2012
Famangiana Isan-tokantrano, Andraikitra Masina
Jiona 2012


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Jiona 2012

Famangiana Isan-tokantrano—Andraikitra Masina

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Amin’ny maha-mpitsidika isan-tokantrano antsika dia manana iraka masina manan-danja hotontosaina isika. “Ny eveka, izay notendrena ho mpiandry ondrin’ny paroasy, dia tsy afaka ny hijery ny ondrin’ny Tompo rehetra ao anatin’ny fotoana iray. Miankin-doha amin’ireo mpitsidika isan-tokantrano entanim-panahy izy hanampy azy.”1 Tena zava-dehibe ny fikatsahana sy ny fandraisana fanambarana ny amin’ireo izay tokony omena andraikitra hijery ny rahavavy tsirairay.

Ny fitaomam-panahy dia manomboka rehefa mifanakalo hevitra arahim-bavaka amin’ny zavatra ilain’ny tsirairay sy ny fianakaviana ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana. Avy eo, miaraka amin’ny fankatoavan’ny eveka, dia omen’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ilay andraikitra amin’ny fomba izay manampy ireo rahavavy hahatakatra fa ny fitsidihana isan-tokantrano dia andraikitra ara-panahy tena manan-danja.2

Ny mpitsidika isan-tokantrano dia lasa mahafantatra sy tia ireo rahavavy tsirairay amin-kitsim-po, sy manampy azy hampatanjaka ny finoany, ary manolotra asa fanompoana raha ilaina. Mikatsaka fitaomam-panahy manokana izy ireo hahafantatra ny fomba hihatrehana ny zavatra ilain’ny rahavavy tsirairay izay tsidihan’izy ireo eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy.3

“Lasa asan’ny Tompo ny fitsidihana isan-tokantrano rehefa mifantoka kokoa amin’ny olona isika fa tsy amin’ny isan-jato. Ny tena marina, ny famangiana isan-tokantrano dia tsy misy fiafarana. Tsy andraikitra fotsiny izany fa fomba fiainana mihitsy.”4

Avy amin’ny Soratra Masina

Matio 22:36–40; Jaona 13:34–35; Almà 37:6–7

Avy amin’ny Tantarantsika

I Eliza R. Snow, izay mpanolotsaina faharoan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nampianatra hoe: “Tena mandray ny anjara fanompoan’ny mpampianatra ho ambony sy masina aho.” Nanoro hevitra ny mpitsidika isan-tokantrano izy mba “ho fenon’ny fanahin’Andriamanitra, ny fanahin’ny fahendrena, sy ny fanetren-tena, ary ny fitiavana” alohan’ny hitsidihan’izy ireo tokantrano ka mba hahafahan’izy ireo mamantatra ireo zavatra ilaina ara-panahy sy ny ara-batana ary mihatrika izany. Nilaza izy hoe “Mety hahatsapa ianareo hoe tokony hilaza teny mitondra fiadanana sy fampiononana, ary raha mahita rahavavy iray izay mahatsiaro ho mangatsiaka, dia raiso ho eo am-ponao izy tahaka ny fandraisanao zaza iray ho eo an-tratranao, ary omeo hafanana [izy].”5

Rehefa mandroso amim-pinoana isika tahaka ny nataon’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana tany am-piandohana, dia hanana ny Fanahy Masina hiaraka amintsika ary hahazo haingam-panahy hahafantarana ny fomba hanampiana ny rahavavy tsirairay izay tsidihantsika. “Ndeha [isika] hikatsaka fahendrena fa tsy fahefana,” hoy ny Rahavavy Snow, “ary dia ho azo[ntsika] ny fahefana rehetra izay zakan’ny fahendrentsika ho ampiasaina.”6

Fanamarihana

  1. Julie B. Beck, “Fikambanana Ifanampiana: Asa Masina Iray,” Liahona, Nôv. 2009, 114.

  2. Jereo ny Manuel 2: Administration de l’Église (2010), 9.5; 9.5.2.

  3. Jereo nyManuel 2, 9.5.1.

  4. Julie B. Beck, Liahona, Nôv. 2009, 114.

  5. Eliza R. Snow, in Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society (2011), 108.

  6. Eliza R. Snow, tao amin’ny Filles dans Mon Royaume, 45–46.