Institiota
5 Very ny rehetra


“Very ny rehetra,” toko 5 ao amin’ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, Boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018)

Toko 5: “Very ny rehetra”

TOKO 5

Very ny rehetra

Sary
Pejy voadika

Rehefa avy nitondra ireo takela-bolamena tany an-trano i Joseph dia niezaka nandritra ny herinandro maro mba hangalatra azy ireny ireo mpikatsaka harena. Mba hiarovana ireo rakitsoratra dia nila namindramindra izany izy, nanafina ireo takelaka tao ambany tany, tany ambanin’ny gorodon’ny fivarotan’ny rainy, ary tao anatin’ny voa nivangongo. Tsy afaka namela izany ho tsy voambina mihitsy izy.

Nandalo teo akaikin’ny trano ireo mpifanolobodirindrina liana ka niangavy azy mba hampiseho azy ireo ilay rakitsoratra. Nandà mandrakariva i Joseph, na dia rehefa nilaza hanome vola azy aza ny olona iray. Vonona ny hitandrina ireo takelaka izy, natoky ny fampanantenan’ny Tompo fa raha toa ka manao ny zavatra rehetra azony atao izy dia harovana izy ireny.1

Matetika ireny fanakorontanana ireny no nanakana azy tsy handinika ireo takelaka sy hianatra bebe kokoa momba ny Orima sy ny Tomima. Fantany fa natao hanampy azy handika ireo takelaka ireo fitaovana fandikana teny, saingy tsy mbola nampiasa vato mpahita mba hamakiana teny fahiny na oviana na oviana izy. Tsindrindaona ny hanomboka ny asa izy, kanefa tsy tonga dia nazava taminy ny fomba hanaovana izany.2

Rehefa nandalina ireo takelaka i Joseph dia nisy tompon-tany iray tao Palmyra nantsoina hoe Martin Harris izay nanjary liana tamin’ilay asa. Efa lehibe sahala amin’ny hoe rain’i Joseph i Martin ary indraindray izy no nanakarama an’i Joseph hanampy azy amin’ny taniny. Nandre momba ireo takelaka i Martin saingy tsy nieritreritra firy momba izany mandra-panasan’ny renin’i Joseph azy mba hihaona amin’ny zanany lahy.3

Niasa tany ivelany i Joseph rehefa nandalo i Martin, ka nametra-panontaniana tamin’i Emma sy ireo olona hafa tao amin’ny fianakaviana momba ireo takelaka izy. Rehefa tonga tao an-trano i Joseph dia noraisin’i Martin teo amin’ny sandriny izy ka nanontaniany antsipirihan-javatra bebe kokoa. Nilaza taminy momba ireo takela-bolamena i Joseph sy ny torolalana nataon’i Môrônia mba handikana sy hamoahana ny soratra eo amin’izany.

“Raha toa ka asan’ny devoly izany,” hoy i Martin, “dia tsy handray anjara amin’izany aho.” Kanefa raha asan’ny Tompo izany dia naniry ny hanampy an’i Joseph hanambara izany amin’izao tontolo izao izy.

Navelan’i Joseph hibata ireo takelaka tao anatin’ny vata i Martin. Azon’i Martin nolazaina fa nizy zavatra mavesatra tao, saingy tsy resy lahatra izy fa takela-bolamena izany. “Tsy tokony hanome tsiny ahy ianao raha toa ka tsy mino ny teninao aho,” hoy izy tamin’i Joseph.

Rehefa nody i Martin taorian’ny misasakalina, dia nandeha tao an’efitrano fandriany izy ka nivavaka, nampanantena tamin’ Andriamanitra fa hanome ny zavatra rehetra ananany raha toa ka fantany fa nanao ny asan’ Andriamanitra i Joseph.

Rehefa nivavaka izy dia nahatsapa feo tony sy malefaka tao amin’ny fanahiny. Fantany fa avy tamin’ Andriamanitra ireo takelaka—ary fantany fa nila nanampy an’i Joseph hizara ny hafatra ao amin’izany izy.4


Tany amin’ny faramparan’ny taona 1827, dia fantatr’i Emma fa nitoe-jaza izy ka nanoratra tamin’ireo ray aman-dreniny. Efa ho iray taona tamin’izay ny nifanambadiany tamin’i Joseph, ary mbola tsy faly ihany ny rainy sy ny reniny. Saingy nanaiky ny hiverenan’ilay mpivady vao tao Harmony ry Hales mba hahafahan’i Emma miteraka eo akaikin’ny fianakaviany.

Na dia hahatonga azy ho lavitra ny ray aman-dreniny sy ny mpiray tampo aminy aza izany dia vonona ny handeha i Joseph. Mbola niezaka ny hangalatra ireo takelaka ihany ireo olona tany New York, ary ny fifindrana tamin’ny toerana vaovao dia afaka nitondra ny fandriampahalemana sy ny fitokanana nilainy mba hanaovana ny asan’ny Tompo. Nampalahelo anefa fa nanan-trosa izy ary tsy nanam-bola hifindrana.5

Nanantena ny hilaminan’ny toe-bolany i Joseph ka nandeha tany an-tanàn-dehibe izy mba handoa ny sasany amin’ireo trosany. Rehefa nandoa vola tao amin’ny tsena iray izy dia nanatona azy i Martin Harris. “Indro, Atoa Smith, indro misy dimampolo dôlara,” hoy izy. “Omeko anao izany hanaovana ny asan’ny Tompo.”

Sadaikatra izy handray ilay vola ary nampanantena ny hamerina izany, saingy nilaza i Martin mba tsy hiahiahy momba izany. Fanomezana ilay vola, ary niantso ny olona rehetra tao anatin’ilay efitrano izy mba ho vavolombelona fa nomeny malalaka izany.6

Vetivety taorian’izay dia naloan’i Joseph ny trosany dia nameno ny kalesiny izy. Nandao an’i Harmony izy sy i Emma niaraka tamin’ireo takela-bolamena nafenina tao anaty barika feno tsaramaso.7


Tonga tany amin’ny trano lehiben-dry Hales izy mivady tokony ho herinandro taty aoriana.8 Tsy ela akory dia nangataka ny hijery ireo takela-bolamena ny rain’i Emma, kanefa nolazain’i Joseph fa ilay boaty nasiany azy ireo ihany no hasehony azy. Sorena i Isaac ka noraisina ilay vata ary notsapainy ny havesany, saingy mbola nijanona ho tsy nino ihany izy. Nolazainy tamin’i Joseph fa tsy afaka nihazona izany tao anaty trano izy raha toa ka tsy nasehony azy ny zavatra tao anatiny.9

Tsy ho mora ny fandikan-teny niaraka tamin’ny rain’i Emma nanodidina teo, kanefa niezaka nanao ny tsara indrindra vitany i Joseph. Nampian’i Emma izy nandika marobe tamin’ireo endri-tsoratra hafahafa avy tao amin’ireo takelaka nankeo amin’ny taratasy.10 Dia niezaka nandika azy ireo niaraka tamin’ny Orima sy Tomima izy nandritra ny herinandro maromaro. Ilay lamina dia nitaky ny hanaovany mihoatra noho ny hijery ireo fitaovana fandikana teny fotsiny. Nila nanetry tena sy nampiasa finoana izy rehefa nandalina ireo endri-tsoratra.11

Volana vitsy tatỳ aoriana, dia tonga tao Harmony i Martin. Nilaza izy fa nahatsapa ho nantsoin’ny Tompo mba handeha lavitra hatrany New York mba hijery manampahaizana amin’ny fiteny fahiny. Nantenainy fa afaka handika ireo endri-tsoratra izy ireo.12

Nandika endri-tsoratra maromaro avy teo amin’ireo takelaka i Joseph, nanoratra ny dikanteniny ary nanolotra ilay taratasy tamin’i Martin. Dia nijery izy sy i Emma rehefa hitodi-doha niantsinanana ilay naman’izy ireo mba hijery manampahaizana miavaka.13


Rehefa tonga tany New York i Martin dia nandeha nijery an’i Charles Anthon, izay profesora amin’ny teny Latina sy Grika tao amin’ny Oniversiten’i Colombia izy. Lehilahy tanora iray ny Profesora Anthon, tokony ho zandrin’i Martin dimy ambin’ny folo taona, ary fantatra tsara tamin’ny famoahana encyplopedie malaza iray momba ny kolontsaina Grika sy Romana. Nanomboka nanangona tantara momba ireo Amerikana Indiana ihany koa izy.14

I Anthon dia manampahaizana sarotiny izay tsy tia fanakorontanana, saingy nandray an’i Martin izy ary nandalina ireo endri-tsoratra sy dikanteny nomen’i Joseph.15 Na dia tsy nahay Egyptiana aza ilay profesora dia efa namaky fandalinana momba ilay fiteny izy ary nahafantatra ny endrik’izany. Rehefa nijery ireo endri-tsoratra izy dia nahita fitoviana vitsivitsy tamin’ny teny Egyptiana ka niteny tamin’i Martin fa marina ilay dikanteny.

Nampiseho endri-tsoratra bebe kokoa taminy i Martin, ary nandinika izany i Anthon. Nilaza izy fa nahitana endri-tsoratra avy tamin’ny fiteny fahiny maro izy ireo ary nomeny taratasy fanamarinana izay manamarina ny maha-marina azy ireo i Martin. Nanoro hevitra ihany koa izy ny hampisehoana ireo endri-tsoratra amin’ny manampahaizana iray hafa izay antsoina hoe Samuel Mitchill, izay efa nampianatra tao Columbia.16

“Tena mahay momba ireo fiteny fahiny izy,” hoy i Anthon, “ary azoko antoka fa afaka hanome fahafaham-po anao izy.”17

Nataon’i Martin tao anatin’ny paosiny ilay fanamarinana, kanefa mialoha ny nialany dia niantso azy hiverina i Anthon. Naniry izy ny hahafantatra ny fomba nahitan’i Joseph ireo takela-bolamena.

“Ny anjelin’ Andriamanitra,” hoy i Martin, “no nanambara izany taminy.” Nijoro ho vavolombelona izy fa ny fandikana ireo takelaka dia hanova izao tontolo izao ary hamonjy izany amin’ny fandravana. Ary satria nanana porofo izy ankehitriny ny amin’ny fahamarinan’izy ireny, dia nikasa ny hivarotra ny toeram-pamboleny sy fiompiany izy ka hanome vola mba hamoahana ny dikanteny.

“Omeo ahy hojereko ilay taratasy fanamarinana teo,” hoy i Anthon.

Namoaka izany avy tao am-paosiny i Martin ary nanolotra azy izany. Norovitin’i Anthon ho potipotika izany sady nilaza izy hoe tsy misy izany hoe fanompoan’ny anjely izany. Raha toa ka te handika ireo takelaka i Joseph dia azony hoentina any Columbia izany ary avela handika azy ireny ny manampahaizana iray.

Nohazavain’i Martin fa voaisy tombo-kase ny ampahany amin’ireo takelaka ary tsy nahazo lalana hampiseho izany na amin’iza na amin’iza i Joseph.

“Tsy afaka mamaky boky voaisy tombo-kase aho,” hoy i Anthon. Nampitandrina an’i Martin izy fa mety ho mamitaka azy i Joseph. “Mitandrema amin’ireo fetsifetsy,” hoy izy.18

Nandao ny Profesora Anthon i Martin ka niantso an’i Samuel Mitchill. Nandray an’i Martin tamim-panajana izy, nihaino ny tantarany, ary nijery ireo endri-tsoratra sy dikanteny. Tsy nazava taminy izany, saingy nilaza izy fa nampahatsiahy azy ireo endri-tsoratra Egyptiana sy ny rakitsoratry ny firenena fongana iray.19

Nandao ilay tanàna i Martin fotoana fohy taorian’izay ka niverina tany Harmony, resy lahatra bebe kokoa fa nanana takela-bolamena fahiny i Joseph ary ny fahefana handika azy ireo. Nolazainy tamin’i Joseph ireo dinidinika nataony tamin’ireo profesora ary nanambara fa raha toa ka tsy afaka nandika ilay boky ny sasany amin’ireo olona nianatra indrindra tao Amerika dia tsy maintsy manao izany i Joseph.

“Tsy afaka aho,” hoy i Joseph, nitambesaran’ilay asa, “satria tsy nianatra aho.” Kanefa fantany fa nanomana mpandika teny ny Tompo mba hahafahany mandika ireo takelaka.20

Nanaiky i Martin. Nanao drafitra ny hiverina tany Palmyra izy, handamina ny raharahany, ary hiverina araka izay haingana indrindra mba ho mpitantsoratr’i Joseph.21


Tamin’ny aprily 1828, i Emma sy i Joseph dia nipetraka tao amin’ny trano iray nanamorona ny renirano Susquehanna tsy dia lavitra ny tranon’ny ray aman-drenin’i Emma.22 Ankehitriny raha teo am-pitondrana vohoka i Emma, dia matetika izy no mpitantsoratra an’i Joseph taorian’ny nanombohany nandika ilay rakitsoratra. Indray andro, rehefa nandika teny i Joseph, dia fotsy hatsatra tampoka teo izy. “Emma, nisy fefy ve nanodidina an’i Jerosalema?” hoy izy nanontany.

“Eny,” hoy izy, nitantara ireo famariparitana izany ao amin’ny Baiboly.

“Hay,” hoy i Joseph nahazo aina, “natahotra aho hoe voafitaka.”23

Talanjona i Emma fa tsy nanakana ny fandikan-teny ny tsy fahampian’ny fahalalana ny tantara sy ny soratra masina teo amin’ny vadiny. Zara raha afaka nanoratra taratasy misy heviny mazava i Joseph. Kanefa nipetraka teo akaikin’i Joseph nandritra ny ora maro izy rehefa nanonona ilay rakitsoratra i Joseph, tsy nisy fanampiana avy tamina boky na rakitsoratra natao sora-tanana. Fantatr’i Emma fa Andriamanitra irery ihany no afaka hitaona fanahy azy handika araka ny nataony.24

Rehefa nandeha ny fotoana dia niverina avy tany Palmyra i Martin ka nisolo toerana nanao mpitantsoratra, nanome fahafahana ho an’i Emma mba haka aina mialoha ny hahatongavan’ny zazakely.25 Tsy tonga mora foana anefa ny fakana aina. Ny vadin’i Martin, i Lucy, dia nikiry mafy ny hiaraka aminy ho any Harmony, ary samy nanana toetra miavaka izy mivady.26 Niahiahy momba ny fanirian’i Martin mba hanohana ara-bola an’i Joseph i Lucy ary tezitra satria nandeha irery tany New York tsy nitondra azy izy. Rehefa nolazain’i Martin taminy fa handeha ho any Harmony mba hanampy amin’ny fandikan-teny izy, dia nanasa ny tenany i Lucy ka tapa-kevitra ny hijery ireo takelaka.

Niha-marenina i Lucy, ary rehefa tsy afaka nahatakatra izay nolazain’ny olona izy dia matetika izy no nihevitra fa nitsikera azy izy ireo. Tsy dia nahalala fomba ihany koa izy. Rehefa nandà ny hampiseho ireo takelaka taminy i Joseph dia nanomboka nizaha tao an-trano izy, nikarokaroka ny vata sy arimoara ary valizin’ilay fianakaviana. Tsy nanan-tsafidy firy ankoatra ny hanafina ireo takelaka tany anaty ala i Joseph.27

Nandao tsy ela ilay trano i Lucy ka nipetraka niaraka tamin’ny mpifanolobodirindrina iray. Niverina tamin’i Emma irery indray ireo vata sy arimoarany, kanefa dia nilaza tamin’ny mpiray monina i Lucy fa haka ny volan’i Martin fotsiny i Joseph. Afaka herinandro maromaro nitondrana korontana dia nody tany Palmyra i Lucy.

Niaraka tamin’ny filaminana niverina tamin’ny laoniny, dia nandika teny haingana i Joseph sy i Martin. Nivoatra tamin’ny anjara asany masina amin’ny maha-mpahita sy mpanambara azy i Joseph. Rehefa nijery ireo fitaovana fandikana teny na ny vato mpahita iray hafa izy dia afaka nandika na nanoloana azy ireo takelaka na voarakotra tao anatin’ny lamba rongonin’i Emma teo ambony latabatra.28

Nandritra ny volana aprily, mey, ary ny fiandohan’ny jona dia nihaino ny hafainganan’i Joseph nanonona ilay rakitsoratra i Emma.29 Niteny miadana kanefa mazava izy, niato tsindraindray mba hiandry an’i Martin hilaza hoe “voasoratra” rehefa avy nanenjika hatreo amin’izay nolazain’i Joseph izy.30 Nifandimby nanao mpitantsoratra ihany koa i Emma ary talanjona ny tamin’ny fomba nandraisan’i Joseph teo amin’ilay nijanonany, tsy nila bitsika, taorian’ireo fampijanonana sy fakana aina.31

Vetivety dia tonga ny fotoana hahaterahan’ny zazakelin’i Emma. Niha-natevina ireo pejy natao sora-tanana nivangongo, ary resi-lahatra i Martin fa raha toa ka afaka hamela ny vadiny hamaky ilay dikanteny izy dia ho hitany ny lanjan’izany ka hitsahatra hanakorontana ny asan’izy ireo izy.32 Nanantena ihany koa izy fa ho faly amin’ny fomba nandaniany ny fotoanany sy ny volany mba hanampiana ny famoahana ny asan’ Andriamanitra i Lucy.

Indray andro dia nangataka lalana avy tamin’i Joseph i Martin mba hitondra ilay dikanteny natao sora-tanana ho any Palmyra mandritra ny herinandro vitsivitsy.33 Nisalasa momba ilay hevitra i Joseph rehefa nahatsiaro ny fihetsik’i Lucy Harris fony izy nitsidika ny trano. Niriany anefa ny hanao izay hahafaly an’i Martin, izay nino azy rehefa niahiahy ny teniny ny maro hafa.34

Tsy nahazo antoka ny amin’izay hataony i Joseph ka nangataka fitarihana, ary nilaza taminy ny Tompo mba tsy hamela an’i Martin haka ireo pejy.35 Natoky anefa i Martin fa ny fampisehoana izany amin’ny vadiny dia hanova zavatra, ka nitalaho tamin’i Joseph izy mba hanontany indray. Nataon’i Joseph izany, saingy mbola ilay teo aloha ihany no valiny. Nanery azy mba hanontany fanintelony i Martin, kanefa, tamin’ity indray mitoraka ity dia namela azy ireo hanao araka izay mahafinaritra azy ireo Andriamanitra.

Nilaza tamin’i Martin i Joseph fa afaka mitondra ireo pejy mandritra ny roa herinandro izy raha toa ka manao fanekena izy ny hitandrina izany mihidy tsara sy hampiseho izany amin’ny olona sasany ao amin’ny fianakaviana ihany. Nanao fampanantenana i Martin ka niverina tany Palmyra niaraka tamin’ilay dikanteny natao sora-tanana teny aminy.36

Rehefa lasa i Martin dia niseho tamin’i Joseph i Môrônia ka naka ireo fitaovana fandikana teny taminy.37


Ny andro nandehanan’i Martin dia nandalo fiterahana maharary i Emma ka niteraka zazalahy. Nalemy sy farofy ilay zazakely fa tsy niaina ela. Nahatonga an’i Emma ho ketraka sy rava ara-pihetseham-po ny zava-nitranga, ary nisy fotoana aza toa nahiana ho faty ihany koa izy. Niandry azy tsy tapaka i Joseph, tsy niala teo anilany mihitsy nandritra ny fotoana naharitra.38

Roa herinandro taty aoriana dia nanomboka nihatsara ny fahasalaman’i Emma, ary nitodika tany amin’i Martin sy ireo dikanteny natao sora-tanana ny eritreriny. “Tsy mahazo aina aho,” hoy izy tamin’i Joseph, “ka tsy afaka maka aina sy tsy hilamin-tsaina raha tsy mahafantatra momba izay hataon’Atoa Harris ny amin’izany.”

Niangavy an’i Joseph izy mba hitady an’i Martin, kanefa tsy te handao azy i Joseph. “Ampanantsoy ny reniko,” hoy izy, “dia afaka hijanona miaraka amiko izy rehefa lasa ianao.”39

Nitondra kalesy nianavaratra i Joseph. Zara raha nihinana sy nisotro izy nanditra ny diany, natahotra ny naniratsira ny Tompo tamin’ny tsy fihainoana Azy rehefa nilaza Izy mba tsy hamela an’i Martin hitondra ny dikanteny natao sora-tanana.40

Niposaka ny masoandro rehefa tonga tao amin’ny tranon’ny ray aman-dreniny tao Manchester izy. Nikarakara sakafo maraina ry Smith ary nandefa fanasana tamin’i Martin mba hiaraka amin’izy ireo. Teo ambony latabatra ny sakafo tamin’ny valo ora maraina, saingy tsy mbola tonga i Martin. Nanomboka tsy nahazo aina i Joseph sy ilay fianakaviana rehefa niandry azy.

Farany, rehefa lasa ny adiny efatra mahery, dia nipoitra avy teny lavitra i Martin, nandeha miadana nankeny amin’ilay trano, ny masony nibanjina ny tany nanoloana azy.41 Niato izy teo amin’ny vavahady, nipetraka teo amin’ny fefy, ary nampidina ny satrony hanakona ny masony. Dia niditra izy ary nipetraka sy nisakafo mangina.

Nijery ny fianakaviana rehefa nandray ireo fitaovam-pihinanany i Martin, toy ireny vonona ny hihinana ireny izy, dia nalatsany izany. “Nanary ny fanahiko aho!” hoy izy nihiaka, nanindry ny tanany teo amin’ny firifany. “Nanary ny fanahiko aho.”

Nitsambikina i Joseph. “Martin, narianao ve ny dikan-teny natao tanana?”

“Eny,” hoy i Martin. “Lasa izany, ary tsy fantatro hoe lasa aiza.”

“Andriamanitro ô, Andriamanitro ô,” hoy i Joseph nisento, namokona ny totohondriny. “Very izy rehetra!”

Nanomboka nivezivezy teo amin’ny gorodona izy. Tsy fantany izay tokony hataony. “Mandehana miverina,” hoy izy nandidy an’i Martin. “Tadiavo indray.”

“Tsy nahomby avokoa izany,” hoy i Martin nihiaka. “Efa nijery tamin’ny toerana rehetra tao an-trano aho. Efa nandrovitra fandriana sy ondana aza aho, ary fantatro fa tsy tao izany.”

“Tsy maintsy miverina any amin’ny vadiko miaraka amin’ny tantara toy izany ve aho?” Natahotra i Joseph hoe hahafaty azy ilay vaovao. “Dia ahoana no hisehoako eo anoloan’ny Tompo?”

Niezaka nankahery azy ny reniny. Nilaza izy fa hamela azy angamba ny Tompo raha toa ka mibebaka amim-panetrentena izy. Kanefa dia nigogogogo nitomany i Joseph izao, tezitra tamin’ny tenany tamin’ny tsy fankatoavana ny Tompo tamin’ny voalohany. Zara raha nisakafo izy ny ambin’iny andro iny. Nijanona izy ny alina dia nandeha nankany Harmony ny ampitso maraina.42

Rehefa nijery azy nandeha i Lucy dia navesatra ny fony. Toa nitsoaka tao anatin’ny fotoana fohy ny zavatra rehetra nantenain’izy ireo amin’ny maha-fianakaviana azy ireo, dia ireo zavatra rehetra izay nitondra fifaliana nandritra ireo taona vitsivitsy lasa izany.43

Fanamarihana

  1. Joseph Smith—Tantara 1:59; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 8, ao amin’ny JSP, H1:236–38 (andran-tsoratra 2); Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 6, [1]–[2]; Knight, Reminiscences, 3.

  2. Knight, Reminiscences, 3–4; Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 6, [1]–[3]; Joseph Smith History, circa Summer 1832, 1, ao amin’ny JSP, H1:11.

  3. “Mormonism—No. II,” Tiffany’s Monthly, aog 1859, 167–68; Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 6, [3]–[4]; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 8, ao amin’ny JSP, H1:238 (andran-tsoratra 2). Lohahevitra: Ireo vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna

  4. “Mormonism—No. II,” Tiffany’s Monthly, aog. 1859, 168–70.

  5. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 8–9, in JSP, H1:238 (andran-tsoratra 2); Knight, Reminiscences, 3; “Mormonism—No. II,” Tiffany’s Monthly, aog. 1859, 170.

  6. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 6, [6]; Lucy Mack Smith, History, 1845, 121.

  7. “Mormonism—No. II,” Tiffany’s Monthly, aog. 1859, 170.

  8. “Mormonism—No. II,” Tiffany’s Monthly, aog. 1859, 170; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9, ao amin’ny JSP, H1:240 (andran-tsoratra 2).

  9. Isaac Hale, Affidavit,  20 mar. 1834, ao amin’ny “Mormonism,” Susquehanna Register, and Northern Pennsylvanian,  1 mey 1834, [1].

  10. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9, ao amin’ny JSP, H1:240 (andran-tsoratra 2); Knight, Reminiscences, 3.

  11. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 6, [3]; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9, ao amin’ny JSP, H1:240 (andran-tsoratra 2); “Letter from Elder W. H. Kelley,” Saints’ Herald,  1 mar. 1882, 68; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–8 (Revelation, apr. 1829–D, ao amin’ny josephsmithpapers.org).

  12. Joseph Smith History, circa Summer 1832, 5, ao amin’ny JSP, H1:15; Knight, Reminiscences, 3. Lohahevitra: Fandikana ny Bokin’i Môrmôna

  13. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9, ao amin’ny JSP, H1:238–40 (andran-tsoratra 2); Joseph Smith History, circa Summer 1832, 5,ao amin’ny JSP, H1:15.

  14. MacKay, “Git Them Translated,” 98–100.

  15. Bennett, “Read This I Pray Thee,” 192.

  16. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9, ao amin’ny JSP, H1:240 (andran-tsoratra 2); Bennett, Journal, 8 aog. 1831, ao amin’ny Arrington, “James Gordon Bennett’s 1831 Report on ‘The Mormonites,’” 355.

  17. [James Gordon Bennett], “Mormon Religion—Clerical Ambition—Western New York—the Mormonites Gone to Ohio,” Morning Courier and New-York Enquirer, 1 sept. 1831, [2].

  18. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9, ao amin’ny JSP, H1:240–42 (draft 2); Jennings, “Charles Anthon,” 171–87; Bennett, “Read This I Pray Thee,” 178–216.

  19. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9, ao amin’ny JSP, H1:244 (andran-tsoratra 2); Bennett, Journal, 8 aog 1831, ao amin’ny Arrington, “James Gordon Bennett’s 1831 Report on ‘The Mormonites,’” 355; Knight, Reminiscences, 4. Lohahevitra: Ny firesahan’i Martin Harris tamin’ireo manampahaizana

  20. Joseph Smith History, circa Summer 1832, 5, ao amin’ny JSP, H1:15; Isaia 29:11–12; 2 Nefia 27:15–19.

  21. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 6, [8]; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9, ao amin’ny JSP, H1:244; Joseph Smith III, “Last Testimony of Sister Emma,” Saints’ Herald, 1 ôkt. 1879, 289–90.

  22. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9, ao amin’ny JSP, H1:244 (andran-tsoratra 2); Isaac Hale, Affidavit, 20 mar. 1834, ao amin’ny “Mormonism,” Susquehanna Register, and Northern Pennsylvanian, 1 mey 1834, [1]; Agreement with Isaac Hale, Apr. 6, 1829, ao amin’ny JSP, D1:28–34.

  23. Briggs, “A Visit to Nauvoo in 1856,” 454; jereo ihany koa ny Edmund C. Briggs to Joseph Smith, 4 jona 1884, Saints’ Herald, 21 jona 1884, 396.

  24. Joseph Smith III, “Last Testimony of Sister Emma,” Saints’ Herald, 1 ôkt. 1879, 289–90; Briggs, “A Visit to Nauvoo in 1856,” 454.

  25. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9, ao amin’ny JSP, H1:244 (andran-tsoratra 2); Isaac Hale, Affidavit, 20 mar. 1834, ao amin’ny “Mormonism,” Susquehanna Register, and Northern Pennsylvanian, 1 mey 1834, [1].

  26. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 6, [8].

  27. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 6, [3]–[5], [8]–[9].

  28. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 6, [9]–[10]; Joseph Smith III, “Last Testimony of Sister Emma,” Saints’ Herald, 1 ôkt. 1879, 289–90.

  29. Tao anatin’ny fitantarany ny zavatra tsaroany, dia nilaza i Emma Smith fa niasa tao anatin’ny efitrano nisy an’i Joseph sy Oliver Cowdery izy rehefa nanatontosa ny fandikan-teny izy ireo tamin’ny 1829, ary mety ho teo ihany koa izy rehefa nandika teny i Joseph sy Martin tamin’ny 1828. (Joseph Smith III, “Last Testimony of Sister Emma,” Saints’ Herald, 1 ôkt. 1879, 290.)

  30. William Pilkington, Affidavit, Cache County, UT, 3 apr. 1934, tao amin’ny William Pilkington, Autobiography and Statements, Tranomboky momba ny tantaran’ny Fiangonana; “One of the Three Witnesses,” Deseret News, 28 des. 1881, 10.

  31. Briggs, “A Visit to Nauvoo in 1856,” 454; Joseph Smith III, “Last Testimony of Sister Emma,” Saints’ Herald, 1 ôkt. 1879, 289–90.

  32. Jereo ny Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 6, [10]; Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9, ao amin’ny JSP, H1:244; Joseph Smith History, circa Summer 1832, 5, ao amin’ny JSP, H1:15; Knight, Reminiscences, 5; sy ny Historical Introduction to Preface to the Book of Mormon, circa Aug. 1829, ao amin’ny JSP, D1:92–93.

  33. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9, ao amin’ny JSP, H1:244 (andran-tsoratra 2); Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 6, [10].

  34. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 6, [10]–[11]; boky 7, [1].

  35. Joseph Smith History, circa Summer 1832, 5, ao amin’ny JSP, H1:15.

  36. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9–10, ao amin’ny JSP, H1:244–46 (andran-tsoratra 2); Lucy Mack Smith, History, 1844–45,boky 7, [1]; Knight, Reminiscences, 5.

  37. Joseph Smith History, 1838–56, boky A-1, 9–10, ao amin’ny JSP, H1:244–46 (andran-tsoratra 2).

  38. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 7, [1]–[2]. Lohahevitra: Ny fianakaviana Joseph sy Emma Hale Smith

  39. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 7, [1]–[2].

  40. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 7, [2]–[4].

  41. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 7, [5].

  42. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 7, [5]–[7]. Lohahevitra: Rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna natao tanana very

  43. Lucy Mack Smith, History, 1844–45, boky 7, [7]. Lohahevitra:Lucy Mack Smith