2012
Vaovao Manodidina ny Fiangonana
Ôktôbra 2012


Vaovao Manodidina ny Fiangonana

Nitokana ny Foibe Vaovao Fanofanana Misiônera tany Philippines ny Apôstôly Iray

Ilay Foibe Fanofanana Misiônera any Philippines izay notokanan’ ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ ny 20 Mey 2012, dia afaka mampiantrano misiônera hatramin’ ny 144 avy any Philippines, Cambodge, Hong Kong, Inde, Indonésie, Mongolie, Pakistan, Sri Lanka, Taiwan, ary Thailande. Ireo misiônera ireo dia hofanina amin’ ny alalan’ ny fiteny any amin’ ny firenena niaviany.

Ireo tranobe anankiroa izay mandrafitra ilay foibe vaovao dia ahitana efitrano lehibe fivoriana, efitra kely ho an’ ny fandikan-teny, efitrano manokana hikirakirana ireo solosaina, toerana fanasan-damba, efitrano fampianarana efa misy fitaovana ho an’ ny haino aman-jery, efitrano fatoriana ho an’ ireo misiônera, sy trano fianarana ary birao.

Tao anatin’ ny fanolorana ny vavaka fanokanana an’ ilay trano vaovao dia naneho ny fankasitrahana ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy ny Loholona Nelson ary fankasitrahana an’ ireo misiônera sy ny mpikamban’ ny Fiangonana mahatoky maneran-tany izay tia ny Tompo sy manompo Azy. Nangataka tsodrano izy ho an’ ny Repoblikan’ i Philippines “mba hanokatra foana ny varavarana handraisana” ireo mpanompon’ ny Tompo rehetra ary nivavaka mba hananan’ ny vahoakan’ io firenena io “fahalalahana sy fahatsiarovan-tena hivoatra ara-nofo sy ara-panahy ao anatin’ ny fahamarinana.”

Ny Tempolin’ i Manaus Brésil no tempolin’ ny Fiangonana faha-138 Maneran-tany ary Fahenina any Brésil

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany dia nitokana ny Tempolin’ i Manaus Brésil—tempolin’ ny Fiangonana faha-138 maneran-tany ary fahenina any Brésil—tamin’ ny 10 Jiona 2012.

Ny finoana sy ny fanoloran-tenan’ ireo Olomasin’ ny Andro Farany mipetraka any Brésil, izay ahitana mpikambana mihoatra ny iray tapitrisa dia azo oharina amin’ ny Renirano Amazone hoy ny Filoha Uchtdorf—izay samy mikoriana lalina sy matanjaka.

Nandritra ny 20 taona mahery izay, ireo mpikamban’ ny Fiangonana avy any Manaus izay tanàna mitoka-monina ao anivon’ ireo renirano lehibe sy ireo ala kitroka mandolava, dia nanao diabe miaraka mba handehanana any amin’ ny tempolin’ i São Paulo, Brésil—dia izay mandritra ny 15 andro mandroso ary toy izay koa miverina ka atao amin’ ny alalan’ ny sambo sy ny fiara fitaterambahoaka—ary taty aoriana dia tany amin’ ny tempolin’ i Caracas, Venezuela—izay dia 8 andro amin’ ny alalan’ ny fiara fitarerambahoaka.

Ny Loholona Claudio R. M. Costa ao amin’ ny Fitopololahy no filohan’ ny Misiônan’ i Manaus Brésil rehefa nisokatra izany tamin’ ny 1990.

“Matoky aho fa ho feno olona isan’ andro ny Tempolin’ i Manaus, satria tia ny tempoly ireo olona ireo,” hoy ny Loholona Costa. “Mampianatra ny zanany hitia ny tempoly izy ireo. Tena sarobidy ho azy ireo ny tempoly.”

Mankalaza ny Faha-50 Taona nahazoany ny Fahaleovan-tenany sy ny Tsatòkany Voalohany ireo Mpikamban’ ny Fiangonana Samôana

Tamin’ ny 1 Jiona 2012 dia Olomasin’ ny Andro Farany teo amin’ ny 350 teo tany Samôa niaraka tamin’ ny Samôana hafa no nitanjozotra tao anatin’ ny fampisehoana an-dalambe nanaraka an’ ireo araben’ i Apia ho fankalazana ny fahaleovan-tena. Dimampolo taona lasa izay tamin’ ny 1962 no nahazoan’ ity firenena ity ny fahaleovan-tenany tamin’ i Nouvelle Zélande.

Nandray anjara tamin’ izany ireo fikambanana, sekoly, fiangonana teo an-toerana ary fikambanana iraisam-pirenena. Ireo mpianatra Olomasin’ ny Andro Farany dia nampifalifaly ireo mpijery an’ alinkisa tamin’ ny alalan’ ireo vondron’ olony nanao ilay filaharana.

Saingy izany faran’ ny herinandro izany dia nahitana fankalazana zavatra iray hafa ho an’ ireo Olomasin’ ny Andro Farany Samôana. 50 taona lasa koa izay no nanorenana ny tsatòka voalohany tao amin’ io firenena io tany Apia.

Ny Alahady 3 Jiona, ny Loholona James J. Hamula sy ny Loholona Kevin W. Pearson avy ao amin’ ny Fitopololahy, izay samy mpikambana ao amin’ ny Fiadidian’ ny Vondrom-paritra Pasifika, dia nandray fitenenana teo anoloan’ ireo Olomasin’ ny Andro Farany sy vahiny nandritra ny fivoriana iray manokana izay nampitaina mivantana tany amin’ ireo trano fivorian’ ny Olomasin’ ny Andro Farany nanerana io firenena io.

Raha mijery ny ho avy, ireo Olomasin’ ny Andro Farany aty Samôa dia mikatsaka ny hanohy hanompo sy hanamafy orina ny fianakaviany, ny tanànany ary ny fireneny hoy ny Loholona Hamula, izay Filohan’ ny Vondrom-paritra. “Mampitolagaga ny fivoarantsika amin’ ny maha Fiangonana antsika eto ary mivoatra isika any amin’ ny fianakaviantsika sy eo amin’ ny fiainantsika manokana rehefa mikatsaka ny hanaraka ireo fampianarana sy ohatra nasehon’ i Jesoa Kristy,” hoy izy.

Misiônera hatramin’ ny 144 avy any Philippines, Cambodge, Hong Kong, Inde, Indonésie, Mongolie, Pakistan, Sri Lanka, Taiwan, ary Thailande no hofanina amin’ ny fiteny any amin’ ny firenena niaviany ao amin’ ilay Foibe Fanofanana Misiônera vaovao any Philippines.

Sary nalain’ i Noel Maglaque