2010
Manamafy Orina ny Finoana an’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fandalinanan’ny Tena Manokana ny Soratra Masina
Martsa 2010


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Marsa 2010

Manamafy Orina ny Finoana an’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fandalinana Manokana ny Soratra Masina

Ampianaro ireo soratra masina sy teny nindramina ireo, na raha ilaina, dia mampianara fitsipika iray hafa izay hitahy ireo rahavavy vangianao. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fotopampianarana. Asao ireo izay ampianarinao mba hizara ny zavatra tsapany sy nianarany.

“Raha vao nivady kelikely aho, … dia voaasa ho any amin’ny fiaraha-misakafo atoandron’ny rahavavy rehetra tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana tao amin’ny paroasiko izay na namaky ny Bokin’i Môrmôna na namaky boky kely momba ny tantaran’ny Fiangonana. Lasa mahalana ny famakiako ny soratra masina, ka tamin’ny alalan’ny famakiana ilay boky kely no naha tafiditra ahy hanatrika ilay fiaraha-misakafo atoandro satria mora kokoa izany ary fohy kokoa ny fotoana lany. Raha nihinana ny sakafo iny aho dia nanana fahatsapana mahery vaika fa na dia tsara aza ilay boky mirakitra tantara dia tokony namaky ny Bokin’i Môrmôna aho. Nibitsika tamiko ny Fanahy Masina mba hanova ny fahazarako eo amin’ny famakiana ny soratra masina. Iny andro iny ihany aho dia nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna, ary tsy nijanona intsony. … Noho ny fanombohako namaky isan’andro ny soratra masina dia nianatra zavatra momba ny Raiko any an-danitra sy Jesoa Kristy Zanany aho ary momba ny zavatra tokony hataoko mba ho lasa tahaka Azy ireo. …

“Ny vehivavy tsirairay dia afaka ny ho mpampianatra fotopampianaran’ny filazantsara ao an-tokantranony, ary ny rahavavy rehetra ao am-piangonana dia mila fahalalana mikasika ny filazantsara amin’ny maha-mpitarika sy mpampianatra azy ireo. Raha mbola tsy manana fahazarana mandalina ny soratra masina isan’andro ianao, dia atombohy anio izany ary tohizo ny fandalinana mba hiomananao amin’ireo andraikitrao eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay.”1

Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

“Hanampy ny fijoroantsika ho vavolombelona sy ny fijoroan’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika ho vavolombelona ny fandalinana ny soratra masina. Ny zanatsika ankehitriny dia miaina ao anatin’ny toerana izay voahodidin’ny feo mamporisika azy ireo hiala amin’ny marina ka hanaraka kosa ny rendrarendran’izao tontolo izao. Raha tsy manana fototra mafy orina ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo sy fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana ary fahavononana hiaina amim-pahamarinana dia mety hirona any amin’ireo zavatra misarika ireo. Adidintsika ny manamafy orina sy miaro azy ireo.”2

Filoha Thomas S. Monson.

“Tiantsika ny rahavavintsika mba hanam-pahalalana momba ny soratra masina. … Mila mahafantatra momba ny fahamarinana mandrakizainy ianao mba hahasoa anao sy mba hahafahanao hampianatra ny zanakao sy ny hafa izay mifanerasera aminao.”3

“Tiantsika ny tokantranontsika mba hanana rahavavy mahay ny soratra masina—na mpitovo ianao na manambady, na tanora na antitra, na mananotena na miaina ao anatin’ny fianakaviana iray. Aoka ho lasa manam-pahalalana momba ny soratra masina ianareo—tsy entina hanambaniana ny hafa anefa izany fa kosa entina hampitrakana azy ireo!”4

Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985).

Fanamarihana

  1. Julie B. Beck, “My Soul Delighteth in the Scriptures,” Liahona, Mey 2004, 107–9.

  2. Thomas S. Monson, “Three Goals to Guide You,” Liahona, Nôv. 2007, 118.

  3. Spencer W. Kimball, “Privileges and Responsibilities of Sisters,” Ensign, Nôv. 1978, 102.

  4. Spencer W. Kimball, “The Role of Righteous Women,” Ensign, Nôv. 1979, 102.

Fanampiana ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Mandritra ny famangianao dia mamalia fanontaniana ary mizarà toe-javatra amin’ny alalan’ny fampiasana soratra masina. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fomba nanamafisan’ny fandalinana ny soratra masina ny finoanao. Angataho ilay rahavavy vangianao mba hizara ny fomba nanamafisan’ny fandalinany ny soratra masina orina ny tokantranony sy ny fianakaviany.

Fiomanana Manokana

Jaona 5:39

2 Timoty 3:14–17

2 Nefia 9:50–51; 31:20; 32:3–5

F&F 138:1–11