2012
Manaja ny Fanekempihavanantsika
Ôktôbra 2012


Hafatra ho an’ ny Famangiana Isan-tokantrano

Manaja ny Fanekempihavanantsika

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ ny fiainanao.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Ny famangiana isan-tokantrano dia fanehoana ny maha-mpianatra antsika ary fomba iray hanajana ny fanekempihavanantsika rehefa mifanompo sy mifankahery isika. Ny fanekempihavanana dia fifanekena masina sy maharitra eo amin’ Andriamanitra sy ireo Zanany. “Rehefa tsapantsika fa zanaky ny fanekempihavanana isika dia fantatsika hoe iza isika ary inona no antenain’ Andriamanitra amintsika,” hoy ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo. “Voasoratra ao am-pontsika ny lalàny. Andriamanitsika Izy ary vahoakany isika.”1

Amin’ ny maha-mpamangy isan-tokantrano antsika dia afaka mampatanjaka ireo izay vangiantsika isika eo amin’ ny ezaka ataon’ izy ireo amin’ ny fihazonany ny fanekempihavanany ho masina. Amin’ ny alalan’ ny fanaovana izany dia manampy azy ireo isika hiomana amin’ ireo fitahiana mandrakizay. “Ny rahavavy rehetra ao amin’ ny Fiangonana izay nanao fanekempihavanana tamin’ ny Tompo dia manana andraikitra masina mba hamonjy fanahy, hitarika ny vehivavin’ izao tontolo izao, hanamafy orina ireo tokantranon’ i Ziona ary hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra,”2 hoy ny Loholona M. Russell Ballard avy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo.

Rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana masina isika dia lasa fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra. Ho afaka mampiasa ny finoantsika isika ary hanamafy orina ny finoana ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy eo amintsika samy isika.

Avy amin’ ny Soratra Masina

1 Nefia 14:14; Mosià 5:5–7; 18:8–13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:78; 84:106

Avy amin’ ny Tantarantsika

Ny tempoly dia “toeran’ ny fanati-pisaorana ho an’ ny olomasina rehetra,” hoy ny nambaran’ ny Tompo tamin’ ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ ny 1833. Izany dia “toeran’ ny fianarana ho an’ ireo rehetra izay nantsoina ho amin’ ny asa fanompoana na amin’ ireo antso sy anjara fanompoana maro ananany; mba hahazoana manao azy ho tanteraka amin’ ny fahatakarana ny asa fanompoany, amin’ ny foto-pisainana, amin’ ny fitsipika ary amin’ ny fotopampianarana, amin’ ny zavatra rehetra mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany.” (F&F 97:13–14).

Ireo rahavavin’ ny Fikambanana Ifanampiana tany Nauvoo, Illinois tamin’ ny taona 1840 dia nifanampy mba hiomana amin’ ireo ôrdônansin’ ny tempoly. Tao amin’ ireo ôrdônansin’ ny fisoronana ambony kokoa izay noraisin’ ireo Olomasin’ ny Andro Farany tany amin’ ny Tempolin’ i Nauvoo, dia “[n]iharihary ny herin’ ny toetra araka an’ Andriamanitra” (F&F 84:20). “Rehefa nitandrina ny fanekempihavanany ireo Olomasina, dia nampatanjaka sy nanohana azy ireo tao anatin’ ireo fitsapany tao anatin’ ireo andro sy taona maro taty aoriana izany.3

Ao amin’ ny Fiangonana ankehitriny, ireo vehivavy sy lehilahy mahatoky manerana an’ izao tontolo izao dia manompo any amin’ ny tempoly ary manohy mahazo tanjaka ao anatin’ ireo fitahiana izay tsy azo raha tsy amin’ ny alalan’ ny fanekempihavanana any amin’ ny tempoly ihany.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Covenants,” Liahona, Nôv. 2011, 88.

  2. M. Russell Ballard, “Women of Righteousness,” Liahona, Des. 2002, 39.

  3. Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society (2011), 133.

Nauvoo Illinois Temple, nataon’ i Scott Goodwin