2016
Manao soa manerana izao tontolo izao
Mey 2016


Manao soa manerana izao tontolo izao

Manohy manaraka ny ohatry ny Mpamonjy “[mandehandeha] manao soa” (Asan’ny Apostoly 10:38) ny Olomasin’ny Andro Farany. Misy ohatra vitsivitsy vao haingana ireto.

Tao Abu Dhabi, Émirats Arabes Unis, dia nivory tao anatin’ny fihaonambe sy tetikasa fanampiana olona iraisam-pinoana ny mpikambana sy ny naman’ny Fiangonana avy amin’ny firenena sivy tao Moyen-Orient—izay avy ao amin’ny faritany lehibe miisa enina. Nivondrona izy ireo ka nizara fitaovana fidiovana sy fonosan-tsakafo miisa 8.500.

Tao Ouganda, ny mpitsabo nify miisa roa sy ny manam-pahaizana manokana momba ny fanadiovana ny ativava ary ireo Olomasin’ny andro farany rehetra dia nandany herinandro nanampy sy nanala ary nanadio nify, nampianatra mikasika ny fikarakarana tsara ny ativava, ary nampianatra ireo mpitsabo nify sy ireo mpianatra ho mpitsabo nify teo an-toerana mikasika ireo fomba fitsaboana tsara indrindra.

Tao Malaisie, dia nifantoka tamin’ny fianakaviana ireo mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny fankalazana ny Taom-baovao Sinoa, ka tafiditra tao anatin’izany hetsika izany efa hatramin’izay ny fitsidihana toerana fandevenana izay hahatsiarovana sy hanomezam-boninahitra sy fanajana ireo razambe.

Tao Thaïlande, dia nivory tao Bankok ireo mpikambana 18 ka hatramin’ny 35 taona mba hanao fifaninanana fandrahoan-tsakafo sy tetikasa fanompoana.

Tao Fidji, dia nanao asa fanampiana ho an’ireo niharam-boina tamin’ny Rivo-doza Winston ireo mpikambana sy ireo misiônera. Niara-niasa tamin’ireo fikambanana ara-panjakana sy tsy miankina ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hanome sakafo, rano, trano lay, fitaovana fidiovana, ary vatsy hafa ilaina maika.