Institiota
4 Miambena


“Miambena,” toko 4 ao amin’ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, Boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018)

Toko 4: “Miambena”

TOKO 4

Miambena

Sary
Vata misy hidiny

Vao sambany i Emma Hale izay iraika amby roapolo taona no naheno ny momba an’i Joseph Smith raha tonga hiasa ho an’i Josiah Stowell Joseph ny fararanon’ny 1825. Noraisin’i Josiah hiasa ity zatovolahy ity niaraka tamin’ny rainy mba hanampy azy hikaroka harena miafina tao amin’ny taniny.1 Nisy angano teo an-toerana izay milaza fa nisy andiana mpikaroka nihady volafotsy ary nanafina ilay harena teo amin’io faritra io an-jato taonany maro tany aloha tany. Raha nahafantatra i Josiah fa hoe nanana fanomezampahasoavana amin’ny fampiasana vaton’ny mpahita i Joseph, dia notolorany karama tsara izy ary hoe hifampizarany aminy izay zavatra hita raha toa manampy azy amin’ny fikarohana izy.2

I Isaac, rain’i Emma, no nanohana ilay fikarohana. Rehefa tonga tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen-dry Stowell tao Harmony, tany Pennsylvanie, tanàna kely tokony ho 240 kilaometatra atsimon’i Palmyra, i Joseph sy ny rainy dia i Isaac no vavolombelona tamin’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahan’izy ireo. Navelany hipetraka tao an-tranony ihany koa ireo mpiasa ireo.3

Nihaona tamin’i Joseph i Emma fotoana fohy taorian’izay. Mbola zandriny i Joseph, mihoatra ny 1,8 metatra ny halavany, ary toa olona efa zatra miasa mafy. Manga maso sy zarazara hoditra izy, ary somary mandringa kely. Tsy tena mahafehy tsara ny fitsipi-pitenenana izy rehefa miresaka, ary indraindray izy dia mampiasa teny maro loatra rehefa te hilaza zavatra, saingy ahitana faharanitan-tsaina voajanahary eny aminy rehefa miteny izy. Olona tsara izy sy ny rainy, ary naleon’izy ireo mitsaoka tamin’ny fomban’izy ireo manokana toy izay nandeha tany amin’ny fiangonana izay nivavahan’i Emma sy ny fianakaviany.4

Samy tia mivoaka i Joseph sy i Emma. Hatry ny fahazazany i Emma dia tia mitaingin-tsoavaly sy mitaingina lakana eo amin’ny renirano teo akaikin’ny tranony. Tsy nanan-talenta tamin’ny fitaingenan-tsoavaly i Joseph, saingy havanana tamin’ny resaka tolona sy kilalao baolina. Mora mifandray aman’olona izy ary mitsiky lava, be vazivazy na milaza tantara mampihomehy. I Emma indray dia mimpirimpirina, saingy tia vazivazy tsara ary afaka niresaka na tamin’iza na tamin’iza. Tia mamaky boky sy mihira ihany koa izy.5

Rehefa nandeha ny herinandro maromaro sy rehefa nahafantatra tsara kokoa an’i Joseph i Emma, dia lasa nanahy ny amin’ny fifandraisan’izy ireo ny ray aman-dreniny. Mpiasa mahantra avy amin’ny fanjakana hafa i Joseph, ary nanantena izy ireo fa tsy hiraika aminy ny zanak’izy ireo fa hanambady olona avy amin’ny iray amin’ireo fianakaviana manan-karena ao amin’ny lohasaha misy azy ireo. Lasa niahiahy ihany koa ny rain’i Emma mikasika ilay fihazana harena miafina sy mikasika ny andraikitr’i Joseph ao anatin’izany. Toa tsy nampaninona an’i Isaac Hale raha niezaka nandresy lahatra an’i Josiah Stowell i Joseph mba hanatsahatra ny fikarohana rehefa nanjary nazava fa tsy hisy vokany izany.6

Nahafinaritra an’i Emma mihoatra izay lehilahy fantany i Joseph, ary tsy nitsahatra nandany fotoana niaraka taminy izy. Rehefa naharesy lahatra an’i Josiah izy tsy hikaroka volafotsy intsony dia mbola nijanona tao Harmony i Joseph mba hiasa tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen-dry Josiah. Indraindray koa izy no niasa ho an’i Joseph sy i Polly Knight, fianakaviana iray hafa manana fiompiana sy fambolena teo amin’ilay faritra. Rehefa tsy niasa izy dia namangy an’i Emma.7


Vetivety dia lasa ambetin-dresaky ny olona tao Harmony ny momba an’i Joseph sy ny vaton’ny mpahita nananany. Ny sasany tamin’ireo efa zokinjokiny tao amin’ny tanàna dia nino ny fisian’ny mpahita, saingy maro tamin’ireo zanany sy zafikeliny no tsy nino. Ny zanaky ny mpiray tampo tamin’i Josiah, dia nitory an’i Joseph tany amin’ny fitsarana, ka nilaza fa nanararaotra ny dadatoany i Joseph, ary niampanga azy ho mpisoloky.

Raha nijoro teo anatrehan’ireo mpitsara teo an-toerana i Joseph dia nanazava ny fomba nahitany an’ilay vato. Nijoro ho vavolombelona i Joseph Rainy fa efa nangataka tsy tapaka tamin’ny Tompo izy mba haneho azy ireo ny fikasany amin’ny fanomezampahasoavana mahagagan’ny mpahita izay nomeny an’i Joseph. Noho ny farany dia nijoro teo anoloan’ny fitsarana i Josiah ary nanambara fa tsy nisoloky azy i Joseph.

“Raha azoko tsara izany,” hoy ilay mpitsara, “dia mihevitra ianao fa ity gadra ity dia afaka mahita amin’ny alalan’ilay vato?”

Tsia, hoy i Josiah nanizingizina. “Tena fantatro fa marina izany.”

I Josiah dia olona tena nohajaina teo amin’ny fiarahamonina, ary to teny izy teo anivon’ny olona. Tamin’ny farany dia tsy afaka nanolotra porofo ny mpitory fa hoe namitaka azy i Joseph, koa dia nolavin’ilay mpitsara ny fiampangana.8

Tamin’ny septambra 1826 i Joseph dia niverina tany amin’ilay havoana nisy ireo takelaka, saingy nilaza i Môrônia fa tsy mbola vonona handray azy ireo izy. “Mialà amin’io orinasan’ny mpitrandraka vola io,” hoy ilay anjely taminy. Nisy olon-dratsy teo anivon’izy ireo.9 Nomen’i Môrônia taona iray fanampiny indray izy hampifanarahana ny sitrapony amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Raha tsy manao izany izy dia tsy hatolotra azy na oviana na oviana ireo takelaka.

Nilaza taminy koa ilay anjely mba hitondra olona iray hiaraka aminy amin’ny fotoana manaraka. Izany ihany no fangatahany tamin’ny faran’ny dian’i Joseph voalohany tany amin’ilay tendrombohitra. Kanefa noho i Alvin efa maty, dia sahiran-tsaina i Joseph.

“Iza no olona mety ho amin’izany?” hoy izy.

“Ho fantatrao,” hoy i Môrônia.

Nikatsaka ny fitarihan’ny Tompo i Joseph tamin’ny alalan’ny vaton’ny mpahita. Nianatra izy fa i Emma ilay olona.10


Voasarika tamin’i Emma i Joseph raha vantany vao nihaona taminy. Tahaka an’i Alvin, i Emma dia olona afaka hanampy azy ho lasa ilay olona nilain’ny Tompo hanatanteraka ny asany. Saingy nisy zavatra mihoatra noho izany tamin’i Emma. Tia azy i Joseph ary naniry haka vady azy.11

Tamin’ny volana desambra dia feno iraika amby roapolo taona i Joseph. Taloha izy dia namela ny tenany ho voarebirebin’ny zavatra andrasan’ireo izay nanararaotra ny fanomezampahasoavana nananany.12 Saingy taorian’ny nandehanany farany tany amin’ilay havoana dia fantany fa tokony nanao zavatra bebe kokoa izy hiomanana handray ireo takelaka.

Talohan’ny hiverenana ho any Harmony dia niresaka tamin’ireo ray aman-dreniny i Joseph. “Tapa-kevitra aho fa hanambady,” hoy izy tamin’izy ireo, “ary, raha tsy tsipahinareo izany dia Ramatoa kely Emma Hale no nofinidiko.” Faly tamin’ny fanapahan-keviny ireo ray aman-dreniny, ary namporisika azy i Lucy hiara-hipetraka amin’izy ireo aorian’ny fanambadiany.13

Nandany fotoana betsaka arak’izay tratrany i Joseph niarahana tamin’i Emma nandritra io ririnina io, ka indraindray nindrana ny fiaran-dranomandrin-dry Knight rehefa sarotra ny lalana mankany an-tranon-dry Hales noho ny ranomandry. Saingy mbola tsy tia azy foana ny ray aman-drenin’i Emma, ary tsy nahomby ny ezaka nataony hakana ny fon’ilay fianakaviana.14

Tamin’ny janoary 1827 dia nitsidika ny tokantranon-dry Stowell i Emma, izay nahafahan’izy sy i Joseph niaraka nandritra ny fotoana kely tsy teo ambanin’ny fijery tsy mankasitraka avy amin’ny fianakaviany. Tao no nangataka an’ i Emma ho vady i Joseph, ary tamin’ny voalohany, dia toa somary taitra i Emma. Nahafantatra izy fa hanohitra ilay fanambadiana ny ray aman-dreniny.15 Saingy namporisika azy i Joseph hieritreritra momba izany. Afaka tonga dia nivady teo noho eo izy ireo.

Nodinihin’i Emma ilay fangatahana. Hahatezitra ny ray aman-dreniny ny hanambadiany an’i Joseph, saingy izay no safidiny, ary tiany izy.16


Fotoana fohy taorian’izay, tamin’ny 18 janoary 1827 dia nivady i Joseph sy i Emma tao amin’ny tranon’ny mpiandraikitra ny soram-piankohonana teo an-toerana. Dia nandeha tany Manchester izy ireo avy teo ary nanomboka ny fiainan-tokantranony tao amin’ny trano vaovaon’ny ray aman-drenin’i Joseph. Tsara ilay trano, saingy nandany vola be loatra tamin’izany i Joseph Rainy sy i Lucy, ary tsy arak’izy ireo ny fandoavana ny trosa, ka nafoy ilay trano. Lasa nanofa izany tamin’ireo tompon-trano vaovao izy ireo.17

Tian-dry Smith ny hiarahan’i Joseph sy i Emma niaraka tamin’izy ireo. Saingy nampitebiteby azy ireo ilay antson’ Andriamanitra ho an’ny zanak’izy ireo. Nahare mikasika ireo takela-bolamena ny olona teo amin’ilay faritra ary indraindray dia nitady izany.18

Indray andro dia nandeha niakatra an-tanàna i Joseph hanao zavatra. Raha nanantena azy hiverina hisakafo hariva ny ray aman-dreniny dia taitra raha tsy niverina izy. Niandry nandritra ny ora maro izy ireo, tsy nahita tory. Noho ny farany dia iny i Joseph nanokatra ny varavarana ary nidaraboka teo amin’ny seza, valaka dia valaka.

“Nahoana ianao no tara be toy izao?” hoy ny rainy nanontany.

“Nahazo ny famaizana henjana indrindra hatrizay teo amin’ny fiainako aho,” hoy i Joseph.

“Iza koa izany nanafay anao izany?” hoy ny rainy nanontany.

“Ny anjelin’ny Tompo,” hoy ny navaliny. “Nilaza izy fa tsy mba niraharaha aho.” Efa antomotra ny andro manaraka hihaonany amin’i Môrônia. “Misy zavatra maro izay tsy maintsy ataoko haingana,” hoy izy. “Tsy maintsy manomboka manao ireo zavatra izay nandidian’ Andriamanitra hataoko aho.19


Taorian’ny fotoam-pijinjana dia nandeha nanao fandraharahana arak’asa tany amin’ny faritr’i Manchester i Josiah Stowell sy i Joseph Knight. Samy nahafantatr’izy roa lahy fa efa akaiky ny tsingerin-taona fahefatra nandehanan’i Joseph Smith tany amin’ilay havoana, ary naniry ny hahafantatra izy ireo raha toa ka hahatoky azy amin’ireo takelaka farany i Môrônia.

Fantatr’ireo mpitrandraka volafotsy teo an-toerana ihany koa fa efa fotoana tamin’izay ho an’i Joseph Smith hakàna ny rakitsoratra. Vao tsy ela ny iray tamin’izy ireo, lehilahy iray nantsoina hoe Samuel Lawrence, no namakivaky ilay havoana, hikaroka ireo takelaka. Noho i Joseph sahirantsaina fandrao hiteraka olana i Samuel, dia nandefa ny rainy izy ho any amin’ny tranon’i Samuel ny harivan’ny 21 septambra mba hanara-maso azy sy hanohitra azy raha toa ka hita fa toa ho any amin’ilay havoana izy.20

Dia niomana ny haka ireo takelaka i Joseph avy teo. Ny ampitson’io no hiseho ny fitsidihana fanaony isan-taona an’ilay havoana, saingy mba hialohavana ireo mpitrandraka harena miafina dia nikasa ny ho tonga teo amin’ilay havoana tao aoriana kelin’ny misasakalina izy, eo amin’ny fiantombohan’ny marainan’ny 22 septambra mihitsy, amin’ny fotoana izay tsy nisy nanantena azy hivoaka mihitsy.

Saingy mbola nila nitady fomba izy hiarovana ireo takelaka rehefa hahazo izany. Rehefa tapitra namonjy ny fandriany avy ny ankamaroan’ny tao amin’ny fianakaviany dia nanontany mangingina an-dreniny izy raha toa ka nanana vata misy hidiny. Tsy nanana i Lucy ary dia lasa nanana fanahiana izy.

“Tsy maninona,” hoy i Joseph. “Afaka manao izay mety aho amin’izao na dia tsy misy izany aza.”21

Tsy ela dia nipoitra i Emma, efa niakanjo fitondra mivoaka, dia niondrana tao amin’ny saretin’i Joseph Knight izy sy i Joseph ary nandeha nivoaka tao anatin’ny haizina.22 Rehefa tonga teo amin’ilay havoana izy ireo dia niandry niaraka tamin’ilay sarety i Emma fa i Joseph kosa nianika nankeny amin’ilay toerana nanafenana ireo takelaka.

Niseho i Môrônia, dia ningain’i Joseph avy tao amin’ilay boaty vato ireo takela-bolamena sy ireo vaton’ny mpahita. Rehefa nidina ilay havoana i Joseph, dia nampahatsiahivin’i Môrônia azy ny tsy hampiseho ireo takelaka na amin’iza na amin’iza raha tsy ireo izay voatondron’ny Tompo, ary nampanantena taminy izy fa ho voaro ireo takelaka raha toa manao izay fara heriny izy hikajiana azy ireo.

“Tsy maintsy miambina ianao sy mahatoky amin’ny zavatra nankinina taminao” hoy i Môrônia taminy, “raha tsy izany dia ho resin’ireo olon-dratsy ianao, satria hanao izay drafitra sy ny paika rehetra azo heverina izy ireo hanalana izany aminao. Ary raha tsy maka antoka tsy tapaka ianao, dia hahomby izy ireo.”23

Nentin’i Joseph nidina ilay havoana ireo takelaka, saingy talohan’ny nahatongavany teo amin’ilay sarety dia narovany izy ireo ka nataony tao anaty vatan-kazo mandrapahazoany vata misy hidiny. Dia namonjy an’i Emma izy avy teo, ary niverina tany an-trano izy ireo rehefa nanomboka niposaka ny masoandro.24


Tao an-tranon-dry Smith dia nitaintaina i Lucy niandry an’i Joseph sy i Emma teo am-pandrosoana sakafo maraina an’i Joseph Rainy sy i Joseph Knight ary i Josiah Stowell. Nidobodoboka mafy ny fony teo am-pikarakarana, natahotra sao tsy mitondra ireo takelaka ny zanany rehefa miverina.25

Fotoana fohy taorian’izay dia niditra tao amin’ilay trano i Joseph sy i Emma. Nijery i Lucy raha toa ka tany amin’i Joseph ireo takelaka saingy nangovitra izy nivoaka niala ilay efitrano rehefa nahita azy tanam-polo.

Nanaraka azy i Joseph. “Neny,” hoy izy, “aza manahy.” Nomeny zavatra voafono lamba izy. Raha nitsapa ilay lamba i Lucy dia nahatsapa zavatra mitovy amin’ny solomaso lehibe. Ny Orima sy ny Tomima izany, ireo vaton’ny mpahita izay nomanin’ny Tompo handikana ireo takelaka.26

Faly izay tsy izy i Lucy. Toa ireny olona nanesorana enta-mavesatra lehibe teo an-tsorony ireny no fahitana an’i Joseph. Saingy rehefa tafaray tamin’ireo olona hafa tao amin’ilay trano izy dia nanao endrika malahelo ary nihinana ny sakafo maraina tao anaty fahanginana. Rehefa nahalany izy dia nankininy tamin’ny tanany ny lohany, nanana endrika nalahelo. “Diso fanantenana aho,” hoy izy tamin’i Joseph Knight.

“Azafady,” hoy ilay zokiolona.

“Tena kivy be aho,” hoy ny naverin’i Joseph, dia nivadika nitsiky ny endriny. “Tsara lavitra im-polon’ny nantenaiko azy ilay izy!” Dia niroso tamin’ny fanoritsoritana ny habe sy ny lanjan’ireo takelaka izy ary feno fientanentanana niresaka mikasika ny Orima sy ny Tomima.

“Afaka mahita ny zavatra rehetra aho,” hoy izy. “Tena mahavariana izy ireo.”27


Ny andro manaraka ny nahazoany ireo takelaka dia nandeha niasa i Joseph hanamboatra fantsakana tao amin’ny tanàna iray teo akaiky teo mba hanangonana vola hividianana vata misy hidiny. Io maraina io ihany, raha nandeha nanao zavatra teo amin’ilay havoana avy teo amin’ny tranon-dry Smith i Joseph Rainy dia nahare andian’olona nikasa hangalatra ireo takelaka. “Tsy maintsy azontsika ireo takelaka,” hoy ny iray tamin’izy ireo, “na dia eo aza i Joe Smith na ireo devoly rehetra ao amin’ny helo.”

Taitra tamin’izany i Joseph Rainy dia niverina tany an-trano ary nilaza tamin’i Emma. Nilaza i Emma fa tsy fantany izay nisy ireo takelaka, saingy azony antoka fa efa narovan’i Joseph izany.

“Eny e,” hoy ny navalin’i Joseph Rainy, “saingy tsarovy fa noho ny zavatra kely fotsiny no namoizan’i Esao ny tsodranony sy ny fizokiany. Mety ho toy izany koa ny amin’i Joseph.”28

Mba hahazoana antoka fa tamin’ny toerana azo antoka ireo takelaka dia nitaingina soavaly i Emma ary nandeha mihoatra ny adiny iray nankany amin’ilay toerana izay niasan’i Joseph. Hitany teo amin’ilay fantsakana izy, nihosona sy feno dinitra noho ny asa tamin’io andro io. Raha nandre ilay loza nanambana izy dia nijery tao amin’ny Orima sy Tomima ary nahita fa voaro ireo takelaka.

Tany an-trano indray i Joseph Rainy dia nihodinkodina teo an-tokontany, nitazana isa-minitra ilay lalana ery ambany mandrapahitany an’i Joseph sy i Emma.

“Ray ô,’ hoy i Joseph raha niakatra izy ireo, “azo antoka tsara daholo ny rehetra, tsy misy tokony hahataitra.”29

Saingy fotoana handraisana andraikitra tamin’izay.


Nandeha faingana tany amin’ilay havoana i Joseph ary nahita ilay vatan-kazo nanafenana ireo takelaka dia nofonosiny tsara tao anaty akanjo iray izany.30 Dia nandeha tao anaty ala izy avy eo nizotra nankany an-trano, ny masony mailo amin’ny loza. Nanafina azy tamin’ireo olona teny amin’ny lalambe ilay ala saingy feno toerana azon’ny mpangalatra hiafenana.

Sady sahirana tamin’ny lanjan’ilay rakitsoratra i Joseph no namikiviky tao anaty ala haingana araka izay tratrany. Nisy hazo nianjera nanakana ny lalany teo anoloany, ary raha iny izy hitsambikina handika izany iny, dia nahatsapa zavatra mafy izy namely azy avy tao aoriana. Nitodika izy dia nahita lehilahy iray nanatona azy sady nirongo basy toy ny langilangy.

Sady nitazona mafy ireo takelaka tamin’ny tanany ilany izy no namely ilay lehilahy ho lavo tamin’ny tany ary dia nandeha haingana niditra lalindalina kokoa tao anatin’ilay alan-kazo izy. Nihazakazaka teo amin’ny iray kilaometatra teo izy raha nisy lehilahy iray hafa nitsambikina teo aminy avy taorian’ny hazo iray ary namely azy tamin’ny vodim-basiny. Novelesin’i Joseph ilay lehilahy dia lasa haingana izy, sady naniry mafy ny ho tafavoaka ilay ala. Saingy mbola tsy lasa lavitra akory izy dia nisy lehilahy fahatelo nanafika azy, izay namely mafy azy ka nampivembena azy. Tamin’ny heriny rehetra no namelezan’i Joseph mafy an’ilay lehilahy ary dia nihazakazaka nody izy avy teo.31

Rehefa tonga tao an-trano i Joseph dia niditra ny varavarana niaraka tamin’ilay fonosan’enta-mavesany teny an-tsandriny. “Ray,” hoy izy nihiaka, “azoko ireo takelaka.”

Nampian’i Katharine zandriny vavy izy hametraka ilay fonosana teo ambony latabatra raha toa ka niangona nanodidina azy kosa ny fianakaviana sisa. Hitan’i Joseph fa naniry ny hamaha ireo takelaka ny rainy sy i William zandriny lahy saingy nosakanany izy ireo.

“Tsy azonay jerena angaha izy ireo?” Hoy i Joseph Rainy nanontany.

“Tsia,” hoy i Joseph. “Tsy nankatò aho tamin’ny voalohany, fa mikasa ny ho mahatoky kosa aho amin’ity indray mitoraka ity.”

Nolazainy izy ireo fa afaka mitsapa ireo takelaka avy aty ivelan’ilay lamba, ka dia noraisin’i William rahalahiny ilay fonosana. Navesatra noho ny vato ilay izy, ary afaka nilaza i William fa nisy takelaka azo avadibadika toy ireny pejy ao anaty boky ireny.32 Naniraka an’i Don Carlos zandriny faralahy ihany koa i Joseph mba haka vata iray misy hidiny tany amin’i Hyrum, izay nipetraka tery ambany kokoa teo amin’iny lalana iny ihany, niaraka tamin’i Jerusha vadiny sy ny zanak’izy ireo vavy vao teraka.

Tonga i Hyrum afaka fotoana fohy, ary raha vantany vao voampirina soa aman-tsara tao anatin’ilay vata ireo takelaka dia nidaraboka teo amin’ny fandriana teo akaiky teo i Joseph ary nanomboka nitantara tamin’ny fianakaviany momba ireo lehilahy tany anaty ala.

Teo am-pitantarany dia tsikariny fa narary ny tanany. Nisy fotoana nandritra ireo fanafihana dia nioritra ny ankihibeny.

“Tsy maintsy mijanona miteny aloha aho, ry Dada,” hoy izy tampoka teo, “dia asaiko averinao amin’ny toerany ny ankihibeko.”33

Fanamarihana

  1. Agreement of Josiah Stowell and Others, 1 nov. 1825, ao amin’ny JSP, D1:345–52.

  2. Smith, Biographical Sketches, 91–92; Oliver Cowdery, “Letter VIII,” LDS Messenger and Advocate, ôkt. 1835, 2:200–202; Joseph Smith History, 1838–56, volume A-1, 7–8, ao amin’ny JSP, H1:234 (andran-tsoratra 2); Smith, On Mormonism, 10. Lohahevitra: Treasure Seeking (fitadiavana harena miafina)

  3. Agreement of Josiah Stowell and Others, 1 nov. 1825, ao amin’ny JSP, D1:345–52.

  4. Pratt, Autobiography, 47; Burnett, Recollections and Opinions of an Old Pioneer, 66–67; Woodruff, Journal, 4 jolay 1843, sy 20 ôkt 1855; Emmeline B. Wells, “L.D.S. Women of the Past,” Woman’s Exponent, feb. 1908, 36:49; Joseph Smith III, “Last Testimony of Sister Emma,” Saints’ Herald, 1 ôkt 1879, 289; jereo ihany koa ny Staker and Ashton, “Growing Up in the Isaac and Elizabeth Hale Home”; sy ny Ashurst-McGee, “Josiah Stowell Jr.–John S. Fullmer Correspondence,” 108–17.

  5. Baugh, “Joseph Smith’s Athletic Nature,” 137–50; Pratt, Autobiography, 47; Burnett, Recollections and Opinions of an Old Pioneer, 66–67; Recollections of the Pioneers of Lee County, 96; Youngreen, Reflections of Emma, 61, 67, 65, 69; Emmeline B. Wells, “L.D.S. Women of the Past,” Woman’s Exponent, feb. 1908, 36:49.

  6. Joseph Smith History, 1838–56, volume A-1, 8, ao amin’ny JSP, H1:234 (andran-tsoratra 2); Smith, Biographical Sketches, 92; Bushman, Rough Stone Rolling, 51–53; Staker, “Isaac and Elizabeth Hale in Their Endless Mountain Home,” 104.

  7. Joseph Smith History, 1838–56, volume A-1, 7–8, ao amin’ny JSP, H1:234–36 (andran-tsoratra 2); Knight, Reminiscences, 2; Joseph Smith III, “Last Testimony of Sister Emma,” Saints’ Herald, ôkt. 1, 1879, 290.

  8. William D. Purple, “Joseph Smith, the Originator of Mormonism,” Chenango Union, 2 mey 1877, [3]; jereo ihany koa ny An Act for Apprehending and Punishing Disorderly Persons (9 feb 1788), Laws of the State of New-York (1813), 1:114. Lohahevitra: Joseph Smith’s 1826 Trial (ny fisedrana an’i Joseph Smith tamin’ny 1826)

  9. “Mormonism—No. II,” Tiffany’s Monthly, jolay 1859, 169.

  10. Knight, Reminiscences, 2.

  11. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, 96; jereo ihany koa ny Knight, Reminiscences, 2.

  12. Jereo ny “The Original Prophet,” Fraser’s Magazine, feb. 1873, 229–30.

  13. Lucy Mack Smith, History, 1845, 97.

  14. Knight, Reminiscences, 2; Joseph Smith III, “Last Testimony of Sister Emma,” Saints’ Herald, 1 ôkt. 1879, 289.

  15. Joseph Smith III, “Last Testimony of Sister Emma,” Saints’ Herald, 1 ôkt., 1879, 289; Joseph Smith History, 1838–56, volume A-1, 8, ao amin’ny JSP, H1:236 (andran-tsoratra 2).

  16. Joseph Smith III, “Last Testimony of Sister Emma,” Saints’ Herald, 1 ôkt., 1879, 290; Joseph Lewis sy Hiel Lewis, “Mormon History. A New Chapter, about to Be Published,” Amboy Journal, 30 apr., 1879, 1; jereo ihany koa ny Oliver Cowdery, “Letter VIII,” ao amin’ny LDS Messenger and Advocate, ôkt. 1835, 2:201.

  17. Joseph Smith History, 1838–56, volume A-1, 8, ao amin’ny JSP, H1:236 (draft 2); Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 4, [11]–[12]; boky 5, [1]–[3]. Lohahevitra: Sacred Grove and Smith Family Farm (ilay alakely masina sy ny toeram-pambolena sy fiompian-dry Smith)

  18. “Mormonism—No. II,” Tiffany’s Monthly, jolay 1859, 167–68.

  19. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 5, [4]–[6].

  20. Knight, Reminiscences, 2.

  21. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 5, [6].

  22. Lucy Mack Smith, History, 1845, 105.

  23. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 6, [1].

  24. “Mormonism—No. II,” Tiffany’s Monthly, jona 1859, 165–66; Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 5, [6].

  25. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 5, [6]–[7]; Knight, Reminiscences, 2.

  26. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 5, [7]–[8].

  27. Knight, Reminiscences, 2–3; Joseph Smith History, 1838–56, volume A-1, 5, ao amin’ny JSP, H1:222 (andran-tsoratra 2); jereo ihany koa ny Almà 37:23.

  28. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, book 5, [8]–[10]; “Mormonism—No. II,” Tiffany’s Monthly, aog. 1859, 166; Smith, Biographical Sketches, 103; jereo koa ny Genesisy 25:29–34.

  29. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 5, [10] sy ampahan-dahatsoratra niaraka taminy.

  30. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 5, [11]. Lohahevitra: Gold Plates (takela-bolamena)

  31. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 5, [11].

  32. “The Old Soldier’s Testimony,” Saints’ Herald, 4 ôkt. 1884, 643–44; Salisbury, “Things the Prophet’s Sister Told Me,” 1945, Church History Library; Ball, “The Prophet’s Sister Testifies She Lifted the B. of M. Plates,” 1954, Church History Library; Smith, William Smith on Mormonism, 11; Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 5, [11]; Joseph Smith III, “Last Testimony of Sister Emma,” Saints’ Herald, 1 ôkt. 1879, 290.

  33. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 5, [11]–[12]. Lohahevitra: Lucy Mack Smith