2012
Mampianatra ny Fahamarinan-toetra ao An-tokantrano
Ôktôbra 2012


Fianarana Filazantsara

Mampianatra ny Fahamarinan-toetra ao An-tokantrano

I Delbert L. Stapley dia teraka tamin’ ny 11 Desambra 1896 tany Arizona, Etazonia. Izy dia natokana ho mpikambana iray ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ ny 5 Ôktôbra 1950 ary nanompo tao amin’ izany kôlejy izany mandrapahafatiny tamin’ ny 19 Aogôsitra 1978. Ity lahateny tao anatin’ ny fotoam-pivavahana iray ity dia nomena tao amin’ ny Oniversiten’ i Brigham Young tamin’ ny 1 Febroary 1977. Ny lahatsoratra iray manontolon’ ity lahateny ity amin’ ny teny Anglisy dia azo jerena ao amin’ ny speeches.byu.edu.

Sary
Loholona Delbert L. Stapley

Andraikitra no sady fitahiana ho an’ ny ray aman-dreny ny mampianatra sy manofana ny zanany mba hiaina amim-pahamarinana.

Ny Ray aman-dreny dia manana fahafahana hampianatra sy hamolavola ny toetran’ ny zanany alohan’ ny hananan’ i Satana fahefana haka fanahy azy ireo ary alohan’ ny hahafeno valo taona azy ireo izay hahatonga azy ho tompon’ andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ izay fotoana izay. … Nomen’ ny Tompo an’ ireo ray aman-dreny ireo taona sarobidy ireo, dia ireo taona voalohany eo amin’ ny fiainan’ ny ankizy iray izany, rehefa mbola tsy tompon’ andraikitra eo amin’ ny zavatra izay lazainy na ataony izy ireo. Andraikitra no sady fitahiana ho an’ ny ray aman-dreny ny mampianatra sy manofana ny zanany mba hiaina amim-pahamarinana.

Ny fomba tena mahomby indrindra mba hampianarana ny fahamarinan-toetra sy ny finoana ao an-tokantrano dia amin’ ny alalan’ ny ohatra. Antenaina fa ny ray aman-dreny dia nanao izay hahatsara sy hampadio ny fiainany manokana ary amin’ izay izy ireo dia hanana fahafahana tsara hampiasa ny ohatry ny fiainany ao anatin’ ny fampianarana sy fanofanana ny zanany manokana. [Nampianatra ny Filoha David O. McKay (1873–1970) hoe:] “Raha hampianatra ny finoana an’ Andriamanitra ianao dia asehoy azy aloha ny finoanao Azy. Raha hampianatra momba ny vavaka ianao dia mivavaha aloha. … Raha tianao ho tony izy ireo dia ianao mihitsy aloha no tokony hijanona tsy hihotakotaka. Raha tianao hanana fiainana feno hatsaran-toetra sy fifehezan-tena ary zavatra tsara ny zanakao dia manehoa ohatra mendrika aminy aloha mikasika ireo zavatra rehetra ireo.1 Mba hanaovana izany dia ataovy mahaliana ireo fampianarana ireo ary rehefa mahazo fitarihana toy izany avy amin’ ny ray aman-dreny izy ireo dia afaka miaro ny tenany amin’ ireo fakam-panahin’ i Satana izay ny hamotika ny fiainan’ izy ireo no tanjony rehefa tonga eo amin’ ny taona maha-tompon’ andraikitra izy ireo. Ny ray aman-dreny dia manana andraikitra ny ho lasa tahaka ilay olona izay tiany hahatongavan’ ny zanany eo amin’ ny lafin’ ny fahalalam-pomba, fahitsim-po, fahalalana onony ary herim-po hanao ny tsara amin’ ny fotoana rehetra. Ny ohatra dia mahery vaika kokoa noho ny fampianarana.

Ny fiainan-tokantrano isan’ andro dia tokony hifanaraka amin’ ireo fitsipiky ny Fiangonana. Ny asa fandraharahana ataontsika dia tokony hifanaraka amin’ ny finoantsika. Mora mahatsikaritra ny tsy fahitsim-po ny ankizy. I John Milton dia nilaza fa ny fihatsarambelatsihy no hany fahotana izay tsy misy mahita afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Ny ankizy anefa dia mora mahatsapa ny zavatra tsy mety ary tezitra rehefa misy tsy fahitsim-po sy fahamatin-kambo. Fantatsika fa ny ankizy dia voasarika lavitra kokoa amin’ ireo toriteny iainantsika noho ny toriteny zaraintsika. Tokony ho marin-toetra amin’ ny zanany ny ray aman-dreny ary mitazona ireo fampanantenana nataon’ izy ireo tamin’ ny zanany ary milaza ny marina foana. Ny ray aman-dreny tsy mba miovaova no ahatokisan’ ny zanany. Rehefa mahatsapa ny zanaka fa manaja ny fahatokiany anao ianao ary matoky azy koa ianao dia tsy hanimba izany izy na koa handoto ny anaranao. …

Tsy tokony hiady velively eo anatrehan’ ny zanany ny ray aman-dreny. Indraindray ny ady dia miseho noho ny fiezahana manitsy na mibedy ny zanaka iray. Mitsikera ny ray na ny reny dia manohitra izany ny hafa. Ary ilay hery mitarika izay mampiray ao anatin’ ny tokantrano raha ho an’ ilay zanaka dia tsy manan-kery intsony. Ny ray aman-dreny dia tokony hiray hina eo amin’ ny famantarana ny lalana tian’ izy ireo handehanan’ ny zanany. Raha tsy izany dia mety handeha any amin’ ny lalana tsy izy izy noho ny fisafotofotoana. Hoy i Richard L. Evans hoe: “Ny tsy fitovian-kevitry ny ray aman-dreny dia tsy rariny ary mampisafotofoto sy mamparefo ny fototra iorenan’ ny fianakaviana. Ireo olona tokony hitadiavan’ ny zanaka iray fitarihana dia tsy maintsy miray saina ao anatin’ ilay fitarihana omen’ izy ireo.”2 Fantatsika fa ny zanaka dia mora mahafantatra ny toe-tsaina amam-panahin’ ny fianakaviana sy ny zavatra tsapany. Izy ireo dia afaka mahatsapa ny fisian’ ny fifandirana sy ny tsy fitovian-kevitra izay tsy voatery takatr’ izy ireo na voafaritr’ izy ireo foana. …

Ny zanaka iray dia manana zo hahatsapa fa ao amin’ ilay tranony dia manana toerana hialofana izy, toerana misy fiarovana amin’ ireo loza sy ratsy eo amin’ izao tontolo izao izay any ivelany. Ny firaisan-kina sy ny fahamarinan-toetra eo amin’ ny fianakaviana dia ilaina mba hanomezana izany zavatra ilaina izany. Tsy misy toerana hafa ankoatra ny tokantrano izay ahitana fa ny fifaliana marina sy maharitra mety ho azo eto amin’ ity fiainana ity. Azo atao ny manao ny tokantrano ho toy ny lanitra. Izaho dia tena maka sary an-tsaina ny lanitra ho toy ny fitohizan’ ilay fiainan-tokantrano tena tsara eto an-tany.3 …

Ny filazantsara rehefa ampianarintsika dia marina. Velona i Kristy, velona Andriamanitra ary misy lapa lehibe nomanina any ambony any ho an’ ireo zanany rehetra izay mahatoky sy be fanoloran-tena. Arafeto dieny izao ny karazana tokantrano sy fianakaviana irianao ary ny fomba hanomezanao ireo zavatra ilain’ ny zanakao mba hihazonana azy eo amin’ ny lalana marina izay hitondra ny fianakaviana any amin’ ny fiainana mandrakizay ao amin’ ilay trano fonenana selestialy. Andriamanitra anie hitahy anareo rehetra ry rahalahy sy anabavy. Mihevitra aho fa takatrareo hoe ny ankamaroan’ ny zavatra nolazaina dia mikasika anareo. Ary ny fandrindrana sy ny fikolokoloana ny tokantranonareo amin’ ny fomba masina dia tena zava-dehibe ho an’ ny tanora izay tonga mba hitahy ny fiainanareo.

Fanamarihana

  1. David O. McKay, Secrets of a Happy Life, comp. Llewelyn R. McKay (1967), 11.

  2. Richard Evans’ Quote Book (1975), 23.

  3. Jereo ny David O. McKay, Gospel Ideals (1953), 490.

Sary nataon’ i Craig Dimond © IRI