy teto an-tany intsony ny fiangonan’ny Mpamonjy. Saingy nampanantena ny Tompo fa hanambara zavatra bebe kokoa momba ny filazantsarany amin’ny fotoana mahamety izany. Ka dia nanapa-kevitra i Joseph ny hatoky an’ Andriamanitra, ny hijanona ho mahatoky amin’ireo didy izay efa voarainy tao anatin’ilay alakely, ary hiandry amim-paharetana ny toromarika fanampiny.20

Fanamarihana

  1. Joseph Smith—Tantara 1:14; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 3, ao amin’ny JSP, H1:212 (andran-tsoratra 2); Fakana am-bavany, Joseph Smith nataon’i David Nye White, 21 aog 1843, ao amin’ny [David Nye White], “The Prairies, Nauvoo, Joe Smith, the Temple, the Mormons, &c.,” Pittsburgh Weekly Gazette, 15 sept 1843, [3], hita ao amin’ny josephsmithpapers.org.

  2. Fakana am-bavany, Joseph Smith nataon’i David Nye White, 21 aog 1843, ao amin’ny [David Nye White], “The Prairies, Nauvoo, Joe Smith, the Temple, the Mormons, &c.,” Pittsburgh Weekly Gazette, 15 sept 1843, [3], hita ao amin’ny josephsmithpapers.org; Joseph Smith History, circa Summer 1832, 3, ao amin’ny JSP, H1:12.

  3. Joseph Smith, Journal, Nov. 9–11, 1835, ao amin’ny JSP, J1:88.

  4. Joseph Smith—Tantara 1:15; Hyde, Ein Ruf aus der Wüste, 15–16; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 3, ao amin’ny JSP, H1:212 (andran-tsoratra 2).

  5. Joseph Smith—Tantara 1:16; Joseph Smith, Journal, Nov. 9–11, 1835, ao amin’ny JSP, J1:88; Joseph Smith History, 1838–56, volume A-1, 3, ao amin’ny JSP, H1:212 (andran-tsoratra 2).

  6. Joseph Smith—Tantara 1:16–17; Joseph Smith History, circa Summer 1832, 3, ao amin’ny JSP, H1:12–13; Joseph Smith History, 1838–56, volume A-1, 3, ao amin’ny JSP, H1:214 (andran-tsoratra 2); Joseph Smith, Journal, Nov. 9–11, 1835, ao amin’ny JSP, J1:88.

  7. Joseph Smith History, circa Summer 1832, 3, ao amin’ny JSP, H1:13.

  8. Fakana am-bavany, Joseph Smith nataon’i David Nye White, 21 aog 1843, ao amin’ny [David Nye White], “The Prairies, Nauvoo, Joe Smith, the Temple, the Mormons, &c.,” Pittsburgh Weekly Gazette, 15 sept 1843, [3], hita ao amin’ny josephsmithpapers.org.

  9. Joseph Smith—Tantara 1:5–26; Joseph Smith History, circa Summer 1832, 3, ao amin’ny JSP, H1:13; Levi Richards, Diary, 11 jona, 1843; Joseph Smith, “Church History,” Times and Seasons, 1 mar. 1842, 3:706, ao amin’ny JSP, H1:494.

  10. Joseph Smith History, circa Summer 1832, 3, ao amin’ny JSP, H1:13.

  11. Pratt, Interesting Account, 5, ao amin’ny JSP, H1:523.

  12. Joseph Smith—Tantara 1:20; Fakana am-bavany, Joseph Smith nataon’i David Nye White, 21 aog. 1843, ao amin’ny [David Nye White], “The Prairies, Nauvoo, Joe Smith, the Temple, the Mormons, &c.,” Pittsburgh Weekly Gazette, 15 sept 1843, [3], hita ao amin’ny josephsmithpapers.org; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 3, ao amin’ny JSP, H1:214 (draft 2); Joseph Smith History, circa Summer 1832, 3, ao amin’ny JSP, H1:13.

  13. Joseph Smith—Tantara 1:20; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 3, ao amin’ny JSP, H1:214 (andran-tsoratra 2).

  14. Jereo ny Bushman, “Visionary World of Joseph Smith,” 183–204.

  15. Joseph Smith—Tantara 1:21; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 3, ao amin’ny JSP, H1:216 (andran-tsoratra 2); Neibaur, Journal, May 24, 1844, hita ao amin’ny josephsmithpapers.org. Lohahevitra: Ireo fiangonana Kristianina tamin’ny andron’i Joseph Smith

  16. Joseph Smith—Tantara 1:22, 27; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 4, ao amin’ny JSP, H1:216–18 (andran-tsoratra 2); Fakana am-bavany, Joseph Smith nataon’i David Nye White, 21 aog. 1843, ao amin’ny [David Nye White], “The Prairies, Nauvoo, Joe Smith, the Temple, the Mormons, &c.,” Pittsburgh Weekly Gazette, 15 sept. 1843, [3], hita ao amin’ny josephsmithpapers.org.

  17. Joseph Smith—Tantara 1:21–25; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 4, ao amin’ny JSP, H1:216–18 (andran-tsoratra 2).

  18. Joseph Smith History, circa Summer 1832, 3, ao amin’ny JSP, H1:13; jereo ihany koa ny Historical Introduction to Joseph Smith History, circa Summer 1832, ao amin’ny JSP, H1:6.

  19. I Joseph dia nanoratra na nanara-maso ny fanoratana ny tantara efatra momba io zavatra niainana io nandritra ny androm-piainany, ka ny voalohany dia hita ao amin’ny Joseph Smith History, circa Summer 1832, 1–3, ao amin’ny JSP, H1:11–13. Olona dimy hafa izay nandre azy niresaka mikasika ny zavatra niainany no nirakitra an-tsoratra ny fitantaran’izy ireo izany manokana. Ireo rakitsoratra sivy ireo dia azo jerena ao amin’ny “Primary Accounts of Joseph Smith’s First Vision of Deity,” tranonkalan’ny Joseph Smith Papers, josephsmithpapers.org. Raha hamakafaka momba ny fitoviana sy ny fahasamihafan’ireo rakitsoratra ireo dia jereo ny “First Vision Accounts,” Sujets de l’Évangile, topics.lds.org. Lohahevitra: Ny rakitsoratra mitantara ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith

  20. Joseph Smith—Tantara 1:26; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 4, ao amin’ny JSP, H1:218 (andran-tsoratra 2).