2016
Fanovana ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara
Mey 2016


Fanovana ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara

Tena zava-dehibe eo amin’ny fivoarantsika manokana ary lafin-javatra tena ilaina ao anatin’ny fitsaohantsika mandritra ny andro Sabata ny fianarana sy ny fiainana ary ny fampianarana ny filazantsara. Ao anatin’ilay ezaka mitohy atao mba hanampiana ireo mpikambana hivoatra eo Amin’ny fanorenany ny finoana ny Ray any an-danitra sy an’i Jesoa Kristy ary eo amin’ny fanatsarany ny fitsaohany amin’ny Sabata dia nampahafantatra ezaka vaovao mba hanatsarana ny fampianarana sy ny fianarana ny filazantsara ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tao anatin’ny fivorian’ireo mpitarika nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Asaina ny mpikambana mba:

1. Hampihatra ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Io boky vaovao io dia mifantoka amin’ireo fitsipika tsotra nefa mahery vaika izay nampiasain’ilay Mpampianatra Lehibe. Ny tanjon’ny mpampianatra rehetra araka ny nambara ao anatin’ilay boky dia ny “hampianatra ny fotopampianarana madion’ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahy mba hahafahana manampy ny zanak’ Andriamanitra hanorina finoana ao amin’ny Mpamonjy sy hitovy bebe kokoa Aminy.”

Na dia natao ho an’ireo izay manana antso mba hampianatra aza ilay boky dia ho hitan’ny rehetra fa tena ilaina izany eo amin’ny fianarana mampianatra araka ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy. Afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fampiharana ireo fitsipika ao anatin’ilay bokikely ny ray aman-dreny rehefa mampianatra any an-tokantrano.

2. Handray anjara amin’ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra. Ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia tsy mitovy amin’ireo fampianarana hampivoarana ny mpampianatra teo aloha. Amin’ny maha-filankevitra azy dia hanome fahafahana ireo mpampianatra hiaraka hifanakalo hevitra sy hifampianatra mikasika ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy ireo fivoriana ireo. Hotanterahina maneran-tany mandritra ny 2016 ireo fivoriana ireo izay hatao indray mandeha isam-bolana ao anatin’ireo fotoam-pivoriana isaky ny Alahady.

3. Ho mpianatra filazantsara mavitrika. Samy amporisihina ny mpikambana sy ny mpampianatra mba ho mpianatra filazantsara mavitrika any an-tokantrano. Ny fianarana sy ny fiainana ny filazantsara mandritra ny herinandro dia manomana ny mpikambana handray anjara amin’ireo lesona isaky ny alahady, izay afaka mitondra traikefa ara-pianarana manan-danja kokoa ho an’ny rehetra.

Amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra antsika dia manana hery ho tonga tahaka Azy isika rehetra. Na iza na iza vonona ny hianatra sy hiaina ny filazantsara dia afaka ny hitovy bebe kokoa amin’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra ary hiverina hiaraka hiaina amin’izy ireo. Manampy antsika hanorina izany karazana finoana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy izany ny fitsaohana any am-piangonana sy any an-tokantrano.