2016
Miorim-paka amin’ny finoan’izy ireo
Jolay 2016


Zatovo

Miorim-paka amin’ny finoan’izy ireo

Ny Filoha Monson dia mitantara tantara iray mikasika ny fianakaviana mpamaky lay iray ary avy eo dia nindrana ny tenin’ny Filoha George Albert Smith hoe: “Hiaina amim-pahatokiana ny zavatra ninoan’ireo razambenareo ve ianareo? … Miezaha ny ho mendrika ireo fahafoizantena rehetra nataon’[izy ireo] ho anareo.” Na manana razambe mpamaky lay ianao na ianao no taranaka voalohany mpikambana ao amin’ny Fiangonana dia moa ve ianao mijery ireo ohatry ny finoana mba hahazo fitarihana sy hery? Inty misy fomba tsara azonao hanombohana izany:

1. Ataovy lisitra ireo olona mahavariana anao. Mety ho olona ao amin’ny fianakavianao (teo aloha na ankehitriny) izy ireo, namana, mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na olona ao amin’ny soratra masina.

2. Soraty ireo toetra tsara ananan’izy ireo izay tianao. Manam-paharetana tokoa ve ny reninao? Mety tsara fanahy amin’ny hafa ny namanao. Angamba tianao ny herim-pon’ny Kapiteny Môrônia.

3. Misafidiana toetra iray avy amin’ny lisitra nataonao dia manontania tena hoe “Amin’ny fomba ahoana no ahafahako mahazo io toetra io? Inona no tokony hataoko mba hampitomboana izany eo amin’ny fiainako?

4. Soraty ireo drafitra hoentinao hampitomboana io toetra io ary apetraho amin’ny toerana izay ahitanao azy matetika izany mba hampahatsiahy anao ny tanjonao. Mivavaha mba hahazo ny fanampian’ny Ray any An-danitra ary jereo matetika ny fivoaranao. Raha vantany vao tsapanao fa efa nitombo tsara ao aminao io toetra io dia afaka mifidy toetra iray vaovao hokolokoloina ianao.

Tadidio fa rehefa mampitombo toetra tsara ao anatintsika isika dia tsy manaja ny finoan’ireo razambentsika sy ireo fahafoizantena nataon’izy ireo fotsiny ihany fa afaka ny hitaona ireo olona manodidina antsika amin’ny tsara ihany koa.