2012
Nantsoin’Andriamanitra ary Tohanan’ny Olombelona
Jiona 2012


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Jiona 2012

Nantsoin’Andriamanitra ary Tohanan’ny Olombelona

Sary
Nataon’ny Filoha Henry B. Eyring

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia matetika isika no voasa hanohana ny olona nantsoina mba hanompo. Taona maro lasa izay dia nisy mpianatra iray 18 taona izay nampiseho ahy ny dikan’ny hoe manohana ireo mpanompon’ny Tompo. Tena mbola voatahy aho hatramin’izao noho ny ohatra feno fanetren-tena nasehony.

Vao nanomboka ny taona voalohany teny amin’ny oniversite izy tamin’izay. Latsaky ny herintaona no nahavita batisa azy talohan’ny nialany ny tokantrano mba hanomboka ny fianarany any amin’ny oniversite iray lehibe. Tany amin’io toerana io dia izaho no eveka.

Rehefa nanomboka ny taom-pianarana, dia nanao tafa sy dinika fohy taminy aho tao amin’ny biraon’ny eveka. Tsy dia tsaroako loatra ny resadresaka voalohany nifanaovanay afa-tsy ny firesahany ireo fanamby atrehany amin’ny io toerana vaovao misy azy io, kanefa tsy hadinoko velively ny resadresakay faharoa.

Nangataka ny hihaona tamiko tao amin’ny biraoko izy. Tena tsy nampoiziko mihitsy rehefa niteny izy hoe: “Afaka miara-mivavaka ve isika, ary tsy maninoa ve raha izaho no hanao izany?” Efa saika hiteny aho hoe efa nivavaka aho ary hinoako fa efa nanao izany koa izy. Kanefa dia nanaiky aho.

Nanomboka ny vavaka izy tamin’ny fijoroany ho vavolombelona fa ny eveka dia voantson’Andriamanitra. Nangataka tamin’Andriamanitra izy mba hilaza amiko izay zavatra tokony ataony mikasika ny zavatra iray izay misy fiantraikany goavana ara-panahy. Nilaza tamin’Andriamanitra ilay zatovolahy fa tena azony antoka fa ny eveka dia efa mahafantatra sahady ny zavatra ilainy ary hahazo izay torohevitra ilainy ho re.

Raha niteny iny izy, dia tonga tao an-tsaiko ny loza izay ho atrehiny. Tsotra ilay torohevitra kanefa dia nomena mazava tsara: mivavaka mandrakariva, mankatò ny didy, ary tsy matahotra.

Izany zatovolahy izany, izay vao herintaona tato am-piangonana, dia nampianatra tamin’ny alalan’ny ohatra fa Andriamanitra dia afaka manatanteraka zavatra iray amin’ny alalan’ny mpitarika iray rehefa tohanana amin’ny alalan’ny finoana sy ny vavak’ireo olona izay nantsoina mba hotompoiny. Nasehon’io zatovolahy io tamiko ny herin’ny lalàn’ny faneken’ny rehetra ato am-piangonana (jereo ny F&F 26:2). Na dia miantso ny mpanompony tamin’ny alalan’ny fanambarana aza ny Tompo, dia tsy afaka miasa izy ireo raha tsy aorian’ny fanohanan’ireo olona izay niantsoina azy ireo mba ho hotompoiny.

Amin’ny alalan’ny fanohanantsika, dia manao fampanantenana masina isika. Mampanantena isika fa hivavaka ho an’ny mpanompon’ny Tompo ary mba hitarika sy hampahery azy ireo Izy (jereo ny F&F 93:51). Mianiana isika fa tena hikatsaka sy hiandrandra ny hahatsapa fitaomam-panahy avy amin’Andriamanitra ao amin’ny torohevitr’izy ireo sy amin’ny fotoana rehetra izay anatanterahan’izy ireo asa noho ny antsony (jereo ny F&F 1:38).

Izany fampanantenana izany dia ilaina havaozina ao am-pontsika matetika. Ny mpampianatrao ao amin’ny Sekoly Alahady dia hiezaka ny hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy, kanefa tahaka anao ihany koa dia mety hanao fahadisoana eo anoloan’ny mpianatra izy. Ianao anefa dia afaka manapa-kevitra ny hiaino sy hijery ireo fotoana izay hahafahanao mahatsapa fa tonga ny fitaomam-panahy. Rehefa mandeha ny fotoana dia hihavitsy ireo hadisoana ho tsikaritrao ary hihamaro kosa ireo porofo ho hitanao fa manohana an’io mpampianatra io Andriamanitra.

Rehefa manangana ny tanantsika isika hanohana olona iray, dia manolo-tena hanao izay hanatrarana izay tanjon’ny Tompo rehetra izay niantsoana an’io olona io mba ho tanterahany. Fony mbola kely ireo zanakay, dia nantsoina hampianatra ireo zaza madinika tao amin’ny paroasinay ny vadiko. Tsy nanangana ny tanako fotsiny aho nanohana azy, fa nivavaka ho azy koa ary nangataka lalana ny hanampy azy. Ny lesona voaraiko mikasika ny fankasitrahana ny zavatra ataon’ireo vehivavy sy mikasika ny fitiavan’ny Tompo ireo zaza dia mbola mitahy ny fianakaviako sy ny fiainako hatrany.

Vao haingana aho no niresaka tamin’ilay zatovolahy izay nanohana ny evekany taona maro lasa izay. Henoko fa ny Tompo sy ny olona dia nanohana azy tamin’ny antsony tamin’ny naha-misiônera azy, tamin’ny naha-filohan’ny tsatòka azy, ary tamin’ny naha-ray azy. Nilaza izy rehefa nifarana ny resadresakay hoe: “Mbola mivavaka ho anao aho isan’andro.”

Afaka manapa-kevitra isika ny hivavaka isan’andro ho an’ny olona iray izay voantson’Andriamanitra mba hanompo antsika. Afaka misaotra olona iray isika izay nitahy antsika noho ny asa fanompoany. Afaka manapa-kevitra ny hanolo-tena isika rehefa misy olona iray izay notohanantsika ka mangataka olona izay afaka hanompo an-tsitrapo.1

Ireo izay manohana ny mpanompon’ny Tompo ao amin’ny Fanjakany dia hotohanana amin’ny alalan’ny Heriny tsy manan-petra. Mila izany fitahiana izany avokoa isika rehetra.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F. Smith (1998), 211–12.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Aorian’ny fizarana ny hafatra, dia diniho ny hamakiana ity teny nindramina manaraka ity: “Ny Tompo dia hahatonga anao ho fitaovana eo ampelatanany raha toa ianao ka manetry tena, sy mahatoky, ary mazoto. … Handray hery fanampiny ianao rehefa tohanan’ny mpiara-mivavaka sy atokana” (Teaching, No Greater Call [1999], 20). Asao ny fianakaviana hiangona manodidina ny zavatra mavesatra iray ary mangataha olona iray hiezaka hibata izany. Ampio olona iray fanampiny tsikelikely hatrany izany ka asao ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana hanampy hibata ilay zavatra. Ifanakalozy hevitra ny zava-miseho rehefa ny olon-drehetra no manampy. Antitrantero ny torohevitry ny Filoha Eyring momba ireo fomba tsara azontsika atao mba entina hanohanana ny hafa eo amin’ny antson’izy ireo.