2012
Ry Amiga Malala
Ôktôbra 2012


Ry Amiga Malala

Maneho ny fiarahabana avy aty Mexique! Tena faly aho naharay ny taratasinao ary nandre fa efa atsy ho atsy ny tsingerintaona nahaterahanao. Toa somary sahiran-tsaina kely ihany ianao amin’ ny hoe handao ny Kilonga. Mamela ahy ianao hiresaka momba ny fotoana nidirako tao amin’ ny Zatovovavy?

Izaho koa dia sahiran-tsaina tamin’ ny hoe handao ny Kilonga. Niahiahy aho hoe mety tsy hanana namana. Nampatahotra ahy ny hoe iray amin’ ireo ankizivavy zandriny indrindra aho fa tsy mba hoe zokiny indrindra.

Saingy nizotra tsara ny zava-drehetra. Nanao dinidinika tamiko ny eveka talohan’ ny tsingerintaona nahaterahako ary nilaza tamiko fa ho zavatra tsara ilay fiovana. Rehefa tonga ny Alahady dia mbola nahatsapa ho menatra aho ary nijanona tao amin’ ny Kilonga. Soa ihany fa hitan’ ny iray tamin’ ireo mpitarika tao amin’ ny Zatovovavy tao aho. Hoy izy hoe: “Efa fantatro fa ho hitako ato ianao! Avia, fa tonga ny fotoana hanatrehana ny fotoam-pianarana.”

Niarahaba ahy Rahavavy Diaz nandritra ny fotoana fanombohana ary nanome ahy boky telo izay lasa tiako: Jeunes Soyez Forts, Mon Progrès Personnel, ary diary iray. Rehefa nijery ny nanodidina an’ ilay efitrano aho dia nahatsapa fa nahafantatra ny sasany tamin’ ireo ankizivavy tany amin’ ny Kilonga. Ny sasany tamin’ ireo ankizivavy izay tsy fantatro dia niarahaba ahy. Vetivety dia nahatsapa fiadanana aho fa tsy tahotra.

Nizotra tsara tsikelikely ny zavatra rehetra taorian’ izany. Zavatra niavaka ho ahy ny fiaraha-mientana ifampizarana satria nampianatra ahy ny fomba hiainana ny filazantsara izy ireo sy ny fomba hanampiana ny fianakaviana sy ny namana. Ary tena mahafinaritra ny mandeha milasy isan-taona! Noho izaho efa Ravintsara ankehitriny dia manantena ny hahavita ny Mon Progrès Personnel atsy ho atsy. Tsy andriko ny hanaovako an’ ilay rojon’ ny Zatovovavy mba hahafahan’ izany mampahatsiahy ahy hoe tena lasa nanakaiky bebe kokoa ny Ray any an-danitra aho mandritra ny fotoana maro.

Noho izany dia aza matahotra ry namako. Avelaro ny elatrao dia manidinà any amin’ ny Zatovovavy. Mampanantena aho fa tsy hanenina ianao.

Amim-pitiavana

Maribel

Sary nataon’ i Brad Clark