2012
Nampahatanjahan’ ny Teny
Ôktôbra 2012


Nampahatanjahan’ ny Teny

Sary
young man with a backpack

Sary nalain’ i Josué A. Pena sy Gloria Hiatt

Mijoro ho vavolombelona mikasika ny fotoana nampianaran’ ny soratra masina azy sy nankaherezany azy ary nitarihany azy ireo zatovo.

Nangataka ny zatovo izahay mba hilaza aminay mikasika ny fotoana iray izay nitondran’ ny soratra masina iray nataon’ izy ireo tsianjery fanampiana azy ireo araka ny nolazain’ ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana tamin’ ny Ôktôbra 2011 (jereo ny faritra eo amin’ ny sisiny.) Indreto ny sasantsasany amin’ ireo valinteniny.

Fiadanana ho an’ ny Fanahiko

“Anaka, fiadanana anie ho an’ ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy” (F&F 121:7).

Ny soratra masina izay nanome ahy fankaherezana lehibe indrindra nandritra ny taona maro dia ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7, raha tao amin’ ny Fonjan’ i Liberty ny Mpaminany Joseph Smith nitahalo tao anatin’ ny ranomaso mba hahazo fanampiana avy amin’ ny Ray any an-danitra. Notadidiako izany andinin-tsoratra masina izany nandritra ny seminera ary mamerina izany ato an-tsaiko aho rehefa mila fankaherezana. Mampahatsiahy ahy izany fa tia ahy ny Raiko any an-danitra ary fantany ny fitsapako. Nampiasaiko io andinin-tsoratra masina io mba hitondra fiadanana ho ahy rehefa ao anatin’ ny fotoana misy fahasorenana sy fahalemena.

Izany andinin-tsoratra masina izany dia nanampy ahy rehefa tany anaty lanonana aho ka lasa niova amin’ ilay endrika fantatro fa tokony halaviriko izany. Nanda tamim-panajana an’ ireo namako aho rehefa nangataka ahy mba hisotro sy hifoka izy ireo. Io andinin-tsoratra masina io dia nanome hery izay nilaiko mba hijoroako amin’ ny finoako.

Io andinin-tsoratra masina io koa dia nanampy ahy handray fanapahan-kevitra sarotra. Mpinamana tsy azo sarahina izaho sy izay namako izay nandritra ny dimy taona. Niaraka nanao fanatanjahan-tena izahay, sy niaraka nandeha nanao dia lavitra ary nivoaka isaky ny faran’ ny herinandro. Saingy nanomboka nivoaka niaraka tamin’ ny vondron’ ny mpinamana efa lehibebe nefa tsy tiako hiarahana izy. Tamin’ ny farany dia nasainy nisafidy aho hoe na hanana azy ho namana na hifikitra amin’ ny finoako mikasika ny Tenin’ ny Fahendrena sy ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena. Tena kivy aho. Tsy fantatro velively hoe ho mafy toy izany ny fijoroako amin’ ny zavatra inoako. Saingy nisafidy ny haka namana vaovao aho ary nitazona tao an-tsaiko foana ny fampanantenan’ ny Ray any an-danitra tamin’ i Joseph Smith hoe hilamina tsara ny zava-drehetra.

Tsy misy zavatra manan-danja hafa tokony hampandeferako ny finoako ary miaina fifaliana marina sy maharitra aho rehefa misafidy ny tsara. Io soratra masina io dia nampatanjaka ny fijoroako ho vavolombelona ary nanome fanampiana rehefa nilaiko izany.

Lauren J. 16 taona, Arkansas, Etazonia

Hatanjaka ireo zavatra malemy.

Volana vitsivitsy talohan’ ny fitsapam-pahaizana hidirana ao amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa dia tsy nahatsapa hoe vonona aho. Azoko antoka fa tsy ho tanteraka ny hoe hahomby. Noho izany dia nitodika tany amin’ ny Ray any an-danitra tamin’ ny alalan’ ny vavaka aho. Rehefa nivavaka aho dia tonga tao an-tsaiko ireto teny ireto: “Ary raha manatona Ahy ny olona, dia hasehoko azy ny fahalemeny. Omeko ho an’ ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry; ary ampy ho an’ ny olon-drehetra ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’ izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.” (Etera 12:27).

Nahatsapa aho fa rehefa mivavaka amin’ ny Ray any an-danitra mba hahazo hery hiatrehana ireo olana sy fitsapana dia mitahy ahy Izy ary manampy handresy ny fahalemeko. Ny fanambarako ny olako tamin’ ny Tompo no fanapahan-kevitra tsara indrindra azoko noraisina. Mpampianatra lehibe izy ary fantatro fa nanampy ahy izy.

Irvin O. 16 taona, El Salvador

Mivavaha Hatrany

“Mivavaha mandrakariva mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy; eny, mba hahazoanao mandresy an’ i Satana ary mba hahazoanao mandositra ny tanan’ ireo mpanompon’ i Satana, izay manohana ny asany” (F&F 10:5).

Io andinin-tsoratra masina io dia manampy amin’ ny fiatrehana an’ ireo fakam-panahy. Rehefa mitady hanao zavatra izay fantatro fa ratsy aho dia tonga ao an-tsaiko io andinin-tsoratra masina io sy ny hafatra fonosiny. Isaky ny mivavaka aho aorian’ ny fahazoako izay bitsika izany dia mahazo ny fanampiana izay ilaiko mba handresena an’ ireo fakam-panahy izay atrehako.

Jesse F. 17 taona, Utah, Etazonia

Momba Anao Hatrany Aho

“Mahareta amin’ ny fahoriana, fa ho tojo maro ianao; nefa iareto ireny fa indro, Izaho momba anao hatrany amin’ ny faran’ ny andronao” (F&F 24:8).

Fitahiana ho ahy ny fitadidiavana io soratra masina io, indrindra rehefa nahatsapa ho natahotra sy irery aho. Isaky ny mahatsiaro izany aho dia mahazo herimpo ary mahazo aina kokoa. Amin’ ny maha zatovolahy sy zatovovavy antsika dia mila fitarihana sy fanohanana isika, indrindra rehefa miatrika fitsapana sy olana. Na dia toa tsy azo antoka loatra na mahakivy aza ny fiainana indraindray dia fantatro fa afaka matoky ny Tompo aho ary mahazo fihina mamy avy Aminy.

Fony aho mbola kely dia nampianarina tany an-trano sy tany amin’ ny Kilonga fa ny Tompo dia ho eo akaikiko foana raha toa manao ny anjarako aho. Noho ireo fampianarana ireo ary koa ity soratra masina ity dia fantatro fa afaka miantehitra Aminy foana aho.

Sofia I. 15 taona, Uruguay

Sary nalain’ i Welden C. Andersen ary Christian Ibanez