2012
Akanjo sy Bika Aman’ endrika: ‘Aoka ny Fanahy Masina Hitarika’
Ôktôbra 2012


RY TANORA, MAHEREZA

Akanjo sy Bika Aman’ endrika: “Aoka ny Fanahy Masina Hitarika”

Sary
Mary N. Cook

© Busath Photography

Amin’ ny maha-solontenan’ i Kristy antsika, dia maneho fanajana ny vatantsika isika “amin’ ny fotoana rehetra sy amin’ ny zava-drehetra ary amin’ ny toerana rehetra” amin’ ny alalan’ ny fanarahana fitsipika vitsivitsy.

Nanao akanjo maotina foana i Kim. Inday andro aho nanontany ny heviny mikasika ny hoe, inona no atao hoe zipo maotina, lobaka maotina, ary akanjo filomanosana maotina ho azy. Raha tokony hanome ireo refy marin’ ny jongy sy ny vozon’ akanjo izahay dia nifanakalo hevitra kosa mikasika an’ ireo fitsipika manodidina ny fahamaotinana sy ny olana eo amin’ ny fitadiavana akanjo maotina nefa tsara. Nankafy ny fizarana hevitra mikasika ny fitadiavana fomba hanalavana ny zipo ao anatin’ ny saina tia mamorona izahay. Farany dia nilaza i Kim hoe: “Raha vao ampidiriko ny akanjo iray ka tsy mahazo aina aho dia matetika midika izany fa tsy maotina ilay izy ary tsy hahazo aina aho raha hanao izany. Nianatra aho fa tsy tokony hividy izany velively. Averiko fotsiny eny amin’ ny fitoerany izany.”

Rehefa miezaka ny miaina amim-pahamendrehana i Kim dia afaka mitarika azy eo amin’ ny fisafidianany ny akanjony ny Fanahy Masina. Miaina amim-pahalalahan-tanana ny fitsipiky ny fahamaotinana izy ary tsy miezaka manova ny fitsipiky ny akanjo sy bika aman’ endrika. Takany fa tempoly ny vatany (jereo ny 1 Korintiana 3:16) ary manana andraikitra hikarakara, sy hiaro ary hampitafy izany araka ny tokony ho izy.

Rehefa aorina ny tempoly iray dia misy fikarakarana lehibe atao mba hahazoana antoka fa voaro sy voahaingo tsara anatiny sy ivelany izany. Ny fanalahidin’ ny fandrafetana ny tempoly dia ny fahatakarana fa ny tempoly dia maneho ny Tompo—tranony izany. Manaja ny tempoly ho toy ny trano masina isika izay ireo mendrika ihany no afaka miditra ao. Manome voninahitra ny tempoly isika satria ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana izay andraisantsika anjara dia manao izay ahafahantsika hiverina any amin’ ny Raintsika any an-danitra.

Ny vatanao dia sarobidy kokoa noho ny tempoly faran’ izay tsara indrindra eto an-tany. Zanakalahy na zanakavavy malalan’ Andriamanitra ianao! Ireo fitsipika ireo ihany koa—fanehoana, fanajana, fanajana lalina—dia tena miantefa bebe kokoa amin’ izany mba hikarakana sy hiarovana ny vatanao.

Fanehoana

Isaky ny mandray ny fanasan’ ny Tompo isika dia mitondra eo amintsika ny anaran’ ny Mpamonjy. Solontenany eto an-tany isika. Ny iray amin’ ireo torolalana ao amin’ ny Jeunes Soyez Forts dia milaza hoe: “Afaka mampiseho amin’ ny [Tompo] ny fahafantaranao ny maha-sarobidy ny vatanao ianao amin’ ny alalan’ ny akanjonao sy ny bika aman’ endrikao. Afaka mampiseho ianao fa mpianatr’ i Jesoa Kristy ary tianao Izy.”1

Rehefa namaky izany fanambarana izany ny zatovovavy iray dia nanapa-kevitra izy fa tsy te handeha amin’ ny lalan’ ny tsy fahamaotinana izy na dia hoe hanakaiky izany fotsiny aza. Tonga dia nesoriny daholo izay zavatra tao amin’ ny fitoeran’ akanjony ka tsy nifanaraka tamin’ ny maha-solontenan’ ny Mpamonjy. Hoy izy hoe: “Ho tena nahiran-tsaina aho raha toa ka tsy nanandrana akory ireo akanjo tany amin’ ny fivarotana ireo izay fantatro fa tsy tokony hanaovako. Nahoana no manaiky alaim-panahy? Ny fitsipiky ny fanehoana dia nanampy azy handray izany fanapahan-kevitra hentitra izany.

Sary
young woman looking at shirt in mirror

Sary nataon’ i Cody Bell

Fanajana

Amin’ ny maha-solontenan’ i Kristy antsika dia maneho fanajana ny vatantsika isika “amin’ ny fotoana rehetra sy amin’ ny zava-drehetra ary amin’ ny toerana rehetra” (Môsià 18:9) amin’ ny alalan’ ny fanekena ny hanaraka fitsipika vitsivitsy. Ny Tompo dia miaiky fa ireo izay madio ihany no afaka miditra ao amin’ ny tempoly. Ny safidinao ho masina dia porofon’ ny fanajanao ny Tompo sy ny vatanao.

Tokony haneho fanajana ny vatan’ ny hafa koa isika ary manampy azy ireo hanana fiainana masina. Ny Loholona M. Russell Ballard avy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Ny [zatovovavy] dia mila mahatakatra fa rehefa manao akanjo tery loatra na fohy loatra na mampiseho tratra bebe loatra izy ireo dia tsy hoe afaka mampita hafatra diso amin’ ny zatovolahy ifaneraserany fotsiny, fa mampitoetra maharitra ao an-tsainy ilay hevitra diso hoe ny lanjan’ ny vehivavy dia tsy miankina afa-tsy amin’ ilay herin-tsintony manaram-batana. Tsy ao anatin’ ilay famaritana marina momba ny zanakavavy mahatokin’ Andriamanitra velively izany ary tsy ho ao anatiny na oviana na oviana.”2

Ry zatovovavy, hajao ny vatanao ary ampio ny hafa, indrindra ireo zatovovavy, mba hihazona eriteritreritra sy fihetsika tsara. Hajao ny vatanao rehefa mahafantatra ianao fa ny fiainana amim-pahamarinana isan’ andro dia manome lanjany mandrakizay anao.

Fanajana lalina

Ny Loholona Robert D. Hales avy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra antsika hoe: “Toy ny fanehoan’ ny tokotanin’ ny tempoly ny maha-masina sy ny fanajana ny zavatra atao ao anatin’ ny tempoly no hanehoan’ ny fitafiantsika koa ny hatsaran’ ny ao anatintsika. Ny fomba fiankanjontsika dia maneho ny fanajantsika tanteraka na tsia … ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana mandrakizay ary maneho ny fiomanantsika na tsia mba handray azy ireo.”3

Asehoy ny fanomezanao voninahitra an’ ilay sorompanavotan’ ny Mpamonjy amin’ ny alalan’ ny fanaovanao “ny akanjonao tsara indrindra fitondra Alahady” mba handraisana anjara amin’ ny ôrdônansin’ ny fanasan’ ny Tompo. “Ny zatovolahy dia tokony hanao akanjo maneho fahamendrehana rehefa mandray anjara ao amin’ ny ôrdônansin’ ny fanasan’ ny Tompo.”4 Ry zatovovavy, manaova akanjo maotina.

Mitsangana! Aoka ianao ho ohatra eo amin’ ny fanaovana akanjo maotina na any an-trano na any an-tsekoly na eny amoron-dranomasina na any am-pandihizana na rehefa manao fanatanjahan-tena. Araka ny ohatra nasehon’ i Kim rehefa mifidy ny akanjonao ianao dia avelao ny Fanahy Masina hitarika anao ao anatin’ izay fanapahan-kevitra raisinao. “Manontania tena hoe: ‘Hahazo aina ve aho amin’ izao fitafiko izao raha toa ka teo ny Tompo?’”5

Raha miaina an’ ireo fitsipika telo ireo ianareo—fanehoana, fanajana, ary fanomezam-boninahitra—rehefa misafidy ny akanjonareo ianareo dia “hamirapiratra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5) amin’ ny maha-solontena malalan’ ny Mpamonjy.

Fanamarihana

  1. Jeunes Soyez Forts (bokikely, 2011), 6.

  2. M. Russell Ballard, “Mothers and Daughters,” Liahona, Mey 2010, 20.

  3. Robert D. Hales, “Modesty: Reverence for the Lord,” Liahona, Aog. 2008, 20.

  4. Jeunes Soyez Forts, 8.

  5. Jeunes Soyez Forts, 8.