2010
Fahasahiana Ara-tsaina
Martsa 2010


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Marsa 2010

Fahasahiana Ara-tsaina

Ny iray amin’ireo tanjon’ny fiainana eto an-tany dia ny fanaporofoana amin’Andriamanitra fa hitandrina ny didiny isika na dia mitaky fahasahiana aza izany. Efa afaka tamin’izany fisedrana izany isika tany amin’ny tontolon’ny fanahy. Saingy ny ampahatelon’ny tafiky ny lanitra dia tsy nanaiky ilay sosokevitra hoe hosedraina izy ireo mandritra ny fiainana an-tany satria mety tsy hahomby izy ireo.

Talohan’ny nahaterahantsika, dia fantatsika manokana Andriamanitra Ray sy ny Zanany, Jesoa Kristy. Afaka nahita sy nihaino Azy ireo isika rehefa nampianatra sy nankahery antsika Izy ireo. Ankehitriny dia misy voaly manarona ny saintsika sy ny fahatsiarovantsika. I Satana, ilay rain’ny lainga, dia manana tombony satria amin’ny alalan’ny mason’ ny finoana no tsy maintsy ijerentsika hoe iza marina moa isika, rehefa voagejan’ny fakam-panahin’izao tontolo izao sy ny fahalemena ara-batana ny vatantsika.

Mahazo fanampiana lehibe isika izay manome fahasahiana ho antsika eto amin’ity fiainana ity. Ny lehibe indrindra dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Noho ny zavatra nataony dia azo diovina amin’ny alalan’ny ranon’ny batisa ireo fahotana. Afaka manavao izany fitahiana izany isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pinoana sy miaraka amin’ny fo mibebaka.

Fanampiana hafa koa ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Mandray ny Fanahin’i Kristy isika rehefa teraka. Izany dia manome antsika hery ahafantarana raha hitondra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay ny safidy iray. Ny soratra masina dia mpitarika azo antoka rehefa mamaky azy isika ka manana ny Fanahy Masina ho toy ny namantsika.

Manome fahafahana antsika haneho fisaorana sy hangataka fanampiana ao anatin’ny vavaka ny Fanahy Masina, miaraka amin’ny fahazavan-tsaina sy fahatokiana izay efa nananantsika tamintsika niaraka tamin’ny Raintsika any an-danitra, ary ho azontsika rehefa hiverina any Aminy isika. Izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany dia manala ny tahotra ao am-pontsika satria manorina finoana sy fitiavana ny Ray any an-danitra sy Jesoa Kristy izany.

Manome fahasahiana ho antsika eo amin’ny asa fanompoantsika ny fisoronana masina. Mahazo hery hanompoana ny zanak’Andriamanitra sy hanoherana ny fitarihan’ny ratsy isika ao anatin’ireo ôrdônansiny. Rehefa miantso antsika mba hanompo izy, dia mahazo ity fampanantenana ity isika: “Ary na zovy na zovy no mandray anareo, dia ho eo koa Aho, fa Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” (F&F 84:88).

Nanana ny antony nahatonga azy hahatahotra ny Mpaminany Joseph Smith tao anatin’ny asa fanompoany. Saingy nomen’Andriamanitra fahasahiana izy miaraka amin’ity fanomezana toky tao anatin’ny ohatra nasehon’ ny Mpamonjy ity:

“Ary raha hatsipy any an-davaka ianao na eo an-tanan’ireo mpamono olona, ary handalo aminao ny fanamelohana ho faty; raha hatsipy any amin’ny lalina ianao; raha mikomy aminao ny alon-drano misamboaravoara; raha manjary fahavalonao ny rivotra mahery; raha manangona haizina ny lanitra, ary miray tsikombakomba ny singa rehetra mba hamefy ny lalana; ary ambonin’izany rehetra izany, raha ireo valanoranon’ny helo no hampitanatana ny vavany mba hitelina anao, dia fantaro anaka, fa ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany.

“Efa nidina tambanin’izany rehetra izany ny Zanak’Olona. Moa ve ianao lehibe kokoa noho Izy?” (F&F 122:7–8).

Nomen’Andriamanitra fanampiana mihoatra noho ny sahaza antsika isika mba hanalana ny tahotra ary hananantsika fahasahiana, na inona na inona atrehintsika eo amin’ny fiainana. Rehefa mikatsaka ny fanampiany isika dia afaka manandratra antsika Izy ho any amin’ilay fiainana mandrakizay izay katsahantsika.

Fampianarana avy amin’Ity Hafatra Ity

I Jesoa Kristy, Ilay Mpampianatra Lehibe, dia matetika nametraka fanontaniana mba hamporisihana ny olona hisaintsaina sy hampihatra ireo fitsipika nampianariny. … Ny fanontaniany dia nampieritreritra sy nampandini-tena ary nampanosika hanao fanoloran-tena” (Enseigner, Pas de Plus Grand Appel [1999], 68). Mamoròna sy mametraha fanontaniana maro mba hanampiana ny olona tsirairay hahatakatra sy hampihatra ireo fahamarinana nampianarina ao amin’ity hafatra ity. Ohatra, afaka manontany ianao hoe: “Inona no fanampiana nomen’Andriamanitra anao mba hanalana ny tahotra sy hanananao fahasahiana?” na “Ahoana no fomba nanampian’Andriamanitra anao mba handresenao ny tahotrao?” Entano ny olona tsirairay mba handinika ny valinteniny alohan’ny hamaliana.