2012
Noho ny Mpampianatro tao amin’ny Sekoly Alahady
Jiona 2012


Ho an’ny Tanora

Noho ny Mpampianatro tao amin’ny Sekoly Alahady

Tsy dia maneho fanajana hatrany ny ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady misy ahy. Tiako ny mihaino ny lesona isan-kerinandro, kanefa indraindray dia toa mifanohitra amin’izany ny an’ireo hafa ao an-dakilasy. Matetika izy ireo no mifampiresaka na milalao kilalao elektrônika rehefa miezaka mampianatra anay ny mpampianatra. Mampalahelo, fa indraindray aho dia mahatsapa ny tenako ho anisan’ny olana.

Indray Alahady dia tena ratsy kokoa noho ny mahazatra izahay, ara noho ny nifarana ny kilasy dia latsa-dranomaso mihitsy ny mpampianatray satria tsy nisy nihaino ny fampianarany intsony na dia iray aza. Rehefa nivoaka ny efitrano fampianarana izahay, dia nalahelo azy aho.

Ny Alahady manaraka dia nanazava ny mpampianatray fa nivavaka mafy izy tamin’io herinandro io, nikatsaka fitarihana, ka ny tonga tao an-tsainy dia hoe mila mampiseho horonan-tsary iray an’ny Fiangonana aminay izy. Natombony ilay sarimihetsika, izay niresaka momba ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fahagagana notanterahany.

Rehefa nisaintsaina momba ilay horonan-tsary aho ny hariva, dia nahatsapa zavatra hafa. Tonga saina tampoka teo aho fa nahatsapa ny Fanahy, mihoatra lavitra noho ny nahatsapako izany hatrizay. Avy hatrany aho dia nanapa-kevitra fa te-hanova ny fiainako, mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa, ary nahatsapa aho fa izany zavatra niainako tao amin’ny Sekoly Alahady tamin’io andro io dia tena nanamafy be tokoa ny fijoroako ho vavolombelona. Feno fankasitrahana tokoa aho noho ny mpampianatro tao amin’ny Sekoly Alahady sy ny zavatra rehetra nataony ho an’ny kilasinay isan-kerinandro.