2010
Tsy Misy Olona Lavorary
Martsa 2010


Ho an’ny Tanora

Tsy Misy Olona Lavorary

Naniry foana aho hatrizay ny ho tahaka an’i Nefia: mpankatò tanteraka, faran’izay mahatoky ary manam-pinoana lalina. I Nefia no ohatra faratampon’ny hatsaran-toetra teo imasoko. Vitsy ny zavatra izay nahasarika ny saiko mihoatra noho ny fieritreretana ny mba hitombo ho lasa tahaka azy tokoa—na farafaharatsiny mba hanomboka ny hanana na dia ampahany kely amin’ny hatsarany aza.

Indray andro aho tratran’ny fikorontanan-tsaina kely vokatry ny fahatsapana ho toy ny tsy mahavita na inona na inona. Tena nanana fangirihana sy tanjona maro aho. Saingy toa tsy nisy na inona na inona vitako. Tao anatin’ny ranomasom-pahakiviana no namborahako ny zavatra tsapako tamin’ny raiko. Nitsangana faingana izy, dia nandeha teny amin’ny fitoeram-boky ary nisintona ny iray tamin’ireo tahadikan’ny Bokin’i Môrmônany. Tsy niteny na inona na inona izy fa nosokafany tao amin’ny 2 Nefia 4 izany ary nanomboka novakiany ny andininy faha-17.

Nisy hatsiaka toy ny herinaratra nanenika ny vatako rehefa nandre ireto teny mafonja ireto aho: “Indrisy olona fadiranovana aho!” Nikorontana ny saiko. Ahoana no ahafahan’ i Nefia ilay mahery foko sy ohatra ho ahy, hilaza fa “fadiranovana” izy? Raha fadiranovana izy dia mba ho inona aho?

Dia nikoriana tao anatiko indray ilay herinaratra rehefa namaky ny andininy faha-28 ny raiko: “Mifohaza ry fanahiko! Aza milofika ao amin’ny fahotana intsony.” Toa tsapako ho nisinda ilay rahona maizina tao an-tsaiko ary nisava mba hampiseho ny hafanana sy ny hatsaran’ilay lanitra manga sy ilay masoandro mibaliaka. Tsy misy azo hamaritana ny fomba nitondran’izany andininy izany fahazavana ho an’ny fanahiko. Vitsy ny andinin-tsoratra masina izay nameno fanantenana sy fitaomam-panahy ary fifaliana lehibe ahy toy ity iray ity.

Ao amin’ny andininy faha-30, dia tena nilaza ilay zavatra noeritreretiko i Nefia fa saingy tamin’ny alalan’ny teny manetsi-po kokoa: “Hiravoravo Aminao ny fanahiko ry Andriamanitro sy vatolampin’ny famonjena ahy.” Izany andinin-tsoratra masina izany dia nitondra fahatsapana fiadanana sy fankasitrahana noho ny famindram-po sy fitiavana lehiben’ny Tompo.

Nakombon’ny raiko ilay boky ary nohazavainy fa indraindray dia antsoina hoe salamon’i Nefia ireo andinin-tsoratra masina ireo. Dia nampianatra ahy tamim-pahatoniana izy fa na dia ny olona tena manana ny maha izy azy indrindra aza eto an-tany dia tsy lavorary ary tokony hahatsapa ny tsy fahalavorariany izy ireo raha tsy izany dia ho lasa mieboebo ary dia tsy hanana ny maha izy azy.

Azoko izany. Tsy hoe satria aho manana fahalemena dia tsy afaka ny ho lasa tahaka an’i Nefia. Ny fahatsapako ny fahalemeko dia nitondra ahy nanakaiky kokoa ny toerana nisy an’i Nefia. Nanana ny naha izy azy i Nefia satria sady nankatò sy nahatoky izy no nanetry tena sy vonona ny hiaiky ny fahelemeny.

Hatramin’io zava-nitranga io dia nomeko lanja fatratra ireo tenin’i Nefia ireo. Isaky ny mamaky izany aho dia mahatsapa ilay fientanentanana sy fitaomam-panahy tamin’ny fotoana voalohany namakiako azy. Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia manambara amiko fa zanakavavin’Andriamanitra aho ary mahavita zavatra betsaka mihoatra noho izay azoko noeritreretina. Fantatro fa raha mahatoky sy mandroso hatrany aho dia hisy fitahiana izay tsy mbola nambara, nomanina ho ahy.